2017
Mitohy ny asa fanompoana ataon’ireo Apôstôly maneran-tany
May 2017


Mitohy ny asa fanompoana ataon’ireo Apôstôly maneran-tany

Manohy ny fanaovana asa fanompoana manerana izao tontolo izao ireo mpaminany sy apôstôly (jereo ny F&F 107:23). Nandritra ireo enim-bolana farany:

Namporisika ny tanoran’ny Fiangonana hanao izay hahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana tao anatin’ny fampitana mivantana nifanatrehan-tava iray niainga avy tao Palmyra, New York, Etazonia, ny Filoha Henry B. Eyring sy ny Loholona Jeffrey R. Holland.

Tao Mexique, dia nampahafantarina tao amin’ny Antenimieram-pirenena ny Filoha Russell M. Nelson, ary noderaina ny Fiangonana noho ny soa nataony tamin’ny fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fanamafisana orina ny fianakaviana. Ny Filoha Nelson ihany koa dia nihaona tamin’ny mpikambana sy misiônera ary nilaza fa ny mpikambana “dia hery miasa hanao ny tsara ao amin’ny fiarahamonina misy azy ireo.”

Tany Arizona, Etazonia, dia namporisika ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana ny Loholona Dallin H. Oaks mba hiaro ny fahalalahana ara-pivavahana. (Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa dia jereo ao amin’ny religiousfreedom.lds.org.)

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia niresaka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Sampana Parleys Creek (Swahili) ao Salt Lake City, Utah, Etazonia. Maro amin’ireo mpikambana ao amin’ilay sampana no mpitsoa-ponenana avy any amin’ireo firenena Afrikana, ary ny Filoha Uchtdorf dia efa mpitsoa-ponenana indroa. “Tadidio mandrakariva fa na aiza na aiza no misy antsika dia ao an-tokantrano ny filazantsara,” hoy izy.

Ny Loholona M. Russell Ballard sy D. Todd Christofferson dia nanatrika ny lanonana fametrahana ny eveka vaovaon’ny Diosezin’ny fiangonana Katôlika Rômana ao Salt Lake City ary nandray azy tsara teo anivon’ny fiarahamonina.

Tany amin’ny Tany Masina, ny Loholona Holland sy ny Loholona Quentin L. Cook dia niaraka tamin’ny solontenan’ireo mpitarika Olomasin’ny Andro farany sy ireo manampahefana Jiosy avy ao Etazonia izay nivory tao amin’ny toerana manan-tantara ao Jerosalema mba hanamarika ny tsingerin-taona faha-175 ny nanokanan’ny Loholona Orson Hyde (1805–78) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ilay tany ho toeram-pivoriana ho an’ny vahoaka Jiosy.

Ny Loholona Holland dia niresaka ihany koa tamin’ireo mpikambana sy misiônera tao Japana sy Corée, ary Guam, ary hoy izy hoe “afaka nanome toky azy ireo ny amin’ny hoavy [mamiratra] izahay” tany. Nilaza izy fa ireo fampaherezam-panahy ampitaina mivantana maneran-tany “dia manome anay ny fahafahana lehibe indrindra hampita ny hafatray” rehefa mifandray amin’ny mpikambana analinaliny.

Tao New York, Etazonia, ny Loholona David A. Bednar dia nandray anjara tamin’ny fivoriana iadian-kevitra momba ny fanambadiana, ary nilaza fa ny iray amin’ireo asa lehibe indrindra amin’izao androntsika izao, asa iray izay tokony hiraisan’ny fiarahamonina ara-pinoana isan-karazany hina, dia ny hanampy ny olona hahatakatra ny tena dikan’ny tanjon’ny fanambadiana marina.

Rehefa nitsidika ny Olomasin’ny Andro Farany tany Japana sy Corée ny Loholona Bednar dia nilaza fa mitombo miadana kanefa tsy tapaka ny Fiangonana ao Azia. “Tsy hay sakanana fa dia tsy maintsy talanjona ianao amin’ny fahazotoana, ny fahaizana mandray olona, ary ny fahatokian’ireo Olomasin’ny Andro Farany ireo,” hoy izy. Ny Loholona Bednar koa dia nandaha-teny tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana an’arivony ary nampianatra ireo misiônera tao amin’ny 7 amin’ireo misiônan’ny Fiangonana miisa 21 ao Philippines.

Tao Mexique, Ny Loholona Neil L. Andersen dia nanoro hevitra ny mpikamban’ny Fiangonana mba handresy ireo sakana izay manakana azy ireo tsy ho any amin’ny tempoly, hitandrina ny andro Sabata, ary hampatanjaka ny fifandraisan’ny fianakaviana. Nasainy izy ireo mba hampiditra feno kokoa ny Mpamonjy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Ny Loholona Quentin L. Cook dia nitsidika an’i Philippines, 20 taona taorian’ny nanompoany tany tamin’izy vao nantsoina ho Manampahefana Ambony. Nilaza izy fa ny Fiangonana ao Philippines dia nitombo avy roa heny hatramin’izay fotoana izay. “Ireo toerana nisy sampana,” hoy izy, “dia lasa tsatòka amin’izao fotoana izao. … Tsy mampino ny fahitana ny fitombon’ny Fiangonana.”

Tany Bolivie sy Pérou, ny Loholona Cook dia nanoro hevitra ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hifantoka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Nilaza izy fa ny zatovo sy ny tanora tokan-tena any dia miavaka ary maneho fitiavana ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Tany amin’ny Vondrom-paritra Afrika andrefana, Ny Loholona Gary E. Stevenson dia nilaza fa ny fitsidihana nataony dia nanome fahafahana mba hisaintsaina ny fitiavana sy ny fifaliana izay hitan’ny Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny filazantsara, na dia eo aza “ireo olana sy fahoriana” atrehan’izy ireo.

Taoriana kelin’izay, tany Uruguay, Chili, sy Argentine, ny Loholona Stevenson dia nandray fitenenana tamin’ ny fivoriambe ho an’ny fandaharana Ry tanora mahereza. Nilaza izy fa maro amin’ireo zatovo “no mandray fanapahan-kevitra ny handeha hanao asa fitoriana sy hijanona ho mahatoky amin’ny tanjon’izy ireo mba hanambady any amin’ny tempoly sy … [handranto] fianarana any amin’ny ambaratonga ambony.”

Ny Loholona Ronald A. Rasband dia nanoro hevitra ny mpikambana sy ny misiônera tao amin’ny Vondrom-paritra Amerika afovoany mba hijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo sy hitodika any amin’ny Tompo ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Nitsidika hôpitaly mpitsabo homamiadan’ny ankizy tany Guatemala, izy, nanao ny kabary fanokafana tany amin’ny fivoriambe iray momba ny fahalalahana ara-pivavahana izay notohanan’ny Fiangonana tany El Salvador, ary nihaona tamin’ny filohampirenen’i Nicaragua.

Tany Tonga, ny Loholona Dale G. Renlund dia nihaona tamin’ny mpanjakavavy sy ireo olona hafa ao amin’ny fianakavian’ny mpanjaka. Nitsidika ihany koa an’i Australie sy Nouvelle-Zélande izy, ary nangataka azy hampita ny fitiavan’izy ireo ny Filoha Thomas S. Monson ireo mpikambana tany.