2017
Cristina Franco
May 2017


Cristina B. Franco

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany

Sary
Cristina B. Franco

Fony mbola kely rahavavy Cristina B. Franco dia nianatra fa raha manana fanontaniana izy dia afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra mba hahazo valiny.

“Tadidiko ny nanatonako ny reniko tamin’izaho 11 taona teo ho eo ka nametraka fanontaniana iray momba ny fotopampianarana taminy,” hoy izy. “Namaly ny fanontaniako izy saingy nilaza tamiko hoe -aza mino be ny teniko ianao.- Noho izany dia nivavaka aho ary nanontany ny Raiko any An-danitra raha marina ilay izy.”

Voavaly ny vavaka nataony ary nanomboka tamin’izay ka hatramin’izao dia fantany fa manana Ray any An-danitra izay tia azy sy hamaly ny vavaka ataony izy.

I Cristina Beatriz Fragas, izay notohanana tamin’ny 1 aprily 2017 ho ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany dia teraka tamin’ny 1958 tao Buenos Aires Argentine, ary zanak’i Hugo R. sy Maria A. Godoy Fraga.

Tamin’izy telo taona dia nandondona ny varavaran’ny ray aman-dreniny ny misiônera. Rehefa avy nianatra sy nandeha tany am-piangonana tao anatin’ny valo volana teo ho eo dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny ray aman-dreniny ka nanomboka nitaiza ny fianakaviany tao anatin’ny filazantsara. Tao amin’ny Kilonga izy no nihaona tamin’i Rodolfo C. Franco; ankizy iray izay lasa namany akaiky taty aoriana.

Teo amin’ny faha-18 taonany dia nifindra tany Utah Etazonia ny fianakavian-drahavavy Franco. Tamin’izany fotoana izany dia nahafantatra izy sy i Rodolfo fa te hivady izy ireo, saingy voantso hanompo tao amin’ny tafik’i Argentine tao anatin’ny fotoana fohy izy. Nifanoratra izy ireo, ary rehefa vita ny fanompoana ara-miaramila nataony dia nivady tao amin’ ny Tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 15 desambra 1978. Manan-janaka telo lahy izy.

Nanara-dia ny rain’i rahavavy Franco izay mpanamboatra famantaranandro izy mivady ka dia niasa tao amin’ny trano fivarotana famantaranandro iray tao Salt Lake City efa ho telopolo taona.

Efa nanompo tamin’ny antso maro tao amin’ny Fiangonana rahavavy Franco. Nanompo tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Kilonga maneran-tany izy nanomboka tamin’ ny 2005 ka hatramin’ny 210 ary, tamin’ny fotoana niantsoana azy ho ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany dia nanompo niaraka tamin’ny vadiny izy rehefa niahy ny Misiônan’i Resistencia Argentine.