2017
Tempoly vaovao dimy
May 2017


Tempoly vaovao dimy

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanambara mikasika ny fisian’ny drafitra hanorina tempoly dimy fanampiny, izay hita any amin’ireto tanàna manaraka ireto:

Brasília, Brésil Ny Tempolin’i Brasília Brésil no ho tempoly fahafolo ao Brésil, ka tafiditra ao anatin’izany ny tempoly enina izay am-perinasa ary telo hafa izay nambara na mbola eo an-dalam-panorenana. Ankoatra an’i Etazonia sy i Mexique dia Olomasin’ ny Andro Farany betsaka kokoa (1,3 tapitrisa mahery) noho ny any amin’ny firenen-kafa no mipetraka any Brésil. I Brésil dia manana mponina miisa 211 tapitrisa eo ho eo.

Grand Manille, Philippines. Io tempoly io no ho faharoa ao Manille ary fahefatra ao Philippines. Misy Olomasin’ny Andro Farany miisa 750.000 eo ho eo ao Philippines, ary ahitana mponina miisa 104 tapitrisa.

Nairobi, Kenya. Ilay tempoly dia handray mpikambana 30.000 mahery ao Afrika atsinanana, ka anisan’izany ny mpikambana miisa 13.000 ao Kenya, izay ahitana mponina miisa 48 tapitrisa. Izy io dia hahatonga ny isan’ny tempoly am-perinasa na eo an-dalam-panorenana na nambara ho valo ao Afrika.

Pocatello, Idaho, Etazonia. Ny Tempolin’i Pocatello Idaho no ho tempoly fahenina ao Idaho, izay firenena ahitana Olomasin’ny Andro farany eo ho eo amin’ny 450.000 sy mponina miisa 1,7 tapitrisa.

Saratoga Springs, Utah, Etazonia. Io tempoly io dia ho hita ao amin’ny iray amin’ireo faritra misy mpikambana mitombo isa haingana indrindra ao Utah ary ho lasa tempoly faha-18 ao amin’ilay faritra. I Utah izay misy ny foiben’ny Fiangonana dia manana mpikambana 2,1 tapitrisa, ary manana mponin’ny faritra eo ho eo amin’ny 3,1 tapitrisa.

Ireo tempoly dimy nambara dia mahatonga ny fitambaran’isan’ireo tempoly am-perinasa (155) sy ireo tempoly nambara na eo an-dalam-panorenana/an-dalam-panavaozana (27) ho 182 manerana izao tontolo izao.

Hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 216 dia vita ny fanokanana ny Tempolin’i Fort Collins Colorado, ny Tempolin’i Star Valley Wyoming, ary ny Tempolin’i Hartford Connecticut ao Etazonia, ary naverina notokanana ny Tempolin’i Suva Fidji.

Ireo fanokanana amin’ny ho avy dia voalamina araka ny voalaza eto ambany:

Tempoly

Daty hanaovana ny fanokanana

Paris, Frantsa

21 mey 2017

Idaho Falls Idaho (Etazonia)

4 jona 2017 (famerenana fanokanana)

Tucson Arizona (Etazonia)

13 aogositra 2017

Meridian, Idaho (Etazonia)

19 novambra 2017

Cedar City Utah (Etazonia)

10 desambra 2017

Nisy ny fangadiana fototra ho an’ny Tempolin’i Winnipeg Manitoba (Kanada), ny Tempolin’i Kinshasa Republique Démocratique du Congo, ny tempolin’i Barranquilla Colombie, ny Tempolin’i Arequipa Pérou, ary ny Tempolin’i Rio de Janeiro Brésil.

Ankoatra izay, eo am-pitohizan’ny fanorenana ny Tempolin’i Rome Italie dia napetraka ao amin’ny ivontoerana natao ho an’ny mpitsidika ny sarivongan’i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôly Roambinifolo tany am-piandohana, ary napetraka eo amin’ny tendron’ ny tilikambo ny sarivongan’ny anjely Môrônia.