2011
Ireo Nosikely Marshall
Aprily 2011


Tantaran’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao

Ireo Nosikely Marshall

Na dia nitsidika ireo Nosikely Marshall aza ny mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny Ady Lehibe Faharoa dia tsy nanomboka tamin’ny fomba ôfisialy ny asa fitoriana tany raha tsy ny volana Febroary 1977. Tamin’io taona io no nandefasana an’ i Elder William Wardel sy i Elder Steven Cooper avy amin’ny Misiônan’i Honolulu Hawaii hiasa tany amin’iny faritra iny. Niaraka tamin’ny fanampian’i Eldered Fewkes, mpikamban’ny Fiangonana izay nifindra tany amin’ireo Nosikely Marshall noho ny fitadiavana, dia nataon’izy ireo izay hanaovana fivoriam-bavaky ny Fiangonana tao amin’ny tranon’ny fiangonana hafa.

Tamin’izany taona voalohany izany dia nanao batisa olona 27 ireo mpitory. Telo taona taty aoriana dia tafiditra tao amin’ny Misiônan’i Guam Micronésie ny Nosikely Marshall. Tamin’ny 1984 dia naorina ny Distrikan’i Majuro an’ny Nosikely Marshall. Tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana, izay nitarika tany amin’ny fanorenana Distrika faharoa tamin’ny taona 1991 tao amin’ny nosikelin’i Kwajalein. Tamin’ny taona 2006 dia naorina ny Misiônan’i Majuro an’ny Nosikely Marshall. Ny telo taona manaraka dia nahitana fitomboana lehibe teo amin’ny fahavitrihan’ny mpikambana noho ny ezaka atao amin’ny famerenana ho mavitrika sy ireo batisa ary ny fanamafisana ny fitarihana teo an-toerana. Ny vokatr’izany dia ny fananganana tamin’ny faha-14 Jona 2009 ny Tsatòkan’ny Nosikely Marshall.

Raha hamaky ireo tantaran’ny finoana sy ny fiovam-pon’ny mpikambana tao amin’ny Nosikely Marshall, jereo ny pejy 32.

Ny Fiangonana ao amin’ny Nosikely Marshall

Mpikambana

4.486

Misiôna

1

Tsatòka

1

Distrika

1

Paroasy/Sampana

11