2017
Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe
May 2017


Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe

Ireto zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ireto dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Neil L. Andersen

(58) Nahita ny Mpamonjy sy ireo izay “nandresy izao tontolo izao” ny Filoha David O. McKay. Narary voa ny Loholona Bruce D. Porter kanefa nandresy izao tontolo izao izy tamin’ny alalan’ny fitiavany ny Mpamonjy.

David A. Bednar

(67) Nanampy misiônera niverina izay diso fanantenana i David A. Bednar.

Mark A. Bragg

(36) Nanavotra ireo sary hosodoko misy an’i Jesoa Kristy tao amin’ny ivontoeran’ny tsatòka iray main’ny afo ireo mpamono afo.

M. Joseph Brough

(23) Nandre fitarihana feno fahendrena avy tamin’ny reniny ny rain’i M. Joseph Brough. Fony zatovolahy i M. Joseph Brough dia nikatsaka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra rehefa niomana ny hamoy ny alikany. Tao amin’ny tempoly no nianaranan’i M. Joseph Brough fa miahiahy momba azy ny Ray any An-danitra.

Linda K. Burton

(12) Namelona ny fianakaviany i Drusilla Hendricks rehefa nanjary nalemy ny vadiny. Nanompo ny hafa sady nitolona tamin’ny homamiadana ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana iray.

Gérald Caussé

(75) Noho ny seminera dia nahazo toerana ambony kokoa i Gérald Caussé, fony 30 taona. (86) Nahita fomba hanompoan’ny zatovolahy iray ny mpikambana tao amin’ny paroasy iray.

Yoon Hwan Choi

(90) Nampianatra an’i Yoon Hwan Choi ny rainy hoe: “Aza mijery ny manodidina anao, fa miandrandrà.” Voatahy i Choi kely raha nanao asa fitoriana ny ray aman-dreniny. Ny fiantsoana an’i Yoon Hwan Choi ho ao amin’ny Fitopololahy dia midika hoe hihena ny fotoana hiarahany amin’y fianakaviany kanefa faly ny zanany lahy satria “fianakaviana mandrakizay” izy ireo.

L. Whitney Clayton

(97) Nanoro hevitra ireo mpikambana sahiran-tsaina tao amin’ny paroasiny ny eveka tanora iray mba hazoto amin’ireo fampiharana finoana fototra.

Weatherford T. Clayton

(26) Hitan’i Weatherford T. Clayton ny fifaliana entin’ny zaza vao teraka ho an’ny reniny. Taorian’ny nahafatesan’ny renin’ny zanakavavy roa dia nahita fankaherezana tamin’ny alalan’ny finoany ny Mpamonjy izy ireo.

Quentin L. Cook

(127) Ny zanakalahin’i Quentin L. Cook, izay efa-taona, dia “afaka manao ny zavatra rehetra ankehitriny.” Fony mbola zatovolahy i Quentin L. Cook, dia nahazo fanamafisana avy tamin’ny Fanahy momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy. Nitombo fahendrena sy hasina i Parley P. Pratt tamin’ny fijanonana ho mahatoky na dia teo aza ny fahoriana.

Bonnie H. Cordon

(6) Nangataka ny hamaky soratra masina bebe kokoa ny zafikelilahin’i Bonnie H. Cordon. Ny fiadanana tsapany avy tamin’ny vavaka nataon’ny reniny dia nanome risi-po an’i Bonnie H. Cordon mba hankatò ny Tompo. Ny olona iray mararin’ny homamiadana dia nahazo tanjaka sy herim-po hiatrika ny aretiny tamin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa.

Valeri V. Cordón

(55) Fony zatovolahy i Valeri V. Cordón dia nahita ny fianakaviany voatahy noho ny fandoavana fahafolonkarena.

Joaquin E. Costa

(112) Raha nandray ireo lesona avy tamin’ny misiônera i Joaquin E. Costa dia nanetry tena izy ary nandray ny fibebahana ho ilay lalana mankany amin’ny fitomboana sy fahasambarana.

Henry B. Eyring

(15) Namela ny Fanahy Masina hanazava ny tranokely vy nanaovana ny fivoriana fanasan’ny Tompo ireo mpikambana feno fanetrentena tany Autriche Namela an’i Henry B. Eyring hahita ny zanany lahy kely pelika araka ny ahitan’ Andriamanitra azy ny Fanahy Masina.

(19) Na ny teknôlôjia tsara indrindra aza dia tsy mahasolo ny fanambarana ho an’ny tena manokana.

(82) Niantehitra tamin’ilay fampanantenana fa ho ao am-pony ny Fanahy Masina ary hanohana azy ny anjely i Henry B. Eyring rehefa nanao asa fanompoana ao amin’ny fisoronana.

C. Scott Grow

(121) Nanao asa fitoriana ny ray aman-dreny sy rafozan’i C. Scott Grow. Nanatri-maso ny fivoarana ara-panahin’ny Loholona Neal A. Maxwell i C. Scott Grow.

Joy D. Jones

(87) Nitandrina ny fampanantenany tamin’ny ray aman-dreniny tsy handrabiraby ny zandriny vavy dimy taona ny zokilahy iray.

Carol F. McConkie

(9) Ny filohan’ny kilasin’ny toho-tantely iray izay 13 taona monina any Ghana dia nanampy ireo namany hanao ny raharaha ao an-trano mba hahafahan’izy ireo mandeha any am-piangonana.

Russell M. Nelson

(39) Nitandrina ny fanolorantenany handray anjara amin’ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampian’ny tsatòka ny ravintsara iray na dia voaroaka tamin’ny fifaninana iray teo amin’ny faritra aza.

S. Mark Palmer

(114) Fony filohan’ny misiôna i S. Mark Palmer dia nianatra “nijery” ireo misiônera sy nitia azy ireo araka ny itiavan’ny Ray sy ny Zanaka azy ireo.

Ronald A. Rasband

(93) Nampiasa ny tongony hanakanana ny varavarana iray tsy hikatona i Ronald A. Rasband fony izy misiônera. Nahatsapa ho notaomim-panahy hitsidika sy hanome tsodrano ireo mpikambana tany Equateur taorian’ny horohoron-tany tany ny Loholona Ronald A. Rasband. Namporisika ireo misiônera mba hanao asa araka ny bitsika voalohany voaray i Ronald A. Rasband fony izy filohan’ny misiôna.

Dale G. Renlund

(29) Ao amin’ny Les Misérables, nandrisika an’i Jean Valjean hanova ny fiainany ny famindrampon’ny eveka iray. Norabiarabiana sy nenjehina i Dale G. Renlund raha mbola zatovo tany Eorôpa izy.

Gary B. Sabin

(52) Niaritra hatsiaka nandritra ny alina manontolo ny zazalahy skoto iray. Nitsamboatra niverina foana ny sac de boxe azo abontsika satria “nijoro ao anatiny izy.” Nampianatra tantsambo namana roa izay talanjona tamin’ny ohatra tsara nasehony ny rain’i Gary B. Sabin.

Joseph W. Sitati

(33) Nanavao ny fanoloratenany hanompo an’ Andriamanitra amim-pahazotoana ny misiônera amin’ny fotoana feno iray rehefa fantany fa nody mandry ny anabaviny.

Gary E. Stevenson

(117) Talanjona tamin’ny lesona ho an’ny takarivan’ny mpianakavy nataon’ny zazalahy sivy taona iray i Gary E. Stevenson. Niaro an’i Gary E. Stevenson mbola kely tamin’ny bibilava iray ny bitsika iray. Niaro ireo misiônera nandritra ny horohoron-tany iray tany Japana ny bitsika azon’ny filohan’ny misiôna iray. Nahazo fankaherezana avy tamin’ny Fanahy Masina ireo olona tao amin’ny fianakaviana iray taorian’ny lozam-piarakodia mahatsiravina iray.

Dieter F. Uchtdorf

(104) Faly amin’ny fahavitan’ny Tempolin’i Madrid Espagne i Dieter F. Uchtdorf na dia tsy voasa tamin’ny fanokanana aza. Ny Filoha James E. Faust dia nilaza tamin’i Dieter F. Uchtdorf mba tsy “hankafy loatra” ny dera avy amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nampianatra ireo mpitarika vaovao ny Filoha J. Reuben Clark Jr. mba hanaraka ny lalàna fahenina. Ny filohan’ny tsatòka teo aloha iray dia nilatsaka an-tsitrapo mba hanadio rehefa avy mandalo ny soavaly nandritra ny filaharana tao an-tanàna.