2017
Reyna I. Aburto
May 2017


Reyna I. Aburto

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany

Sary
Reyna I. Aburto

Rahavavy Reyna I. Aburto dia teraka tao Managua Nicaragua tamin’ny 1963, ary zanak’i Noel Blanco sy Delbi Cardoza. “Niasa mafy hatrany ireo ray aman-dreniko mba hahafahan’izy ireo nanome izay nilainay,” hoy rahavavy Aburto. “Tena faly aho tamin’ny fahazazako.”

Raha vao dila mihitsy ny misasak’alina tamin’ny 23 desambra 1972 dia nisy horohoron-tany namely an’i Managua, fony izy sivy taona. “Avotra aho satria nisy fanaka kely tao aoriako, saingy raikitra tao ny tongotro roa.” Rehefa nahare ny kiakiakan’izy sy ny reniny ny mpifanolo-bodirindrina dia tonga nisintona azy ireo avy tao amin’ilay trano biriky rava. Hitan’izy ireo tao ambanin’ireo korontana ny vata-mangatsiakan’ny zokiny lahy teo ambonin’ilay fandriana teo akaikin’ny azy. “Zavatra mandalo fotsiny ihany ny fananana, fa ny zavatra manan-danja dia ny fianakavianay,” hoy izy.

Fony izy 21 taona dia nifindra monina tany Etazonia niaraka tamin’ny fianakaviany rahavavy Aburto. Tamin’izy nipetraka tao San Francisco Californie dia nampihaonina tamin’ny misiônera izy ka nanapa-kevitra ny ho avy any am-piangonana. “Raha vao niditra tao amin’izany trano izany aho dia afaka nahatsapa ny Fanahy. Fihaonamben’ny tsatòka tamin’izay, ary tsapako fa ny hafatra tsirairay avy dia natao ho ahy,” hoy izy. Natao batisa izy tamin’ny 1989.

Nandritra izany fotoana izany no nihaonany tamin’i Carlos Aburto, dia lasa mpinamana izy ireo. Nanohy nifanoratra izy ireo na dia tamin’ny fotoana nifindran-drahavavy Aburto tany Orem Utah aza. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Jordan River Utah izy ireo tamin’ny 08 mey 1993. Manan-janaka telo izy.

Rahavavy Aburto, izay notohanana ho ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ny 1 aprily 2017 dia niasa tao anatin’ny orinasan’ny fandikan-teny nandritra ny 25 taona mahery, anisan’izany ny tao amin’ny Novell Inc. sy Lemoine International. Manana orinasa kely mpandika teny izy mivady amin’izao fotoana izao. Nianatra momba ny génie industriel tao amin’ny Central American University tao Managua Nicaragua izy nandritra ny efa-taona ary nahazo diplôme d’associé tamin’ny informatique avy tao amin’ny Utah Valley State College tamin’ny 1997.

Efa nanompo tamin’ny antso maro karazana tato amin’ny Fiangonana Rahavavy Aburto, ka anisan’izany ny naha-mpikambana azy tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Kilonga maneran-tany nanomboka tamin’ny 212 ka hatramin’ny 216.