2017
Loholona Taniela B. Wakolo
May 2017


Loholona Taniela B. Wakolo

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Elder Taniela B. Wakolo

Ny Loholona Taniela Biu Wakolo dia nanokana ny andro rehetra teo amin’ny fiainany hanompoana ny Tompo nanomboka tamin’ny nanaovana batisa azy tamin’ny martsa 1994.

Ny Loholona Wakolo, izay teraka tamin’ny 1967 tao amin’ ny nosy kelin’i Lomaloma, lau Fidji, zanak’i Taniela Vosa sy i Temalesi Buadromo Wakolo, no zandriny indrindra tamin’ny zaza enina. “Notezaina tao amin’ny tokantrano iray tena sahirana aho, saingy nanan-karena izahay raha ny fifankatiavana nisy teo aminay no resahina” hoy izy.

Teo amin’ny faha-12 taonany dia nandao ny tokantranon’ ny ray aman-dreniny ny Loholona Wakolo mba hianatra tany amin’ny sekoly kilasimandry izay nahitana tovolahy mahery ny 500, izay 12 taona ka hatramin’ny 19 taona. “Toerana tena tsara nahafahako nianatra izany,” hoy izy. “Tao no nianarako ny fitsipi-pifehezana ho an’ny tena manokana.”

Nampiaraka nandritra ny herintaona mahery tamin’i Anita Herberta Moimoi izay mpikambana niova fo izy. Nivady tany Suva Fidji izy ireo tamin’ny 22 aogositra 1987.

Tsy nitranga vetivety ny fiovam-po ho an’ny Loholona Wakolo, ary nandritra ireo valo taona voalohany tao anatin’ny fanambadian’izy ireo dia nihaona tamin’ny misiônera maro izy. “Inefatra aho no nahavita nianatra hatramin’ny farany ny lesona nentin’ireo misiônera tao anatin’ny valo taona,” hoy izy. “Misiônera 24 no nampianatra ahy.”

Fanontaniana tsotra avy tamin’ny iray tamin’ireo misiônera ireo mikasika ny anaran’ny Fiangonana no nampiova hevitra azy mikasika ny batisa. “Mila antsoina amin’ny anaran’ny tompony ny Fiangonana,” hoy izy. “Dia izay dia ampy ahy.”

Ny Loholona Wakolo sy ny vadiny dia nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Nuku‘alofa Tonga tamin’ny 1995. Manan-janaka roa izy ireo.

Nomena fahafahana hanompo avy hatrany izy taorian’ny batisany. Roa herinandro taorian’ny batisany dia nantsoina ho ao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahin’ny paroasy izy ary nantsoina hiara-mampianatra seminera tamin’ny vadiny. Rehefa afaka herintaona latsaka dia nanaiky ny antso mba ho filohan’ny sampana izy. Taty aoriana izy dia mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka, ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra. Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony dia niahy ny Misiônan’i Arkansas Little Rock izy.

Nianatra gestion sy administration publique ny Loholona Wakolo ary nahazo mari-pahaizana maîtrise tamin’ny gestion. Ny asany vao haingana indrindra dia talen’ny ivontoeran’ny asa fanompoan’ny Fiangonana tao Fidji.