2011
Herinandron’ny Paska
Aprily 2011


Herinandron’ny Paska

Afaka mianatra momba ny Paska ianao amin’ny alalan’ny fianarana ny zavatra nitranga nandritra ny herinandro talohan’ny Nanomboana an’i Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Manomboka valo andro mialohan’ny Paska, dia vakio ireo zavatra niseho sy ny andalan-tsoratra masina voatanisa ho an’ny andro tsirairay.

Asabotsy

Efa enina andro sisa dia tonga ny andro fankalazana manan-danja antsoina hoe Andro firavoravoana. Maro ny olona nankany Jerosalema mba hahafahan’izy ireo manao fanatitra any amin’ny tempoly amin’izany andro izany. Nandeha tany Betania i Jesoa, tanàna kely iray tsy lavitra an’i Jerosalema. Nijanona tao dimy alina Izy niaraka tamin’ny namany dia i Lazarosy, Maria ary Marta. Nanosotra ny tongony tamin’ny menaka i Maria.

Jereo ny Jaona 12:1–3.

Alahady

Nandeha avy any Betania nankany Jerosalema i Jesoa. Niditra ny tanàna teo ambony boriky Izy, araka ny voalazan’ny andalana iray ao amin’ny Testamenta Taloha fa hataony. Nandray Azy ho toy ny mpanjakany ny vahoaka, nihiaka hoe “Hosanna” ary nametraka ravin’oliva teo anoloan’ny boriky mba tsy hahatongavan’ny vovoka eo amin’ny Mpamonjy. Nitsidika ny tempoly i Jesoa ary dia niverina tany Betania.

Jereo ny Zakaria 9:9; Matio 21:1–11; Marka 11:1–11.

Alatsinainy

Nahita ny olona nividy sy nivarotra zavatra tao amin’ny tempoly i Jesoa. Satria tiany ho “tranon’ny vavaka,” ny tempoly dia noroahiny izy ireo. Ary dia nanasitrana ireo olona izay malemy sy jamba izy. Ireo mpisorona mialona dia tezitra Taminy.

Jereo ny Matio 21:12–17; Marka 11:15–19.

Talata

I Jesoa dia nampianatra ny olona tao amin’ny tempoly sy teo amin’ny havoana izay tsy lavitra teo nantsoina hoe Tendrombohitra Oliva.

Nikononkonona ny hamono an’i Jesoa ireo mpisorona. Ny iray tamin’ireo mpianatra, i Jodasy Iskariota, dia nanaiky ny hamadika an’i Jesoa tamin’ireo mpisorona ho takalon’ny farantsa volafotsy 30.

Jereo ny Matio 25:31–46; 26:14–16.

Alarobia

Ny soratra masina dia tsy miteny izay nataon’i Jesoa tamin’io andro io. Mety niaraka tamin’ny mpianany Izy ny tontolo andro. Afaka mamaky ny fanoharana momba ireo virijiny folo ianao, tantara izay notantarain’i Jesoa ireo mpianany hanampiana azy ireo hiomana ho amin’ny Fiaviany Faharoa.

Jereo ny Matio 4:1–13.

Alakamisy

Ny mpianatr’i Jesoa dia niomana ho an’ny sakafon’ny Andro firavoravoana. Nandritra ny sakafo dia nilaza i Jesoa fa ny iray amin’izy ireo dia hamadika Azy. Ary dia mba hanampiana azy ireo hahatsiaro Azy dia nanolotra azy ireo ny fanasan’ny Tompo voalohany Izy. Nandeha tany amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa mba hijaly noho ny fahotantsika ary hivavaka amin’Andriamanitra. Nisy olona tonga niaraka tamin’ny sabatra ary nisambotra Azy. Nandositra noho ny tahotra ireo mpianatra.

Jereo ny Matio 26:17–29, 36–56.

Zoma

Nentina tany amin’ny mpisorona ambony, Kaifasy i Jesoa. I Petera mpianatr’i Jesoa dia nandà tsy nahafantatra Azy. Nohadikadinin’ny governora Pilato ary avy eo i Heroda i Jesoa. Voaheloka ny ho faty teo amin’ny hazofijaliana. Nohomboana tamin’ny hazofijaliana i Jesoa. Lehilahy manan-karena iray atao hoe Josefa no nametraka an’i Jesoa tao amin’ny fasany. Namangy ny fasana ny renin’i Jesoa, i Maria sy i Maria Magdalena.

Jereo ny Matio 26:57–72; 27:1–2, 27–37; Lioka 23:44–46, 50–56.

Asabotsy

Mandry ao am-pasana ny vatan’i Jesoa. Nisy vato lehibe napetraka teo amin’ny varavarana fidirana. Ireo mpisorona ratsy fanahy dia nangataka an’i Pilato hametraka mpiambina hijoro eo ivelan’ny fasana mba hahazoana antoka fa tsy misy miditra ao anatiny.

Jereo ny Matio 27:57–66.

Alahadin’ny Paska

Nitsangana i Jesoa! Nitsangana avy tao am-pasana Izy. Nisy anjely nidina avy any an-danitra ary nanakodia ilay vato.

I Jesoa dia niteny ireo mpianany mba hampianatra sy hanao batisa ny hafa ary nampanantena ny ho eo anilan’izy ireo mandrakariva.

Jereo ny Matio 28.

Sary nalain’i Matthew Reier; ambony, avy any ankavia: Nandeha nankany Betania i Jesoa ny harivariva, nataon’i James Tissot; Ny Fiakarana am-boninahitra tao Jerosalema, nataon’i Harry Anderson © IRI; Fanasitranana ilay Lehilahy Jamba, nataon’i Harry Anderson, nahazoana lalana avy tamin’ny Pacific Press Publishing, Inc., tsy azo adika; Ilay Feo avy any An-danitra, nataon’i James Tissot; sombiny avy amin’ny Hendry ny Dimy Tamin’izy ireo, nataon’i Walter Rane, nahazoana lalana avy tamin’ny Church History Museum; I Kristy tao Getsemane, nataon’i Harry Anderson © IRI; sombiny avy amin’ny Ny Fanomboana, nataon’i Harry Anderson © IRI; Ny Fandevenana an’i Kristy, nataon’i Carl Heinrich Bloch, nampiasaina niaraka tamin’ny fahazoan-dalana avy amin’ny National Historic Museum ao Frederiksborg any Hillerød, Danemark, tsy azo adika; ambany: Nitsangana Izy, nataon’i Del Parson