Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mivavaka aho mba hampiasany antsika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Mivavaka aho mba hampiasany antsika

Ireo ezaka kely mitambatambatra dia mitondra fiantraikany lehibe, manatsara ireo zavatra tsirairay ataontsika mpianatr’i Jesoa Kristy.

Ity mofomamy vita amin’ny paty phyllo sy voanjo ity dia fanehoam-pisaorana. Ry Kadado mianakavy, izay nanana toerana fivarotana mofo miisa telo nandritra ny am-polo taonany maro tao Damaskosy Syrie, no nanao izany. Rehefa tonga ny ady dia nisy sakan-dalana napetraka izay nanakana ny sakafo sy ny vatsy tsy ho tonga tany amin’ny faritra nisy azy ireo tao amin’ilay tanàna. Nanomboka tratran’ny mosary ry Kadado mianakavy. Rehefa tena halohalika ny ranombary tao anatin’izany toe-java-nisy tena sarotra izany, dia nanomboka nandroso sakafo mafana isan’andro, niaraka tamin’ny ronono ho an’ny zaza madinika ny Fikambanana mpanao asa soan’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny mpiasa vitsivitsy tao amin’ny Rahma Worldwide. Taorian’ny fotoan-tsarotra iray dia nanomboka indray ny fiainany, sy nanokatra indray ny toerana fivarotany mofo, tao amin’ny firenena iray vaovao ilay fianakaviana.

Vao tsy ela izay dia tonga tao amin’ny biraon’ny Fiangonana ny boaty feno mofomamy iray miaraka amin’izao hafatra manaraka izao: “Nandritra ny roa volana mahery dia niezaka naka sakafo tao amin’ny lakozian’ny Fikambanana mpanao asa soan’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny Rhama izahay. Raha tsy teo io fikambanana io dia ho matin’ny mosary izahay. Mba raiso azafady ity … santionany kely avy ao amin’ny tsenako ity mba ho fanehoam-pisaorana kely. Mangataka an’ Andriamanitra Tsitoha aho mba hitahy anareo … amin’izay rehetra ataonareo.”1

Mofomamy maneho fankasitrahana sy fahatsiarovana ny soa natao. Miantefa aminareo izany fisaorana izany. Ho anareo rehetra izay nivavaka rehefa avy nijery tantara tamin’ny vaovao, ho anareo rehetra izay nirotsaka an-tsitra-po na dia nanahirana aza ny nanao izany, na nanome vola tamin-kalemem-panahy mba harotsaka ao amin’ny kitapom-bola ho an’ny asa fanampiana olona, izay natoky fa hitondra soa izany, dia misaotra anareo.

Andraikitra masina hikarakara ny mahantra

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia nahazo didy avy amin’ Andriamanitra mba hikarakara ny mahantra.2 Isan’ireo andry iankinan’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana izany.3 Ny zavatra marina tamin’ny andron’i Almà dia tena marina ihany koa ho antsika amin’izao: “Ary dia toy izany, tamin’izany fotoam-panambinana izany, no tsy mba nandroahany izay nitanjaka, na izay noana, na izay nangetaheta, na izay marary, na izay tsy nihinana; ary tsy mba nanankina ny fony tamin’ny harena izy; noho izany izy dia nalala-tanana tamin’ny rehetra, na antitra na tanora, na mpifatotra na olona afaka, na lahy na vavy, na olona ivelan’ny fiangonana, na ao anatin’ny fiangonana, tsy nanavakavaka olona tamin’ireo izay fadiranovana.”4

Ny Fiangonana dia mandray izany andraikitra izany amin’ny fomba maro isan-karazany, ka isan’izany:

  • ny fanompoana ataontsika amin’ny alalan’ny Fikambanana Ifanampiana, ireo kôlejin’ny fisoronana, ary ireo kilasy;

  • ny fifadian-kanina sy ny fampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina;

  • ireo toera-pambolena sy fiompiana ary famokarana sakafo am-bifotsy ho fanampiana olona;

  • ireo ivontoerana fandraisana olona ho an’ireo mpifindra monina;

  • ny fandaharan’asa fanampiana ireo voafonja;

  • ireo asa fanampiana olona ataon’ny Fiangonana;

  • ary ny application JustServe, any amin’ireo toerana misy azy, izay mandamina ireo mpilatsaka an-tsitrapo hifanaraka amin’ireo fahafahana hanao asa fanompoana mifanentana aminy.

Ireo rehetra ireo dia fomba, alamina amin’ny alalan’ny fisoronana, izay hitondran’ireo ezaka kely mitambatambatra fiantraikany lehibe, manatsara ireo zavatra tsirairay ataontsika mpianatr’i Jesoa Kristy.

Manana andraikitra hiahy ny tany manontolo ireo mpaminany

Manana andraikitra hikarakara ny tany manontolo ireo mpaminany, fa tsy ireo mpikamban’ny Fiangonana fotsiny ihany. Azoko atao tatitra avy amin’ny zavatra niainako manokana fa tena raisin’ny Fiadidiana Voalohany manokana sy amim-pahafoizan-tena izany andraikitra izany. Noho ny fitomboan’ireo zavatra ilaina, dia namporisika antsika ny Fiadidiana Voalohany mba hampitombo amin’ny fomba manan-danja ny asa fanampiana olona ataontsika. Liana amin’ny zavatra malaza indrindra sy ny antsipirian-javatra kely indrindra izy ireo.

Vao haingana izahay no nitondra teo amin’izy ireo ny iray amin’ireo fitafiana ho an’ny mpitsabo izay nozairin’ny Beehive Clothing ho an’ireo hôpitaly mba ho ampiasaina mandritra ny valanaretina. Noho izy dokotera mpitsabo dia tena liana tokoa ny Filoha Russell M. Nelson. Tsy hoe te hahita ilay izy fotsiny izy. Te hisalotra ilay izy koa izy, hijery ny kalitaon’ny moron’ny tanan’akanjo sy ny halavany ary ny fomba famatorana ilay izy ao an-damosina. Hoy izy avy eo taminay tamim-pientanam-po hoe: “Rehefa mihaona amin’ny olona ianareo amin’ny andraikitra nampanaovina anareo dia isaory izy ireo noho ny fifadian-kanina ataony, ny fanatitra natolony, ary ny fanompoana ataon’izy ireo amin’ny anaran’ny Tompo.”

Tatitra momba ny asa fanampiana olona

Noho ny fangatahana nataon’ny Filoha Nelson, dia manao tatitra aminareo aho mikasika ny fomba hitondran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy fanampiana hiatrehana ireo rivo-doza, horohoron-tany, famindrana toerana ny mpitsoa-ponenana, eny fa na dia valanaretina aza, noho ny hatsaram-panahin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireo namana maro. Raha ireo tetikasa mihoatra ny 1.500 mahakasika ny COVID-19 no zavatra lehibe indrindra nifantohan’ny fanampiana nataon’ny Fiangonana tao anatin’ireo 18 volana farany, dia nanampy tamin’ny loza voajanahary miisa 933 sy tamin’ny olana mahakasika ny mpitsoa-ponenana tao anatin’ny firenena 108 ihany koa ny Fiangonana. Saingy tsy mahalaza ny zava-nitranga rehetra ny antontanisa. Mamelà ahy hizara ohatra efatra fohy mba hahafahana mahazo santionany kely amin’ny zavatra natao.

Fanampiana amin’ny COVID tany Afrika Atsimo

I Dieke Mphuti avy ao Welkom, Afrika Atsimo, izay enina ambin’ny folo taona, dia namoy ny ray aman-dreniny taona maro lasa izay, ka izany dia namela azy hikarakara irery ireo zandrikeliny miisa telo. Fanamby goavana foana ho azy ny nitady sakafo ampy, saingy nahatonga izany ho efa saika tsy azo notanterahina ny tsy fahampian’ny vatsy sy ny fihibohana noho ny COVID. Matetika izy ireo no noana, miantehitra amin’ny fahalalahan-tanan’ny mpiray monina mba hijanonany ho velona.

Sary
Dieke Mphuti

Indray andro mibaliaka tamin’ny aogositra 2020, dia gaga i Dieke raha nisy nandondona ny varavarany. Nosokafany ny varavarana dia nahita olona roa tsy fantany tao izy, ny iray dia solontenan’ny Fiangonana avy ao amin’ny biraon’ny vondromparitra ao Johannesbourg ary ilay iray hafa dia tompon’andraikitra avy ao amin’ny Departemantan’ny Fampandrosoana ara-tsosialy ao Afrika Atsimo.

Niara-niasa ireo fikambanana roa ireo mba hanatitra sakafo any amin’ireo tokantrano tena sahirana. Nahatsapa ho maivamaivana ery i Dieke rehefa nanopy ny masony teo amin’ilay antontana vovokatsaka sy foto-tsakafo hafa, novidiana tamin’ny vola avy amin’ny kitapom-bola ho an’ny asa fanampiana olona ataon’ny Fiangonana. Hanampy azy hamelona ny fianakaviany mandritra ny herinandro maro izany mandra-panombohan’ny fanampiana avy amin’ny governemanta mipaka any aminy.

Ny tantaran’i Dieke dia isan’ireo zavatra niainana an’arivony toy izany izay mitranga manerana izao tontolo izao mandritra ny valanaretina COVID, ary izany no nitranga dia noho ny anjara biriky natokanareo ho amin’izany.

Fanampiana nentin’i Ramstein ho an’ny mponina avy ao Afghanistan

Isika rehetra dia nahita sary vao haingana tamin’ny fampahalalam-baovao: mpitsoa-ponenana an’arivony nentina nisidina hiala tao Afghanistan. Maro no tonga tao amin’ireo toby miaramila na tao amin’ireo toerana vonjy maika tao Qatar, Etazonia, Alemana, ary Espaina talohan’ny nanohizany nankany amin’ny toerana tena tokony handehanany. Nila fanampiana teo no ho eo izy ireo, dia nanampy tamin’ny fanomezana vatsy sy mpirotsaka an-tsitrapo ny Fiangonana. Tao amin’ny tobin’ny miaramila tao Ramstein ao Alemana, ny Fiangonana dia nanome fanomezana maro nahitana tatin-jaza, rononon-jazakely, sakafo, ary kiraro.

Sary
Fanomezana entina hanampiana mpitsoa-ponenana
Sary
Vehivavy manjaitra fitafy ho an’ireo mpitsoa-ponenana Afghan

Nahatsikaritra ny sasany tamin’ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana fa nampiasa ny lobaky ny vadiny ny vehivavy Afghane maro mba hanaronany ny lohany satria nisy nisintona tao anatin’ny sahotaka tany amin’ny seranam-piaramanidina tao Kaboul ny saron-doha nentin-drazan’izy ireo. Ho fanehoana finamanana izay naharesy izay mety ho fetra napetraky ny fivavahana na ny kolontsaina dia nivondrona ireo rahavavy tao amin’ny Paroasy Voalohany ao Ramstein mba hanjaitra fitafy silamo nentin-drazana ho an’ireo vehivavy Afghane. Hoy Rahavavy Bethani Halls hoe: “Nahare izahay fa nila fitafiana hoentina mivavaka ireo vehivavy, dia manjaitra izahay mba [hahazoan’izy ireo aina] rehefa mivavaka.”5

Fanampiana tamin’ny horohoron-tany tao Haïti

Ity ohatra manaraka ity dia mampiseho fa tsy voatery hanan-karena ianao na efa lehibe vao afaka ny ho fitaovana mba hanasoa olona. I Marie “Djadjou” Jacques izay valo ambin’ny folo taona dia avy ao amin’ny Sampana Cavaillon ao Haïti. Rehefa namely ny faritra nanakaiky ny tanàna nisy azy ny horohoron-tany nandravarava tamin’ny volana aogositra, dia isan’ireo trano an’aliny nirodana ny tranon’ny fianakaviany. Efa hila ho tsy vita ny haka sary an-tsaina ny famoizam-po aterak’izany famoizana trano fonenana izany. Saingy nahagaga fa naleon’i Djadjou niezaka nieritreritra izay hanjo ny hafa toy izay nanaiky ho resin’izany famoizam-po izany.

Sary
Marie Jacques
Sary
Horohoron-tany tao Haïti

Associated Press

Nahita mpiray monina zokiolona iray sahirana tokoa izy ka dia nanomboka nikarakara azy. Nanampy ny hafa nanaisotra ireo potipoti-javatra izy. Na dia teo aza ny harerahany dia niaraka tamin’ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana izy mba hizara sakafo sy fitaovam-pidiovana ho an’ny hafa. Ny tantaran’i Djadjou dia isan’ireo ohatry ny asa fanompoana tena tsara maro izay nataon’ny zatovo sy ny tanora rehefa niezaka nanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy izy ireo.

Fanampiana tamin’ny tondra-drano tao Alemana

Herinandro vitsy monja talohan’ilay horohoron-tany dia nisy andian-tanora hafa nanao asa fanompoana mitovy amin’izany tany ampitan’ny ranomasimbe Atlantika. Ilay tondra-drano izay namely ny faritra andrefana tao Eorôpa tamin’ny jolay no nahery vaika indrindra tao anatin’ireo am-polotaonany maro izay.

Sary
Tondra-drano tany Alemana

Rehefa nihena ny rano nony farany, dia nijery akaiky ny zavatra simba ny mpivarotra iray teo amin’ilay distrika amoron’ny rano tao Ahrweiler Alemana, ary dia tototry ny asa tanteraka izy. Ity lehilahy nanetry tena ity, izay Katôlika feno fanoloran-tena, dia nivavaka moramora tamin’ Andriamanitra mba handefasany olona hanampy azy. Ny ampitson’io mihitsy dia tonga teny amin’ilay lalana niaraka tamina andiana misiônera manao akanjo Manome Tanana miloko mavo i Dan Hammon izay Filohan’ny Misiôna ao Francfort Alemana. Nahatratra teo amin’ny 3 metatra ny haavon’ny rano teo amin’ny rindrin’ilay mpivarotra, ka namela antontam-potaka lalina. Ireo mpirotsaka an-tsitrapo dia nangady ny fotaka hiala, nanaisotra ireo karipetra sy rindrina vita amin’ny plâtre, ary nanangona ireo zavatra rehetra teny an-dalana mba hoesorina. Niara-niasa tamin’izy ireo nandritra ny ora maro ilay mpivarotra diboky ny hafaliana, talanjona fa nandefa andiany tamin’ireo mpanompony mba hamaly ny vavaka nataony, ary tao anatin’ny 24 ora, ny Tompo!6

“Mivavaka aho mba hampiasany antsika”

Indray mandeha ny Loholona Jeffrey R. Holland, rehefa niresaka momba ny asa fanampiana olona ataon’ny Fiangonana dia niteny hoe: “Ny vavaka dia valiana … amin’ny ankamaroan’ny fotoana … amin’ny alalan’ny fampiasan’ Andriamanitra olona hafa. Mivavaka aho mba hampiasany antsika. Enga anie isika mba ho valim-bavaky ny olona.”7

Ranadahy sy rahavavy, valin’ny vavaka marobe ianareo tamin’ny alalan’ny fanompoanareo, ny fanatitrareo, ny fotoanareo, ary ny fitiavanareo. Kanefa dia mbola maro ny zavatra tokony hataontsika. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana vita batisa antsika dia manao fanekempihavanana ny hikarakara ireo sahirana isika. Tsy voatery ilàna vola na fandehanana any amin’ny toerana lavitra be ny ezaka ataontsika tsirairay;8 fa mila kosa ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy fo feno fahavononana hiteny amin’ny Tompo hoe: “Inty aho, iraho aho.”9

Ny taona ankasitrahan’ny Tompo

Voarakitra ao amin’ny Lioka 4 ny hoe nankany Nazareta i Jesoa, izay toerana nahabe Azy, dia nitsangana tao amin’ny synagoga mba hamaky teny. Efa antomotra tamin’izany ny hiantombohan’ny fanompoany teto an-tany, dia nindrana andalan-tsoratra masina tao amin’ny bokin’i Isaia Izy hoe:

“Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; [efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy]; naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina,

“Hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah. …

“Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.”10

Mijoro ho vavolombelona aho fa tanteraka amin’izao androntsika izao koa io soratra masina io. Mijoro ho vavolombelona aho fa tonga mba hanasitrana ny torotoro fo i Jesoa Kristy. Ny filazantsarany dia natao mba hampahiratra ny jamba. Ny Fiangonany dia natao mba hitory fanafahana ho an’ny mpifatotra, ary miezaka manafaka izay nampahoriana ireo mpianany manerana izao tontolo izao.

Mamelà ahy hamarana amin’ny alalan’ny famerenana ilay fanontaniana napetrak’i Jesoa tamin’i Simona Petera Apôstôliny hoe: “Moa tia Ahy va hianao?”11 Ny toetry ny filazantsara dia hita amin’ny fomba hamaliantsika manokana an’io fanontaniana io sy hamahanantsika ny ondriny.”12 Amin’ny fanehoam-panajana sy fitiavana lehibe an’i Jesoa Kristy Tompontsika no anasako antsika tsirairay avy mba handray anjara amin’ny fanompoany lehibe, ary “mivavaka aho mba hampiasany antsika.” Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Abdul Razaq, fifandraisana manokana, mey 2021.

  2. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:17–18.

  3. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.2.2, ChurchofJesusChrist.org.

  4. Almà 1:30.

  5. Bethani Halls, nindramina ao amin’ny “Aiding Afghan Evacuees,” ny teniny, Europe Area Welfare and Self-Reliance Newsletter, aog. 2021.

  6. Avy amin’i Dan Hammon (Filohan’ny misiônan’i Francfort, Alemana), email ho an’i Ty Johnson, 2021.

  7. Jeffrey R. Holland, “Neonatal Resuscitation with Elder Holland” (horonan-tsary), The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 10 nôv. 2011, youtube.com.

  8. Jereo ny Sharon Eubank, “16 Things You Can Do to Be a Humanitarian,” 3 ôkt. 2021, ChurchofJesusChrist.org.

  9. Isaia 6:8; jereo koa ny Abrahama 3:27.

  10. Lioka 4:18–19, 21.

  11. Jereo ny Jaona 21:15–17.

  12. Jaona 21:15–17.