2017
Lalam-panovozana fahalalana-Pathway
May 2017


Lalam-panovozana fahalalana-Pathway

Ny Fiadidiana Voalohany dia nanambara ny famoronana rafitra vaovao momba ny fianarana ambaratonga ambony ho an’ny rehetra ao amin’ny Fiangonana, izay antsoina hoe BYU–Pathway Worldwide. Io rafitra vaovao io dia hanomboka hiasa amin’ny 1 mey 2017. Io rafitra io dia hanome fahafahana hianatra ho an’ireo izay tsy afaka ny hahazo izany amin’ny fomba hafa.

“Ny lalam-panovozana fahalalana-Pathway dia tetezana iampitana any amin’ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony ao amin’ny Internet ary lalana hahazoana ireo fahafahana hahazoana loharanom-bola hivelomana mahomby,” hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.