Ny soratra masina
2 Nefia 33


Toko 33

Ny fahamarinan’ny tenin’i Nefia—Ny fanambarany ny amin’i Kristy—Ireo izay nino an’i Kristy dia hino ny tenin’i Nefia, izay hijoro ho vavolombelona eo anoloan’ny toeram-pitsarana. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny, izaho Nefia dia tsy afaka manoratra ny zavatra rehetra izay efa nampianarina teo anivon’ny oloko; sady tsy dia mahery amin’ny fanoratana toy ny amin’ny fitenenana aho; fa rehefa miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ny olona iray, ny herin’ny Fanahy Masina dia mitondra izany hankany am-pon’ny zanak’olombelona.

2 Nefa indro, maro ireo izay manamafy ny fony amin’ny Fanahy Masina hany ka tsy manana toerana ao aminy Izy; koa izy ireo dia manary zavatra maro izay efa voasoratra ary misaina izany ho toy ny zava-tsinontsinona.

3 Nefa, izaho Nefia dia efa nanoratra izay efa voasoratro, ary heveriko ho misy lanjany lehibe izany, indrindra ho an’ny oloko. Fa mivavaka lalandava ho azy aho mandritra ny andro, ary vonton-dranomaso ny ondako amin’ny alina noho ny aminy; ary mitalaho amin’ Andriamanitro amim-pinoana aho ka fantatro fa hihaino ny fitalahoako Izy.

4 Ary fantatro fa hanamasina ny fivavako ny Tompo Andriamanitra ho tombontsoan’ny oloko. Ary ny teny izay efa nosoratako tamin’ny fahalemena dia hatanjahina ho azy satria, mandresy lahatra azy hanao ny tsara izany; mampahafantatra azy ny razambeny; ary miresaka an’i Jesoa ka mandresy lahatra azy hino Azy sy haharitra hatramin’ny farany, izay fiainana mandrakizay.

5 Ary miteny tsy misorona manohitra ny fahotana izany araka ny fahatsoran’ny fahamarinana; noho izany dia tsy hisy olona ho tezitra amin’ny teny izay efa nosoratako afa-tsy izay hitoeran’ny fanahin’ny devoly.

6 Mirehareha ny amin’ny fahatsorana aho; mirehareha ny amin’ny fahamarinana aho; mirehareha ny amin’i Jesoako aho fa Izy efa nanavotra ny fanahiko tamin’ny helo.

7 Antra ny oloko aho sady manana finoana lehibe an’i Kristy hany ka hihaona amin’ny fanahy maro tsy misy pentina aho eo amin’ny toeram-pitsarany.

8 Antra ny Jiosy aho—Jiosy, hoy aho, satria ny fiaviako no tiako ambara amin’izany.

9 Antra ny Jentilisa koa aho. Nefa indro, tsy misy azoko antenaina ny aminy raha tsy efa nihavana tamin’i Kristy izy ka miditra ny vavahady tery sy mandeha amin’ny lalana ety izay mitondra mankany amin’ny fiainana ary mitozo amin’ny lalana mandra-pahatapitry ny andron’ny fizahan-toetra.

10 Ary ankehitriny, ry rahalahiko malala ary koa ianareo Jiosy sy ianareo rehetra faran’ny tany, mihainoa ireto teny ireto sady minoa an’i Kristy; ary raha tsy mino ireto teny ireto ianareo, dia minoa an’i Kristy. Ary raha mino an’i Kristy ianareo, dia hino ireto teny ireto, satria tenin’i Kristy ireo ary Izy no efa nanolotra ireo ho ahy; ary mampianatra ny olon-drehetra ireo mba hanao ny tsara.

11 Ary raha tsy tenin’i Kristy ireo, dia tsarainareo—fa hasehon’i Kristy anareo amin-kery sy voninahi-dehibe amin’ny andro farany fa teniny ireo; ary dia hifanatri-tava isika na izaho na ianareo eo anoloan’ny fitsarany; ary ho fantatrareo fa efa nandidy ahy Izy hanoratra ireto zavatra ireto na dia teo aza ny fahalemeko.

12 Ary mivavaka amin’ny Ray aho amin’ny anaran’i Kristy mba ho maro amintsika, raha tsy isika rehetra, no hovonjena ao amin’ny fanjakany amin’ny andro lehibe sady farany.

13 Ary ankehitriny, ry rahalahiko malala, ianareo rehetra izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely sy ianareo rehetra faran’ny tany, miteny aminareo toy ny feon’olona miantso avy ao amin’ny vovoka aho: Veloma ianareo mandra-pahatongan’izany andro lehibe izany.

14 Ary ianareo izay tsy mety mandray anjara amin’ny hatsaram-pon’ Andriamanitra, na manaja ny tenin’ny Jiosy ary koa ny teniko sy ny teny izay hiloaka ny vavan’ny Zanakondrin’ Andriamanitra, indro manao veloma anareo mandrakizay aho, satria hanameloka anareo ireto teny ireto amin’ny andro farany.

15 Fa izay feheziko eto an-tany dia hoentina hiampangana anareo eo amin’ny toeram-pitsarana; fa izany no efa nandidian’ny Tompo ahy ka dia tsy maintsy mankatò aho. Amena.