2017
Loholona Taylor G. Godoy
May 2017


Loholona Taylor G. Godoy

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Elder Taylor G. Godoy

Rehefa avy nanao ny asany nandritra ny taona maro ny Loholona Taylor G. Godoy dia tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra manan-danja izay hitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainany izy.

Mpitsabo nify no asany teo aloha. Nanangana trano fitsaboana nify izy ary naminavina ny hampianatra momba ny fandidiana amin’ny fitsaboana nify. Kanefa nisy mpitarika lalaina sy azo itokisana iray tao amin’ny fisoronana nanasa azy hiasa ho an’ny Seminera sy Institiota.

Ny fialana tamin’ny asa fivelomana tena niroborobo tahaka izany dia safidy mahaliana ho an’ilay mpitsabo nify vao herotrerony, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 1 aprily 2017. Maro tamin’ireo mpiara-miasa taminy no nanontany tena hoe ahoana no ahafahany hiala amin’ilay asany.

“Saingy fantatro fa izay no safidy tsara,” hoy izy. Ny fahatokian-tena tsy am-pihambahambana toy izany no mamariparitra ny olona niova fo ao amin’ny Fiangonana. Ny fanampiana ny hafa hahafantatra sy ho lasa tia ny filazantsara dia nanjary lasa fahafahana manao zavatra sy fitahiana nanoritsoritra ny fiainana.

Nandritra ny asa nataony tao amin’ny fampianaran’ny Fiangonana dia efa mpampianatra, mpandrindra, tale, ary tale nasionaly tamin’ny institiota ny Loholona Godoy. Vao tsy ela mihitsy izy dia talen’ny Seminera sy Institiota tao amin’ny vondrom-paritra avaratra andrefan’i Amerika Atsimo.

I Taylor Guillermo Godoy Atanacio dia teraka tao Lima, Pérou, tamin’ny 1968, ary zanak’i Taylor Godoy sy Adalzahinda Atanacio. Nodimandry ny rainy fony izy zazalahikely, ary i Elias Rebaza, raikely malalany, no nitaiza azy. Niditra ho mpikamban’ ny Fiangonana ny Loholona Godoy rehefa feno 17 taona.

Rehefa avy nanompo tao amin’ny Misiônan’i Pérou Lima avaratra izy dia niverina tany amin’ny tanàn-dehibe niaviany ao Arequipa. Tao izy no nikolokolo finamanana tamin’ny tovovavy iray antsoina hoe Carol Pacheco. Nivady tamin’ny 31 mey 1994 tao amin’ny Tempolin’i Lima Pérou izy roa izay samy mpikambana niova fo. Manan-janaka roa izy ireo.

Nahazo mari-pahazaina maîtrise tamin’ny lalam-piofanana fitsaboana nify avy tao amin’ny Catholic University of Santa Maria izy tamin’ny 1993 ary nahazo mari-pahaizana master en administration avy tao amin’ny Technical University of Madrid tamin’ny 2006.

Efa eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, filohan’ny tsatòka, talen’ny affaires publiques tao amin’ny vondrom-paritra, ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izy.