2017
Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy
May 2017


Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Te hampianatra tahaka ny nampianaran’i Jesoa daholo isika,” hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny fampitana mivantana maneran-tany ho an’ny mpampianatra tamin’ny 5 nôvambra 216. “Tsotra sy mivantana ary mahery vaika ny fampianarany.”

Nilaza ny Loholona Holland fa ny boky Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia manampy amin’ny fanatsarana ny fampianarana ao am-piangonana. Torak’izany koa ny fivoriana filankevitra ho an’ny mpampianatra sy ny fampianarana ireo mpampianatra vaovao, izay noresahina nandritra ilay fampitana mivantana. Ilay fampitana dia misy amin’ny fiteny 10 ao amin’ny teach.lds.org, miaraka amin’ny horonantsary isan-karazany sy fitaovana hafa hanatsarana ny fampianarana.