2011
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22--24
Aprily 2011


Fitsipika anampy Fitsipika

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24

Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia tenivavolombelona maoderina momba an’i Jesoa Kristy: Fa velona Izy!

22 Ary ankehitriny, aorian’ ireo tenivavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny tenivavolombelona, ny farany amin’ ny rehetra, izay ataonay momba Azy: Fa velona Izy!

23 Fa hitanay Izy, eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra; ary renay ny feo manambara fa Izy no Zanaka Lahitokan’ ny Ray—

24 Fa tamin’ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy no ary sy nahariana ireo tontolo, ary ny mponina eo aminy dia ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’Andriamanitra.

Tenivavolombelona Maro

Maro ireo tenivavolombelona nozaraina mikasika ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty talohan’ity fanambarana ity. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Velona Izy!

Sary
President Thomas S. Monson

“Efa namaky aho—ary mino—ny tenivavolombelon’ireo izay nanatri-maso ny fanaintainana vokatry ny fanomboana an’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana sy tamin’ny fifaliana tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty. Efa namaky aho—ary mino—ny tenivavolombelon’ireo izay tany amin’ny Tany Vaovao izay notsidihan’ilay Tompo efa nitsangana tamin’ny maty ihany koa.

“Mino ny fijoroana ho vavolombelon’ny iray izay niresaka tamin’ny Ray sy ny Zananilahy, tamin’ity fotoam-pitantanana ity, tao amin’ny alakely iray aho izay antsointsika ho masina ary nanolotra ny ainy, nanisy tombokase izany fijoroany ho vavolombelona izany tamin’ny rany.”

Filoha Thomas S. Monson, “Nitsangana Izy!” Liahona, Mey 2010, 89.

Ary sy Nohariana ny Tontolo maro

Sary
Elder Neal A. Maxwell

“Teo ambany fitantanan’ny Ray no naharian’i Kristy izay Tompon’izao rehetra izao tontolo maro tsy hita isa—izay iray amin’izany ny misy antsika (jereo ny Efesiana 3:9; Hebreo 1:2).

“Misy firy ireo planeta eto amin’izao rehetra izao miaraka amin’ireo olona ao aminy? Mety tsy fantatsika fa isika dia tsy irery eto amin’izao rehetra izao! Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny planeta iray monja!”

Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ao amin’ny “Vavolombelona manokan’i Kristy,” Liahona, Apr. 2001, 5.

Zanakalahy sy Zanakavavin’Andriamanitra

Sary
President Dieter F. Uchtdorf

“Tsy olona toy ny olona rehetra ianareo ry tanora namako sy malalako maneran-tany. Be voninahitra sy mandrakizay ianareo. …

“Ny vavaka ataoko sy ny tsodranoko dia ny hoe rehefa mijery ny tenanareo ianareo dia mba ho afaka hahita mihoatra ireo tsy fahatanterahana sy fisalasalana, ilay hoe iza marina moa ianareo: izay zanakalahy sy zanakavavy be voninahitra an’ny Andriamanitra Tsitoha.”

Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, “The Reflection in the Water” (Church Educational System fireside for young adults, 1 Nôv. 2009); hita ao amin’ny CESfiresides.lds.org.

Sombiny avy amin’ny Nitsangana Izy, nataon’i Del Parson