2017
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-187
May 2017


Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-187

Mivory isaky ny enim-bolana isika mba handre ny tenin’ Andriamanitra ambarany amin’ny alalan’ireo mpaminany velona sy ireo mpitarika entanim-panahy ao aminn’ny Fiangonana. Aman’etsiny ireo olona maneran-tany no mivory ao an-trano na any amin’ireo trano fivoriam-piangonana, amin’ny ora sy amin’ny fiteny samihafa ary mampiasa efijery amin’ny refiny samihafa isan-karazany.

Saingy ny fihaonambe maneran-tany dia mihoatra noho ny trangan-javatra iray. Traikefa iray izay afaka ny hitoetra arakaraka ny itiavantsika azy izany. Ny fihaonambe dia zavatra izay halalinintsika, hisintonantsika lesona, ary iainantsika.

Mba hanampiana anao hanana traikefa tsara momba ny fihaonambe dia miezaka izahay ny hitondra ny fanahin’izany fotoana izany ao anatin’ity gazetiboky ity isaky ny enim-bolana. Na mandalina ny fihaonambe amin’ny alalan’ny lahatsoratra vita printy ianao, na amin’ny alalan’ny internet, na amin’ny finday na tablette dia manantena izahay fa ho loharano hitodihanao matetika anie izany.

Misaotra Anao noho ny Mpaminany

Pejy 86: Mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany, dia niangavy antsika ny Filoha Thomas S. Monson mba “handalina ombam-bavaka sy hisaintsaina ao am-pontsika isan’andro ny Bokin’i Mormona.”

Pejy 66: Manao antso avo an’ireo lehilaly ihany koa izy handinika ny fiainan’izy ireo sy “hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy ka ho tsara fanahy, sy hitia, ary hiantra.”

Tempoly vaovao nambara

Pejy 86: Nanambaran’ny Filoha Monson ireo tempoly dimy vaovao izay haorina any Brasília, Brésil; ao Grand Manilles, Nosy Filipina; any Nairobi, Kenya; any Pocatello, Idaho, Etazonia; ary ao Saratoga Springs, Utah, Etazonia. (Jereo ao amin’ny pejy 141 raha mila fampahalalana fanampiny.)

Mpitarika vaovao notohanana

Pejy 43: Nambaran’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny sabotsy 1 aprily ny fisaorana ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fiakambanana Ifanampiana maneran-tany: Linda K. Burton, Carol M. Stephens, ary Linda S. Reeves.

Pejy 135: Fantaro bebe kokoa ny fiantosoana ireo mpitarika ny Fiangonana maneran-tany vaovao miisa 10, anisan’izany ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany vaovao.

Ireo fanambarana naverina nodinihana

Ireo zavatra hita ao anatin’ny fonon’ny gazetiboky: Maro tamin’ireo mpandaha-teny no nampiasa ny “Ilay Kristy Velona” sy “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (jereo ny pejy 26, 36, 39, 62, ary 100). Azonao jerena ao anatin’ny fonon’ity gazetiboky ity ireo lahatsoratra manan-danja ireo.