2017
Tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana
May 2017


Tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana

Novain’ny Fikambanana Ifanampiana ny teny ao anatin’ny fehezan-teny milaza ny tanjon’izy ireo. Ankehitriny izany dia mivaky hoe: “Manomana ny vehivavy handray ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny fanampiana azy ireo hampitombo ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, hanamafy orina ny isam-batan’olona, ny fianakaviana ary ny tokantrano amin’ny alalan’ny ôrdônansy sy fanekempihavanana, ary hiasa amim-piraisan-kina hanampy ireo sahirana.”

Ilay fehezan-teny dia ahitana taratra ireo hevi-baovao fanampiny izay hanampy ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany hahatakatra ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo sy ny asa mandrakizay ary ny tanjon’ny rahavavy tsirairay ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.