2017
Loholona Adilson de Paula Parrella
May 2017


Loholona Adilson de Paula Parrella

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Elder Adilson de Paula Parrella

Fony valo taona ny Loholona Adilson de Paula Parrella dia nanomboka nampianatra ny fianakaviany momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara ny misiônera.

“Na tamin’izaho mbola kely aza dia tsy nanana ahiahy aho fa tena nahita an’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy i Joseph Smith,” hoy ny Loholona Parrella, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 1 aprily 2017. “Tsy niahiahy velively ny amin’izany mihitsy aho nanomboka tamin’izany ka hatramin’izao.”

Ny Loholona Parrella dia teraka tamin’ny 1962 tao Guarujá brésil, tao amin’ny morontsirak’i Atlantika ao akaikin’i São Paulo, ary zanak’i Fioravante sy Vany de Paula Parrella

Samy nanao asa fitoriana ireo zokiny lahy anankiroa. Ny ohatra nasehon’izy ireo sy nasehon’ny eveka be fitiavana iray, dia i Angelino Borges de Freitas, izay nampianatra azy ny fomba hahatongavana ho mpihazona ny Fisoronana Aharôna, dia niteraka faniriana tao anatiny mba hanao asa fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno. Ny asa fitoriana ny filazantsara dia nanamafy taminy “ny tena fisian’ Andriamanitra sy ny Zanany sy ny hoe zanak’ Andriamanitra avokoa isika rehetra.”

Rehefa avy nanompo tao amin’ny misiônan’i Porto Alegre Brésil ny Loholona Parrella dia nianatra tao amin’ny Brigham Young University ao Provo Utah Etazonia izy, ary tao no nahazoany ny mari-pahaizana maîtrise en communication sy ny mari-pahaizana maîtrise en administration des affaires. Efa tale jeneralin’ny Kodak Polychrome Graphics izy ary mpiara-miombon’antoka tao amin’ny Korn Ferry International. Vao haingana mihitsy izy dia mpiara-miombon’antoka tao amin’ny Caldwell Partners izy.

Nanambady an’i Elaine Finholdt tao amin’ny Tempolin’i São Paulo Brésil izy tamin’ny desambra 1988. Manan-janaka dimy lahy izy ireo.

Ny Loholona Parrella dia efa filohan’ny sampana, eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ary filohan’ny Misiônan’i Belo Horizonte Brésil nanomboka tamin’ny 2009 ka hatramin’ny 212.

Hatramin’ilay fotoana nihaonany tamin’ny misiônera dia toy ny dia hahatakarana ny fahatsapana izay tsapany fony izy valo taona ny fiainany. Ny fandehanana any am-piangonana, ny fanohizana mianatra avy amin’ny tenin’ Andriamanitra ary ny fiezahana miaina ny didy dia nanampy azy hanitatra ny fomba fijeriny avy tamin’ilay fahamarinana kely nomena azy fony izy mbola kely. Hoy izy hoe: “Inty marina no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.”