2011
Niakanjo Tsara
Aprily 2011


Niakanjo Tsara

“Zanak’i Jehovah Andriamanitrareo hianareo” (Deoteronomia 14:1).

  1. Te-hiakanjo tsara i Elise. Nanaovany ny kiraron’i Dada ary nanao orona tsy tena izy miloko mena izy.

    Mpanao hatsikana mampihomehy aho.

  2. Nihazakazaka niverina tany amin’ny efitranony i Elise. Nanao satroka fanaovan’ny mpanangan-trano miloko mavo izy ary naka maritoa plastika iray.

  3. Novelesin’i Elise tamin’ny maritoa ny gorodona talohan’ny nihazakazahany nankany amin’ny efitranony.

    Mpanangan-trano matanjaka aho.

  4. Nitafy akanjo lava mamirapiratra miloko volom-parasy sy misy lokom-bolafotsy i Elise ary nivoaka ny efitranony.

  5. Tian’i Elise ny ho mpanjakavavy. Niakanjo ny akanjo lavany izy nandritra ny andro iray manontolo.

    Mpanjakavavy tsara tarehy aho.

  6. Rehefa tonga ny fotoana fatoriana dia nisolo an’ilay akanjo mandry maintsomaintso tena tiany i Elise. Nivoaka ny efitranony izy ary dia nipetraka teo ampofoan’i Neny.

  7. Izaho no Elise. Zanak’ Andriamanitra aho.