Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
“Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?”
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


“Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?”

Inona avy ireo zavatra azonao atao eo amin’ny fiainanao manokana mba hanehoana fa ny Tompo no tianao ambonin’ny zavatra rehetra?

Tamin’ny nôvambra 2019 dia nitsidika ny Tany Masina izaho sy ny namako iray. Rehefa tonga tany izahay dia namerina namaky sy nandalina ireo soratra masina momba ny fiainan’i Jesoa Kristy. Indray maraina dia nijoro teo amin’ny morontsiraka avaratra andrefan’ny Ranomasin’i Galilia izahay, izay toerana mety nihaonan’i Jesoa tamin’ireo mpianany taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, araka izay vakintsika ao amin’ny Jaona toko faha 21, dia nanarato nandritra ny alina manontolo i Petera sy ireo mpianatra hafa fa tsy nahazo na inona na inona.1 Nony maraina dia nahita lehilahy iray nijoro teo amoron-dranomasina izy ireo, izay niteny azy ireo hanipy ny haratony tao amin’ny sisiny ilan’ny sambokeliny. Talanjona izy ireo fa feno tamin’ny fomba mahagaga ilay harato.2

Fantatr’izy ireo avy hatrany fa ny Tompo ilay lehilahy, ka dia nihazakazaka izy ireo hiarahaba Azy.

Rehefa nisarika ilay harato feno hazandrano ho eny an-tanety izy ireo dia hoy i Jesoa hoe: “Avia hisakafo.”3 Nitantara i Jaona fa “Rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesoa tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?”4

Rehefa nijoro teo amin’izany morontsiraka izany aho dia tonga saina fa iray amin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra izay mety hapetraky ny Mpamonjy amiko indray andro any io fanontaniana io. Toy ireny reko ireny ny feony manontany hoe: “Russell, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?”

Tianao ho fantatra ve hoe inona no tian’i Jesoa horesahina rehefa nanontany an’i Petera Izy hoe: “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?”

Raha ampifandraisina amin’ny tenantsika amin’izao fotoana izao io fanontaniana io, dia mety hanontany antsika ny Tompo mikasika ny fahafenoan’ny fotoantsika sy ireo fitaomana tsara sy ratsy izay mifaninana hanintona ny fifantohantsika sy handany ny fotoantsika. Mety hanontany ny tsirairay avy amintsika Izy raha tia Azy mihoatra ny zavatra eto amin’izao tontolo izao isika. Izany dia mety ho fanontaniana mikasika ny zavatra tena omentsika lanja eo amin’ny fiainana, ny olona arahantsika, ary ny fomba fahitantsika ny fifandraisantsika amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika sy ny mpiara-monina amintsika. Na mety hanontany ny zavatra tena mitondra fifaliana sy fahasambarana ho antsika Izy.

Moa ve ny zavatra eto amin’ity tontolo ity mitondra ho antsika ilay fifaliana sy fahasambarana ary fiadanana izay natolotry ny Mpamonjy an’ireo mpianany sy atolony antsika? Izy irery ihany no afaka mitondra fifaliana sy fahasambarana ary fiadanana marina ho antsika amin’ny alalan’ny fitiavana Azy sy ny fanarahana ny fampianarany.

Ahoana no hamaliantsika ilay fanontaniana hoe: “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?”

Rehefa fantatsika ny hevitra feno kokoa fonosin’io fanontaniana io, dia afaka ny ho tonga olona ao amin’ny fianakaviana, mpiara-monina, olom-pirenena, mpikamban’ny Fiangonana, ary zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra tsaratsara kokoa isika.

Amin’izao taonako izao dia efa nanatrika fandevenana maro aho. Azoko antoka fa maro aminareo no nahatsikaritra ny zavatra tsikaritro. Rehefa manome voninahitra ny fiainan’ny olona iray nodimandry ao amin’ny fianakaviana na namana iray, dia mahalana raha misy no hiresahan’ilay olona mandray fitenenana mikasika ny haben’ny tranon’ilay olona, na ny isan’ny fiarany, na ny volany any amin’ny banky. Raha ny mahazatra dia tsy miresaka mikasika ireo zavatra navoaka tao amin’ny tambajotran-tserasera izy ireo. Mandritra ny ankamaroan’ny fandevenana izay efa natrehako dia mifantoka amin’ny fifandraisan’ilay havan-tiany taman’olona izy ireo, ny fanompoany ny hafa, ny lesona sy ny traikefa azony teo amin’ny fiainana, ary ny fitiavan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

Aza raisina amin’ny heviny diso ny teniko. Tsy milaza aho akory fa tsy mety ny manana trano tsara sy fiara tsara, na ratsy ny fampiasana tambajotran-tserasera. Ny tiako holazaina dia hoe tsy manan-danja firy ireo zavatra ireo rehefa tena dinihina raha ampitahaina amin’ny fitiavana ny Mpamonjy.

Rehefa tia sy manaraka Azy isika dia mino Azy. Mibebaka isika. Manaraka ny ohatra nasehony isika ary hatao batisa sy mandray ny Fanahy Masina. Maharitra hatramin’ny farany isika ary mijanona amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mamela heloka an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ny mpiara-monina amintsika isika amin’ny alalan’ny tsy fitanana lolompo. Miezaka amim-pahazotoana ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra isika. Miezaka ny ho mpankatò isika. Manao sy mitandrina fanekempihavanana isika. Manaja ny raintsika sy ny renintsika isika. Mamela ny fitaomana ratsin’izao tontolo izao. Manomana ny tenantsika ho amin’ny Fiaviany Fanindroany isika.

Vakintsika ao amin’ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” ny hoe: “Mbola hiverina eto an-tany [i Jesoa] indray andro any. … Hanapaka amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka sy hanjaka amin’ny maha-Tompon’ny tompo Azy Izy, ary handohalika ny lohalika rehetra ary ny lela rehetra hidera Azy. Isika tsirairay dia mbola hijoro hotsaraina eo anatrehany araka ny asa sy ny fanirian’ny fontsika.”5

Amin’ny maha-isan’ireo Apôstôly nanao sonia ilay tahirin-kevitra “Ilay Kristy Velona” ahy, dia afaka milaza aho fa ny fahafantarana fa i Jesoa “no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao”6 dia manome ahy faniriana lehibe kokoa ny hitia Azy kokoa isan’andro.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa tia antsika Izy ireo. Mampianatra ny soratra masina hoe: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”7 Mampianatra ihany koa ny soratra masina fa i Jesoa dia “tia fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny ainy mba ho tonga [zanakalahy sy zanakavavin’] Andriamanitra izay rehetra mino.”8

Tia antsika fatratra ny Ray any An-danitra ka nanomana ny drafitry ny famonjeny Izy izay misy Mpamonjy mitana anjara fototra ao anatin’izany drafitra izany. Ary tia antsika fatratra i Jesoa ka rehefa nanontany ny Ray any An-danitra tany amin’ilay Filankevitra lehibe tany an-danitra hoe “Iza no hirahako?” Dia namaly i Jesoa, izay voalohan-teraka tamin’ireo fanahy zanaky ny Ray rehetra hoe: “Inty Aho, iraho Aho.”9 Hoy Izy tamin’ny Ray hoe: “Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay.”10 Nirotsaka an-tsitrapo i Jesoa ho Mpamonjintsika sy Mpanavotra antsika mba ahafahantsika ho tonga tahaka Azy ireo ary hiverina eo anatrehan’Izy ireo.

Ireo soratra masina roa ireo dia mampianatra ihany koa fa mila mino isika mba hahafahana miverina eo anatrehan’Izy ireo. Mila mino an’i Jesoa sy ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana isika. Ny hoe mino dia midika hoe mitia sy manaraka ny Mpamonjy antsika ary mitandrina ny didy, na dia ao anatin’ny fitsapana sy fifandirana aza.

Tsy milamina ny tontolo ankehitriny. Hita ao ny fahadisoam-panantenana, ny tsy fitovian-kevitra, ny fijaliana, ary ny zavatra mampiala amin’ny fifantohana.

Ny Filoha Dallin H. Oaks, rehefa nandaha-teny tamin’ny 2017, dia nilaza izao manaraka izao: “Fotoana tena sarotra izao, feno ahiahy goavana: ady sy tabataban’ady, mety hampirongatra ny areti-mifindra, hain-tany, tondra-drano, ary fiakaran’ny hafanan’ny tany.”11

Tsy tokony hiala ao amintsika ny fitiavana an’i Jesoa sy ny fanantenana Azy, na dia miatrika olana toa mandifotra antsika aza isika. Tsy hanadino antsika na oviana na oviana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa. Tia antsika Izy ireo.

Tamin’ny ôktôbra tamin’ny taona lasa dia nampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ny fametrahana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika ny Filoha Russell M. Nelson. Nampianatra antsika ny Filoha Nelson fa isan’ny dikan’ilay teny hoe Isiraely ny hoe “aoka Andriamanitra no hanjaka.”12

Nametraka tamintsika tsirairay avy ireto fanontaniana ireto izy hoe: “Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao? Moa ve ianao hamela ny teniny sy ny didiny ary ny fanekempihavanany hitarika ny zavatra ataonao isan’andro? Moa ve hoavelanao ho lohalaharana eo amin’ny zavatra hafa rehetra ny feony? Vonona ve ianao hamela izay rehetra ilainy ataonao ho lohalaharana mihoatra ny fanirianao hafa rehetra? Vonona ve ianao hanao izay hahavoatelina ny sitraponao ao amin’ny sitrapony?”13

Tokony hahatsiaro mandrakariva isika fa ny fanasambarantsika marina dia miankina amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra, amin’i Jesoa Kristy, ary ny fifandraisana eo amintsika.

Fomba iray hanehoana ny fitiavantsika ny fiarahana amin’ny fianakaviana, ny namana, ary ireo mpiara-monina mba hanao zavatra kely vitsivitsy mba hifanompoana bebe kokoa. Manaova zavatra mahatonga ity tontolo ity ho toerana tsaratsara kokoa.

Inona avy ireo zavatra azonao atao eo amin’ny fiainanao manokana mba hanehoana fa ny Tompo no tianao ambonin’ny zavatra rehetra?

Rehefa mifantoka amin’ny fitiavana ny namantsika tahaka ny itiavany azy ireny isika, dia manomboka tena tia marina ireo olona manodidina antsika.14

Mamerina manontany indray aho hoe ahoana no hamaliantsika ilay fanontanian’ny Mpamonjy hoe: “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?”

Rehefa mieritreritra io fanontaniana io tahaka izay nataoko ianao, dia mivavaka aho mba hamalianao tahaka ny nataon’i Petera fahiny elabe hoe “Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho,”15 ary avy eo dia maneho izany amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ny olona rehetra manodidina anao.

Mijoro ho vavolombelona aho fa fitahiana ho antsika ny fananana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mba hitarika antsika amin’ny fomba fiainantsika sy hifampitondrantsika. Manjary fantatsika ao Aminy fa sarobidy Aminy ny zanakavavy sy zanakalahin’ Andriamanitra rehetra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy malalantsika. Izy Ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra. Ary izany fijoroana ho vavolombelona izany no zaraiko amim-panetrentena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.