2017
Loholona John C. Pingree Zanany
May 2017


Loholona John C. Pingree Zanany

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Elder John C. Pingree Jr.

“Ny fijoroana ho vavolombelona ananako dia niorina tsikelikely, rehefa nandeha ny fotoana, tamin’ny alalan’ ny fahazoana valim-bavaka, ny fahatsapana ny Fanahy rehefa mamaky soratra masina, ny fibebahana, ary ny fanompoana ny Tompo,” hoy ny Loholona John C. Pingree Zanany, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 1 aprily 2017.

Izy izay naterak’i Carmen sy John C. Pingree Rainy, tamin’ ny 1966 tao Salt Lake City, Utah, Etazonia dia nanome voninahitra ny finiavan’ireo ray aman-dreniny mba hanefena ny fiainany.

“Ny ampitson’ny nahaterahako dia nanoratra taratasy ho ahy ny raiko,” hoy ny Loholona Pingree. “Notehiriziny izany taratasy izany, ary taty aoriana, rehefa nandeha nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno aho dia nalefany taty amiko izany. Nahitana pejy maromaro mirakitra ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy ny lesona tiany ianarako mandritra ny fiainako ao anatin’ilay taratasy. Rehefa namaky izany aho dia nijoro ho vavolombelona tamiko ny Fanahy fa ny zavatra nampianarin’ny ray aman-dreniko ahy momba ny famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia fahamarinana.”

Nanompo tao amin’ny Misiônan’i Massachusetts Boston, izay mampiasa ny teny espaniôla ny Loholona Pingree.

Nahazo mari-pahaizana amin’ny lalam-piofanana tamin’ ny teny anglisy sy ny science pôlitique avy tao amin’ny Oniversiten’i Utah izy ary maîtrise en administration des affaires avy tao amin’ny Harvard Business School. Nanambady an’i Anne Pugsley izy tamin’ny Martsa 1990, ary manan-janaka dimy izy ireo.

Nifantoka tamin’ny fanampiana ny hafa ny ankabeazan’ny asa fivelomana nataony. Filohan’ny fikambanana mpanampy olona eo amin’ny lafin’ny fitsaboana izy ary filoha lefitra tao amin’ny orinasa roa mikarakara momba ny fahasalamana.

Filohan’ny Misiônan’i Texas Houston izy nanomboka tamin’ny 211 ka hatramin’ny 214 ary efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, filohan’ny tsatòka, eveka, filohan’ny kôlejin’ ny loholona, ary mpampianatra institiota sy seminera.

“Hoy ny Tompo hoe -raha irinareo, dia ianareo no ho fitaovana amin’ ny fanaovan-tsoa be amin’ ity taranaka ity- (F&F 11:8),” hoy ny Loholona Pingree. “Amiko, ny Tompo dia milaza hoe -Afaka mampiasa anao Aho hanao soa eo amin’ny fiainan’ny olona hafa, raha avelanao hanao izany Aho.- Raha mitady fotoana ahafahana hanao zavatra isika dia hampiasa antsika hitahy olona hafa ny Ray any An-danitra.”