2017
Vokatra sy loharanom-pitaovana vaovao
May 2017


Vokatra sy loharanom-pitaovana vaovao

Inty misy famintinana ireo vokatra sy loharanom-pitaovana vaovao navoakan’ny Fiangonana vao haingana mba ho azo ampiasaina.

Tantara ao amin’ny soratra masina sy boky azo lokoina. Mba hamporisihana ny fandalinan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ny soratra masina dia mamoaka boky vaovao misy tantara ao amin’ny soratra masina ny Fiangonana, ka izany dia manomboka amin’ny andiana boky azo lokoina natao ho an’ny ankizy 2 ka hatramin’ny 8 taona. Misy amin’ny endriny PDF azo alaina maimaim-poana ao amin’ny scripturestories.lds.org, ary ireo boky vita printy dia azo vidina ao amin’ny store.lds.org sy amin’ireo Ivontoerana mpaninjara.

Ireo boky azo lokoina ireo dia hadika amin’ireo fiteny izay manana soratra masina amin’ny edisiônan’ny Olomasin’ny Andro farany. Ireo boky voadika dia ho lasa azo ampiasaina mandritra ny taona 2017, manomboka amin’ny fiteny Espaniôla, Pôrtogey, Frantsay, Japoney, Kôreana, Sinoa (nentin-drazana), Alemana, Rosiana, ary Italiana.

Soratra masina. Ny Fiadidiana Voalohany dia nanambara ny fisian’ ny dikanteny vaovao ho an’ny triptikan’ny soratra masina amin’ny teny Frantsay, izay azo jerena ao amin’ny écritures.lds.org sy ao amin’ny application ho an’ny finday ao amin’ny Bibliothèque de l’ Évangile. Ilay fandikan-teny dia ahitana fanovana teny kely monja ao amin’ny iray amin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo. Izy ireo ihany koa dia nanambara fa efa azo jerena en ligne ny triptika voadika amin’ny fiteny Krôaty. Ireo triptika natonta printy amin’ny fiteny Krôaty, Rosiana ary Islandika dia navoaka vao haingana ihany koa ary efa azo ampiasaina.

Fanampiana ho an’ny fianakaviana manana olana amin’ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy. Mba hanampiana ny mpikambana haneho fihetsika amin-kalefahana sy amim-pisainana tsara rehefa sendra ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy ao amin’ny fianakaviany, na eo anivon’ny samy mpikambana, na any amin’ny toeran-kafa dia misy loharanom-pitaovana azo ampiasaina, ka anisan’izany ny tranonkala vaovao mormonandgay.lds.org sy ny Lohahevitra ao amin’ny filazantsara momba ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy (amin’ny teny anglisy) izay nasiam-panovana, ary tafiditra ao anatin’izany ireo fanontaniana apetraka matetika sy ny fampianaran’ny Fiangonana.

Ny application Bibliothèque de l’ Évangile nasiam-panovana Ny application ampiasain’ny mpikambana manerana izao tontolo izao mba handalinana ny soratra masina, ny lahateny tamin’ny fihaonambe, ary ireo fitaovana hafa dia namoaka fanovana lehibe vao haingana na ho an’ny iOS na ho an’ny Android. Ao amin’ny version 4 dia tsy sarotra fantarina ireo fitaovana hoenti-mandalina, miaraka kokoa ny caractéristiques sy ny fonctionnalité, ary misy horonantsary vaovao fampianarana izay azo ampiasaina. Koa satria efa azo asiana fanamarihana daholo ireo zavatra voarakitra ao amin’izao fotoana dia afaka manisy loko miavaka, manisy fanamarihana, mampifandray, manisy tag, ary mandamina ny votoatin-javatra rehetra ao anatin’ny fandraisana naoty ianao. Ianao dia afaka manisy marika ireo horonantsary, ireo sasin-tenin’ny toko ao amin’ny soratra masina sy ireo fanampiana amin’ny fandalinana, ireo lisitra ao amin’ny boky fampianaran-desona isan-karazany, ireo fihirana sy hiran’ny Kilonga, sy ny maro hafa.

Ny application Outils SDJ nasiam-panovana. Manamora ny fankanesana any amin’ny tempoly ny version 3.2.0 an’ny application Outils SDJ ho an’ny finday na tablettes. Misy caractéristiques fanampiny nampidirina izay mamela ireo mpikambana hahita ny tempoly asaina alehan’izy ireo, hahita ireo tempoly dimy akaiky azy ireo indrindra, hifandray amin’ny tempoly iray na hamantatra ny fotoana hikatonan’izany, ary hahazo fampahatsiahivana mialoha ny maha-lany daty ny fahazoan-dalan’izy ireo.