2017
Jean B. Bingham
May 2017


Jean B. Bingham

Filohan’ ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany

Sary
Jean B. Bingham

Noho Rahavavy Jean B. Bingham efa nipetraka tamin’ny toerana maro tao Etazonia dia mankasitraka ny fomba hanomezan’ny filazantsara fitaomana tsy miovaova mandritra ireo fiovana eo amin’ny tontolo iainana izy.

Teraka tamin’ny 1952, tany Provo, Utah, Etazonia izy ary zanak’i Robert sy Edith Joy Barrus. Lehibe niaraka tamin’ny rahavavy enina sy anadahy roa izy. Tany Texas sy Minnesota Etazonia izy no nianatra tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra, ary namarana ny fianarana tany amin’ny lycée tany New Jersey. Izy sy ireo mpiray tampo aminy no hany mpianatra Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny sekoly nisy azy mandra-pifindran’izy ireo tany New Jersey, ary dibo-kafaliana izy tany raha nahita zazavavy iray avy tao amin’ny paroasiny vaovao tao amin’ny kilasy nisy azy.

Taorian’ny nivadian’izy sy i Bruce Bingham tao amin’ny Tempolin’i Provo Utah tamin’ny 22 desambra 1972, dia nifindra tany Illinois izy ireo mba hanohizan’i Bruce Bingham ny fianarany.

Niteraka roa Rahalahy sy Rahavavy Bingham, ary noraisin’izy ireo ho toy ny zanany ireo zaza hafa notezainy tao an-trano. Nahazo diplôme d’associé momba ny fiainam-pianakaviana izy, ary rehefa nianatra tany amin’ny lycée ny zanak’izy ireo farany dia niverina nianatra izy ka nahazo mari-pahaizana maîtrise momba ny fampianarana.

Ny antson’ny rahavavy Bingham voalohany tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia tonga fotoana fohy taorian’ny nahaterahan’ny zanany voalohany. “Nantsoina hampianatra ireo lesona fanabeazana ny reny aho. Fahafahana lehibe ny nianatra avy tamin’ny ohatra nasehon’ireo rahavavy hafa sy avy tamin’ilay boky.”

Betsaka tokoa ny dia nataon-drahavavy Bingham nandritra ny naha-mpikambana azy tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Kilonga maneran-tany sy naha-mpanolotsaina Voalohany azy tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany. Hitany ireo olana miseho sy fitahiana azo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana any amin’ireo faritra manerana izao tontolo izao.

Manantena izy ny mba hahitan’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ny hatsarana eo amin’izy samy izy. “Mety ho alaim-panahy isika ny hampitaha ny tenantsika amin’ny hafa, fa tsy mitondra voka-tsoa izany ary mifanohitra amin’izay zavatra irian’ny Ray any An-danitra ho antsika.” Milaza izy fa ny Fikambanana Ifanampiana dia manampy ny rahavavy tsirairay hampitombo ny fahatakarany hoe iza izy ao anatin’ny sehatry ny mandrakizay. “Rehefa mampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy isika dia fantatsika marina hoe iza isika,” hoy izy.