2011
I Jesoa Kristy dia Nanonitra ny Fahotantsika
Aprily 2011


Ny Zavatra Inoantsika

I Jesoa Kristy dia Nanonitra ny Fahotantsika

Isan’ny iray amin’ireo antony maha-eto an-tany antsika ny hianatra ny hankato ireo didin’Andriamanitra. Ankoatra an’i Jesoa Kristy izay niaina fiainana tonga lafatra dia efa nanota avokoa ny olona rehetra niaina teto an-tany (jereo ny Romana 3:23; 1 Jaona 1:8). Ny hoe fahotana dia rehefa mandika an-tsitrapo ny didin’Andriamanitra isika ary ireo fahotana rehetra dia manana sazy mifamatotra aminy. Rehefa manota isika dia mitaky antsika hizaka ny sazy ny fahamarinana (jereo Alma 42:16–22).

Amin’ny farany dia ny fisarahana amin’Andriamanitra no vokatry ny fahotana rehetra (jereo ny 1 Nefia 10:21). Izany fisarahana izany dia tena henjana hany ka tsy afaka amboarintsika amin’ny alalan’ny tenantsika irery izany.

Mba hisorohana izany fisarahana izany, ny Raintsika any an-danitra dia nanome fomba iray mba hitondran’ilay Zanany Lahitokana, Jesoa Kristy, eo Aminy ny vesatry ny fahotantsika, izay ahafahantsika ho madio ara-panahy sy ho tafaray Aminy. Izany no drafitry ny famindram-po.

Ny Mpamonjy dia nampianatra hoe: “Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka; nefa raha tsy mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy” (F&F 19:16–17).

Tao anatin’ny Sorompanavotana nataony, i Jesoa dia nijaly noho ny fahotantsika tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazofijalian’i Kalvary. Amin’ny alalan’ny fibebahana amin’ny fahotantsika dia afaka mitondra ny herin’ny Sorompanavotany eo amin’ny fiainantsika isika.

I Jesoa Kristy izay nanonitra an-tsitrapo ireo fahotantsika dia nilaza hoe:

“Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay mavesatra entana, fa omeko fitsaharana ianareo.

“Raiso ny ziogako ary mianara amiko; fa mora sy malemy fanahy aho ary dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo.

“Fa mora ny ziogako ary maivana ny enta-mavesatro” (Matio 11:28–30).

Ny Sorompanavotana dia manolotra ihany koa ireto fitahiana manaraka ireto:

  1. Ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ireo rehetra izay teraka eto an-tany (jereo ny Almà 11:42–45).

  2. Ny Fiainana Mandrakizay eo anatrehan’Andriamanitra ho an’ny ankizy rehetra izay maty mialohan’ny fahatongavany amin’ny taona maha-tompon’andraikitra azy dia ny fahavalo taonany (jereo ny Môsià 3:16; 15:24–25; Môrônia 8:8–12).

  3. Fahafahana mahita fiadanana amin’ny fotoam-pisedrana satria i Jesoa dia nitondra teo Aminy ireo fanaintainantsika sy ireo fahalementsika (jereo ny Jaona 14:27; Almà 7:11–12).

  4. Ny fanonerana ho an’ny marina noho ny faharatsian’ity fiainana ity (jereo ny Torio ny Filazantsarako [2004], 52).

“I Jesoa Kristy ihany, amin’ny maha- Zanakalahitokan’Andriamanitra sy amin’ny maha-hany olona tsy nanota teto ambony tany Azy no hany nahavita ny Sorompanavotana ho an’ny olombelona rehetra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Sorompanavotana”).

Ô Ry Ray, nataon’i Simon Dewey; Nitsidika an’i Amerika i Jesoa Kristy, nataon’i John Scott © IRI; SARIN’NY zazakely © Getty Images; SARY hafa NALAIN’I Christina Smith