Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ireo fahagagana avy amin’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Ireo fahagagana avy amin’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy

Fantatro fa afaka mitondra fanantenana sy fiadanana ary fifaliana ho antsika ny filazantsarany, tsy amin’izao ihany fa mbola hitahy olona hafa tsy tambo isaina amin’ny taranaka ho avy koa izany.

Mabuhay! Mitondra aminareo ny fitiavana sy ny tsikin’ireo Olomasina mahafinaritra ao Filipina aho. Ity taona ity dia manamarika ny faha-60 taonan’ny nahatongavan’ireo misiônera voalohany tany amin’ireo nosy ao Filipina. Ankehitriny dia ahitana misiôna 23 sy mpikamban’ny Fiangonana 800.000 mahery ao anatin’ny tsatòka miisa 123 any. Misy tempoly fito amperinasa na eo am-panorenana na efa nambara any izao. Tena fahagagana izany. Manatri-maso ny fahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny 2 Nefia 10:21 isika izao manao hoe: “Lehibe ny fampanantenan’ny Tompo amin’ireo izay eo amin’ny nosin-dranomasina.”

Sary
Ny Filoha Hinckley tany Filipina

Io fahagagana io ihany koa dia fahatanterahan’ilay faminaniana nomena tao anatin’ny vavaka nataon’ny Loholona Gordon B. Hinckley tamin’izany tao Manille tamin’ny 1961. Tao anatin’izany vavaka izany ny Loholona Hinckley dia nilaza hoe: “Mangataka ny fitahianao izahay mba hirotsaka eo amin’ireo vahoaka amin’ity nosy ity, mba ho sariaka sy mahay mandray vahiny izy ireo, ary ho tsara fanahy sy ho mafinaritra amin’ireo izay ho avy eto, ary ho maro, eny Tompo ô, mivavaka izahay mba [ho maro], ho an’arivony maro no handray ity hafatra ity ary hotahian’izany. Ianao anie hanome azy ireo saina malady sy fo mahay mihaino, sy finoana entina mandray, ary herim-po entina miaina ireo fitsipiky ny filazantsara” (vavaka fanokanana tany amin’ny American War Memorial Cemetery, Philippines, apr. 28, 1961).

Sary
Ny fianakaviana Revillo

Ankoatra ireo Olomasin’ny Andro Farany mahatoky an’arivony maro dia maro, dia nitondra fiovana tsara teo amin’ny firenena sy ny vahoaka ao ny fahagagana avy amin’ny filazantsara. Vavolombelona nanatri-maso izany aho. Enina taona aho fony niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny ray aman-dreniko tao amin’ny nosin’i Mindanao any atsimo. Tamin’izany fotoana izany dia iray monja ny misiôna nisy tao amin’ilay firenena iray manontolo ary tsy nisy tsatòka. Feno fankasitrahana mandrakizay noho ny herim-po sy ny fanoloran-tenan’ireo ray aman-dreniko hanaraka ny Mpamonjy aho. Manome voninahitra azy ireo aho sy ireo mpisava lalana rehetra tao amin’ny Fiangonana ao Filipina. Nanomana ny lalana izy ireo mba hitahiana ny taranaka fara mandimby.

Hoy i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Ary ankoatra izany dia mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy” (Môzià 2:41).

Rehefa miaina sy mankatò ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara isika, dia voatahy sy voaova ary miova fo ka lasa tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa. Toy izany ny nanovan’ny filazantsara sy nitahiany ny Olomasina Filipiana, tafiditra amin’izany ny fianakaviako. Tena lalana mitondra amin’ny fiainana sambatra sy miroborobo tokoa ny filazantsara.

Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Filipiana maro no mino an’ Andriamanitra amin’ny fomba voajanahary. Mora ho anay ny matoky an’i Jesoa Kristy sy ny mahafantatra fa afaka mahazo valim-bavaka izahay.

Sary
Ny fianakaviana Obedoza

Ohatra lehibe amin’izany ny fianakaviana Obedoza. Ny Rahalahy Obedoza no filohan’ny sampana nisy anay fony aho zatovolahy. Ny fanirian-dRahalahy sy Rahavavy Obedoza lehibe indrindra dia ny hofehezina amin’ny fianakavian’izy ireo ao amin’ny tempolin’i Manille. Nipetraka tao amin’ny tanànan’i General Santos izy ireo, izay 1.600 km miala an’i Manille. Ho an’ilay fianakaviana izay misy olona sivy dia toa tsy ho azo tanterahina ny hanao dia mankany amin’ny tempoly. Saingy tahaka ilay mpandranto nandeha nivarotra ny fananany rehetra hividianana vato soa iray sarobidy (jereo ny Matio 13:46–49), dia nanapa-kevitra ilay mpivady ny hivarotra ny tranon’izy ireo mba hahafahana mandoa ny saran’ilay dia. Niahiahy Rahavavy Obedoza satria tsy hanana trano hiverenana izy ireo. Saingy nanome toky azy Rahalahy Obedoza fa efa nanomana lalana ho amin’izany ny Tompo.

Nofehezina ho fianakaviana mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay tao amin’ny tempoly izy ireo ny taona 1985. Nahita fifaliana tsy manam-paharoa, dia ilay vato soa sarobidiny izy ireo tao amin’ny tempoly. Ary marina tokoa ny tenin-dRahalahy Obedoza fa nanomana lalana tokoa ny Tompo. Rehefa niverina avy tany Manille izy ireo dia nisy olom-pantany tsara fanahy nanome azy ireo toerana hipetrahana, ary nahazo ny tranony ihany izy ireo nony farany. Mikarakara an’ireo izay maneho finoana Azy ny Tompo.

Ny fitsipika faharoan’ny filazantsara dia ny fibebahana. Ny fibebahana dia fialana amin’ny fahotana sy fitodihana amin’ Andriamanitra mba hahazoana famelan-keloka. Fanovana ny fomba fisainana sy fiovam-po izany. Araka ny ampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: [ny fibebahana] dia ny “[fanaovana sy ny fahatongavana] ho tsaratsara kely kokoa isan’andro” (“Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67).

Misy itovizana be amin’ny savony ny fibebahana. Fony aho injeniera tanora nahavita fianarana momba ny simia dia niasa tamina orinasa mpamokatra savony tao Filipina. Nianatra ny fomba fanamboarana savony aho sy ny fizotry ny fahavitan’izany. Rehefa afangaro ny menaka sy ny base alcaline iray ka ampiana zavatra mamono bakteria, dia mamorona singa iray mahery vaika izay afaka mamono bakteria sy viriosy izany. Tahaka ny savony, ny fibebahana dia mpanadio. Manome fahafahana antsika hanala ny lotontsika sy ireo fakontsika taloha izany mba hahatonga antsika ho mendrika ny hiaraka amin’ Andriamanitra, satria “tsy misy zavatra tsy madio afaka mandova ny fanjakan’ [Andriamanitra]” (Almà 11:37).

Amin’ny alalan’ny fibebahana no ahazoantsika ny hery manadio sy manamasin’i Jesoa Kristy. Singa manan-danja amin’ny dingan’ny fiovam-po izany. Izany no nitranga tamin’ireo Antia-Nefia-Lehia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Lamanita niova fo tanteraka izy ireo ka “tsy nihemotra na oviana na oviana” (jereo ny Almà 23:6–8). Nalevin’izy ireo ny fitaovam-piadiany ary tsy nandray izany intsony izy ireo. Naleon’izy ireo maty toy izay hivadika amin’izany fanekempihavanana izany. Ary nasehon’izy ireo izany. Fantatsika fa nitondra fahagagana ny sorona nataon’izy ireo: olona an’arivony izay niady tamin’izy ireo no nanary ny fiadiany ka niova fo. Taona maro taty aoriana dia voaro tamin’ny ady izay tsy nampoizina hoe hahazoany fandresena ny zanakalahin’izy ireo, izay fantatra amin’ny hoe zatovo miaramila mahery.

Sary
Ny rain’ny Loholona Revillo

Nandalo dingan’ny fiovam-po mitovy amin’izany ny fianakaviako sy ny Olomasina Filipiana maro. Rehefa nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izahay sy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia nanova ny fombanay sy ny kolontsainay izahay mba hifanaraka amin’ny filazantsara. Nila namela ireo fomba fanao ratsy izahay. Hitako izany tamin’ny raiko rehefa nahafantatra ny filazantsara izy ary nibebaka. Mpifoka sigara be izy, nefa nariany ny sigarany ary tsy nokasihiny intsony izany. Noho ny fanapahan-keviny hiova dia taranaka efatra miainga avy aminy no voatahy.

Sary
Ireo taranaka ao amin’ny fianakaviana Revillo

Ny fibebahana dia mitarika antsika hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ny alalan’ireo ôrdônansy masina. Ny ôrdônansy voalohany ho an’ny famonjena sy ny fisandratana dia ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana. Ny batisa dia manome fahafahana antsika handray ny fanomezana ny Fanahy Masina sy hanao fanekempihavanana iray amin’ny Tompo. Afaka manavao io fanakempihavanan’ny batisa io isika isan-kerinandro rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Fahagagana ihany koa izany!

Ry Rahalahy sy Ranabavy, manasa anareo aho mba hitondra io fahagagana io eo amin’ny fiainanareo. Manatòna an’i Jesoa Kristy ary safidio ny hampihatra ny finoanao Azy. Mibebaha ary ataovy sy tandremo ireo fanekempihavanana hita ao amin’ireo ôrdônasin’ny famonjena sy ny fisandratana. Izany dia hanome fahafahana anao hiray zioga amin’i Kristy ary hahazo ny hery sy ny fitahiana avy amin’ny toetra araka an’Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20).

Mijoro ho vavolombelona aho fa tena misy i Jesoa Kristy ary velona sy tia antsika tsirairay Izy. Fantatro fa afaka mitondra fanantenana sy fiadanana ary fifaliana ho antsika ny filazantsarany, tsy amin’izao ihany fa mbola hitahy olona hafa tsy tambo isaina amin’ny taranaka ho avy koa izany. Izany no mahatonga ny tsiky mahafinaritra sy feno fitiavana eny amin’ireo Olomasina Filipiana. Izany no fahagagana avy amin’ny filazantsara sy ny fotopampianaran’i Kristy. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.