2017
Sharon Eubank
May 2017


Sharon Eubank

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany

Sary
Sharon Eubank

Fony mpiasa vaovao tao amin’ny Sampan-draharaha fanampiana olona an’ny Olomasin’ny Andro Farany i Sharon Eubank dia nahita maso ny fijaliana, ny alahelo ary ny fahoriana izay nahatonga azy tsy afaka niasa tsara araka ny tokony ho izy. Tamin’ny alalan’ny vavaka no nahatonga azy hahatakatra fa na dia afaka manampy ny Tompo hikarakara ireo zanany aza izy dia tsy andraikiny ny manaisotra izany alahelo izany. “I Jesoa Kristy no tompon’andraikitra ny amin’izany. Izy no hitondra io enta-mavesatra io. Vahoakany ireo, ary mahare sy mamaly ny vavak’izy ireo Izy.” Izany valim-bavaka izany dia nanova ny fahafahany nanampy sy nanompo.

Taona vitsy taty aoriana, rehefa tale mpitantana ny Asa fiantrana an’ny Olomasin’ny Andro Farany (LDS Charities), ilay fikambanana misahana ny fanampiana olona an’ny Fiangonana, Rahavavy Eubank dia nandefa fanampiana sy nampitombo ny fizakan-tena ho an’ireo sahirana manerana izao tontolo izao.

Notohanana ho ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany izy tamin’ny 1 aprily 2017, ary mbola hanohy hitana ny anjara andrakiny amin’ny maha-tale mpitantana ny Asa fiantrana an’ny Olomasin’ny Andro Farany azy. Nanazava izy hoe misy “rohy lehibe” mampifandray ny Asa fiantrana an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny Fikambanana Ifanampiana, ka izany no mahatonga ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany mitana ny anjara asan’ny talen’ny Asa fiantrana an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

I Sharon dia teraka tamin’ny 1963 tao Redding Californie Etazonia, ary izy no vavimatoa amin’i zanaka fiton’i Mark sy Jean Eubank.

Nahazo ny mari-pahaizana maîtrise tamin’ny fianarana teny anglisy sy tantara avy tao amin’ny Brigham Young University ao Provo Utah Rahavavy Eubank ary nanompo tao amin’ny Misiônan’i Helsinki Finlande.

Ankoatra ny asany tao amin’ny Departemantan’ny Asa fanasoavan’ny Fiangonana dia niasa tao amin’ny Capitol Hill tao Washington, D.C Etazonia rahavavy Eubank, sy nanana orinasa kely iray nitambarana tamin’olon-kafa, ary nipetraka tany ivelany tany Japana sy Frantsa.

Ny fahafahana tsirairay nananany dia “asa natao tamim-pinoana” izay nanampy azy hianatra ny fahaiza-manao ampiasainy amin’izao fotoana izao. Izany dia namela azy hihaona tamin’ny olona mahafinaritra tsy mpikambana sy mpikamban’ny Fiangonana, ary nahatonga azy ho tia sy hankafy ny maro amin’ireo kolontsaina sy fiteny ary sakafo eto amin’izao tontolo izao.