2017
Fanambarana antso vaovao
May 2017


Fanambarana antso vaovao

Nandritra ny fihaonambe dia nisy ny fanambarana momba ny fiantsoana Fitopololahy Manampahefana Ambony enina vaovao, Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany vaovao, ary ny fandaminana indray ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany.

Nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony ny Loholona Taylor G. Godoy, ny Loholona Joni L. Koch, ny Loholona Adilson de Paula Parrella, ny Loholona John C. Pingree Zanany, ny Loholona Brian K. Taylor, ary ny Loholona Taniela B. Wakolo.

I Jean B. Bingham no ho Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, miaraka amin’i Sharon Eubank ho Mpanolotsaina Voalohany ary i Reyna I. Aburto ho mpanolotsaina Faharoa. Talohan’ny niantsoana azy dia Mpanolotsaina Valohany tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany Rahavavy Bingham. I Bonnie H. Cordon, izay Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany no nambara fa ho Mpanolotsaina Voalohany vaovao, miaraka amin’i Cristina B. Franco ho Mpanolotsaina Faharoa.

Azo jerena manomboka ao amin’ ny pejy 135 ny tantaram-piainan’izy ireo. Nisy ihany koa ny fanambarana mikasika ny fiantsoana Fitopololahin’ ny Vondrom-paritra miisa 36 (jereo ny pejy 44).