Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tsy azo ovaina ny anaran’ny Fiangonana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Tsy azo ovaina ny anaran’ny Fiangonana

Rehefa manaraka an-tsitrapo ny torohevitry ny Tompo izay nambara tamin’ny alalan’ny mpaminaniny velona isika, indrindra raha mifanohitra amin’ny eritreritsika voalohany izany, mitaky fanetrentena sy fahafoizan-tena, ny Tompo dia mitahy antsika amin’ny hery ara-panahy fanampiny.

Nandritra ny valan-dresaka niarahana tamin’ny mpanaogazety natao ny 16 aogositra 2018 dia niteny ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny Tompo dia nampahafantatra ahy ny lanjan’ny anarana izay nomeny ho an’ny Fiangonany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany.1 Manana asa atao isika mba hanao izay hampifanaraka antsika amin’ny sitrapony.”2

Roa andro taorian’izay, tamin’ny 18 aogositra, dia tafaraka tamin’ny Filoha Nelson tany Montreal Kanadà ny tenako. Taorian’ny fivoriana ho an’ny mpikambana izay nataonay tao amin’ny Palais de Congrés izay toerana nahavariana tokoa dia namaly fanontaniana napetraky ny mpanao gazety ny Filoha Nelson. Niaiky izy fa ho “sarotra ny [hanova indray ny anaran’ny Fiangonana sy] hanafoana fomba fanao [iray] efa naharitra zato taona mahery.” Kanefa nampiany hoe: “Tsy azo ovaina ny anaran’ny Fiangonana.”3

Fito herinandro taty aoriana, dia niteny tamin’ny fihaonambe maneran-tany ny Filoha Nelson hoe: “Ny Tompo dia nampahafantatra ahy ny lanjan’ny anarana izay nomeny ho an’ny Fiangonany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. … Ny Mpamonjy Izy tenany mihitsy no niteny hoe: -Satria toy izany no hiantsoana ny fiangonako.-” Avy eo ny Filoha Nelson dia namerina nilaza hoe “Ny anaran’ny Fiangonana dia tsy azo ovaina.”4

Fanontaniana tsara iray

Nisy fanontaniana tsara nisy nametraka avy eo hoe: Nahoana no amin’izao fotoana izao, kanefa nandritra ny folo taona maro dia nekentsika ny anaram-bositra hoe “Môrmôna”? “Ny Amboaram-peon’ny Tabernakely Môrmôna,” ilay horonan-tsary fampahafantarana “Je suis Mormon,” ilay hiran’ny Kilonga manao hoe “I Am a Mormon Boy (Zazalahy Môrmôna aho)”?

Tsy miova ary maharitra mandrakizay ny fotopampianaran’i Kristy. Kanefa ireo dingana manokana sy manan-danja eo amin’ny asan’ny Mpamonjy dia ambara amin’ny fotoana mampety azy. Androany maraina ny Filoha Nelson dia nilaza fa: “Ny famerenana amin’ny laoniny dia dingana fa tsy tranga iray.”5 Ary ny Tompo dia nilaza hoe: “Tsy maintsy mitranga amin’ny fotoany avy ny zava-drehetra.”6 Izao no fotoana ho antsika, ary isika dia natao mba hametraka amin’ny toerany indray ilay anaran’ny Fiangonana izay nambara.

Ny maha-izy sy ny tanjona hiafaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mitaky ny hiantsoana antsika amin’ny Anarany. Vao haingana aho no tany Kirtland, Ohio, izay toerana naminanian’ny Mpaminany Joseph Smith, raha mbola vitsy monja ny mpikamban’ny Fiangonana, nanao hoe: “Handrakotra an’i Amerika Avaratra sy Atsimo ity Fiangonana ity, sy handrakotra izao tontolo izao.”7 Ny Tompo dia namariparitra ny asa atao mandritra ity fotoampitantanana ity ho “asa iray mahagaga sy mahatalanjona.”8 Niresaka momba ny “fanekempihavanana izay hotanterahina amin’ny andro farany,” ahafahana “[mitahy] ny … rehetra ambonin’ny tany.”9

Ireo hafatra amin’ity fihaonambe ity dia adika mivantana amin’ny fiteny miisa 55. Amin’ny farany dia horenesina sy hovakiana amin’ny fiteny 97 any amin’ny firenena sy faritra 220 mahery ireo hafatra ireo.

Sary
Ny Fiaviana fanindroany

Rehefa hiverina amin-kery sy voninahitra ny Mpamonjy, dia ho eo anivon’ireo firenena, vahoaka, firazanana ary kolontsaina rehetra eo amin’izao tontolo izao ireo mpikambana mahatoky ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ny fitaomana tsy mitsaha-mitombo ananan’ny Fiangonana

Ny zavatra entin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia tsy hiantefa fotsiny ihany amin’ireo izay mpikamban’ny Fiangonana. Noho ireo asan’ny lanitra amin’izao androntsika izao sy noho ny soratra masina tafaverina indray ety an-tany ary ny fanomezana ny Fanahy Masina feno hery, dia ho fahazavana mamiratra eo ambony tendrombohitra isika rehefa manamaizina izao tontolo izao ny aloka manjombon’ny tsy finoana an’i Jesoa Kristy. Na dia maro aza ireo izay hamela izao tontolo izao hampanjombona ny finoany ny Mpanavotra, isika dia “tsy hoesorina hiala eo amin’ny toeran[tsika].”10 Ireo Kristianina izay tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonantsika dia handray an-tanandroa ny anjara asantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona azo antoka ananantsika momba an’i Kristy. Eny fa na ireo Kristianina izay nijery antsika tamim-pisalasalana aza dia mbola handray antsika ho namana. Amin’ireo andro izay ho avy ireo dia ho antsoina amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika.

Misaotra anareo noho ny ezaka mendri-piderana ataonareo mba hanandratana ny anarana marin’ny Fiangonana. Nandritra ny fihaonambe telo taona lasa izay, dia nampanantena antsika ny Filoha Nelson fa “ny fampiasantsika am-pitandremana ny anaran’ny Fiangonan’ny Mpamonjy … dia hampitombo [ny finoantsika] ary hahazoan[tsika] hery ara-panahy lehibe kokoa.”11

Izany fampanantenana izany dia notanterahin’ireo mpianatra feno fanoloran-tena manerana izao tontolo izao.12

Ny Rahalahy Lauri Ahola avy any atsinanan’i Etazonia dia niaiky fa indraindray dia hafahafa taminy ny nizara ny anaran’ny Fiangonana feno. Kanefa noho ny torohevitry ny mpaminany dia nikiry nanao izany izy. Indray mandeha izy dia namangy namana iray tany amin’ny fiangonana hafa. Izao no nolazainy:

Nisy olom-pantatra iray nanontany hoe: “Môrmôna ve ianao?”

“-Mpikambana amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tokoa aho,- hoy aho. Nanomboka nametraka fanontaniana maro tamiko izy, izay nanomboka tamin’ny hoe: -Moa ve ny Fiangonana Môrmôna mino fa … ?- Ary isaky ny namaly aho dia natomboko tamin’ny hoe: -Ao amin’ny Fiangonan’i [Jesoa] Kristy naverina tamin’ny laoniny dia mino izahay fa …-

“… Rehefa tsikariny fa tsy nanaiky ilay fiantsoana hoe -Môrmôna- aho dia nanontaniany mivantana be fotsiny aho hoe: -Fa tsy Môrmôna angaha moa ianao?-

“Noho izany dia nanontany azy aho raha toa ka fantany hoe iza i Môrmôna. Tsy fantany. Nolazaiko taminy fa mpaminany … i Môrmôna [ary] voninahitra ho ahy ny nampitahaina [taminy].

“-Kanefa,- hoy aho nanohy, -i Môrmôna dia tsy maty ho an’ny fahotako. Tsy … nijaly tao Getsemane na koa maty teo amin’ny hazofijaliana [ho ahy] i Môrmôna. … I Jesoa Kristy no Andriamanitro sy Mpamonjy ahy. … Ary amin’ny anarany no tiako hahafantaran’ny olona ahy. …-

“… Taorian’ny fahanginana nandritra ny segaondra vitsy dia hoy ilay olom-pantatra hoe: -Hay ianao Kristianina!-”13

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Tsaroanareo ve ny tenin’ny Filoha Nelson? “Mampanantena anareo aho fa raha toa isika ka hanao ny tsara indrindra vitantsika mba hamerina amin’ny laoniny ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo, Izy izay tompon’ity Fiangonana ity no handrotsaka ny heriny sy ireo fitahiany amin’ny lohan’ireo Olomasin’ny Andro Farany toy izay mbola tsy fahitantsika.”14

Manokatra ny lalana ho antsika hatrany ny Tompo

Mitandrina mandrakariva ireo fampanantenany ny Tompo. Manokatra ny lalana ho antsika hatrany Izy rehefa manao ny asany isika.

Nandritra ny taona maro isika dia nanantena ny hividy ny domaine internet ho an’ny tranonkala ChurchofJesusChrist.org sy ChurchofJesusChrist.com. Samy tsy nisy namidy izy ireo. Tamin’ny fotoana nanaovan’ny Filoha Nelson filazana, dia nanjary samy azo novidiana tampoka teo izy roa ireo. Fahagagana izany.15

Ny Tompo dia nanome tosika ny ezaka nataonay hanova ireo anarana izay nampifandraisina tamin’ny Fiangonana hatry ny ela.

Amim-pandrosoana amim-pinoana, ny anaran’ny Amboarampeon’ny Tabernakely Môrmôna dia novaina ho Ny Amboarampeon’ny Tabernakely ao Temple Square. Ilay tranonkala LDS.org, izay nisy mpitsidika mihoatra ny 21 tapitrisa isam-bolana dia novaina ho ChurchofJesusChrist.org.16 Ny anaran’ny LDS Business College dia novaina ho Ensign College. Ny tranonkala Mormon.org dia nampidirina ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Mihoatra ny arivo ireo vokatra nitondra ny anarana hoe “Môrmôna” na nahitana ny hoe “OAF” izay novaina anarana. Nanova ny tranonkalany sy ny postcasts ary ny kaonty Twitter ampiasainy ireo Olomasin’ny Andro Farany mahatoky.

Sary
Marika famantarana vaovaon’ny Fiangonana

Nampiasa marika famantarana vaovao mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika

“Eo afovoan’ilay marika famantarana dia misy fanehoana an’ilay sarivongana vita amin’ny marbra hoe Christus izay nataon’i Thorvaldsen. Izy io dia maneho ilay Tompo velona efa nitsangana tamin’ny maty maninjitra ny tanany mba handray ireo rehetra izay hanatona Azy.

“Sary ohatra maneho izany fa mijoro eo ambanin’ny andohalambo i Jesoa Kristy [izay mampahatsiahy] antsika ny fivoahan’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty avy tao am-pasana.”17

Sary
Anaran’ny Fiangonana amin’ny karazam-piteny
Sary
Anaran’ny Fiangonana amin’ny fiteny fanampiny

Namboarina ho amin’ny fiteny mihoatra ny 50 ilay marika famantarana Ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nom de domaine vaovao maromaro no azo manerana izao tontolo izao.

Fankasitrahana noho ny fanampian’ny hafa

Ankasitrahantsika ireo olona tsara sy be indrafo maro izay nanaja ny faniriantsika ho antsoina amin’ny tena anarantsika. Vao haingana aho no namaky lahatsoratra iray izay nindrana ny tenin’ny kardinaly Katôlika iray niresaka mikasika “ny Olomasin’ny Andro Farany.”18 Rehefa nanao fitsidihana niaraka tamin’ny mpitariky ny fiangonana Kristianina iray aho, iray volana lasa izay tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia, dia niantso ny Fiangonana tamin’ny anarantsika feno izy rehefa nanonona izany voalohany, ary avy eo dia ny hoe “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy” no fiantsoana nampiasainy imbetsaka ho an’ny tohiny.”

Hitanay fa mety somary hanahirana ny haino aman-jery ny manampy teny enina amin’ny anarantsika, kanefa araka ny efa nambaran’ny Filoha Nelson hoe: “ny haino aman-jery tompon’andraikitra dia hanana fangorahana amin’ny famaliana ny fangatahantsika.”19 Misaotra anareo noho ny fanomezanareo anay lanja mahakasika ireo vondrona ara-kolontsaina na ara-panatanjahantena na ara-pôlitika na ara-piarahamonina amin’ny fampiasana ny anarana tianay iantsoana anay.

Hisy ireo olom-bitsy izay manantena ny handrava na hampihena ny maha-zava-dehibe ny asa anirahana anay ka hanohy hiantso anay hoe “Môrmôna” na “ny Fiangonana Môrmôna.” Amim-pahalalam-pomba no mbola angatahanay indray ireo haino aman-jery tsy mitanila mba hanaja ny fanirianay ho antsoina amin’ilay anaranay izay efa ho 200 taona izao.

Ny risi-pon’ny Olomasin’ny Andro Farany

An’arivony maro ireo Olomasin’ny Andro Farany izay nanambara tamin-kerim-po ny anaran’ny Fiangonana. Rehefa manao ny anjarantsika isika, dia hanaraka ireo hafa. Tiako ity tantara tany Tahiti ity.

Nanapa-kevitra ny hanaraka ny torohevitry ny Filoha Nelson i Iriura Jean izay ankizy folo taona.

“Niresaka momba ny faran’ny herinandro izy ireo tao am-pianarana … ka dia niresaka momba ny … fiangonana i Iriura.

“Hoy i Vaite Pifao mpampianatra azy hoe: -Ha, hay Môrmôna ianao?-

“Niteny tamim-pahasahiana i Iriura hoe: -Tsia … mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho!-

“Namaly ilay mpampianatra azy hoe: -Eny, … Môrmôna ianao.-

“Nanantitrantitra i Iriura hoe: -Tsia ry mpampianatra, mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho!-

“Talanjona i Madama Pifao tamin’ny faharesen-dahatra nananan’i Iriura ary nanontany tena izy hoe nahoana izy no nikiry nampiasa ilay anarana lava be an’ny fiangonany. [Nanapa-kevitra ny hahafantatra bebe kokoa ny Fiangonana izy.]

“[Taty aoriana, rehefa natao batisa Rahavavy] Vaite Pifao, dia [naneho fankasitrahana izy] noho ny nanarahan’i Iriura ny torohevitry ny Filoha Nelson.”20

Sary
Rahavavy iray nahafantatra momba ny Fiangonana noho ny mpianany

“Tsy azo ovaina ny anaran’ny Fiangonana.” Handeha isika handroso hatrany amim-pinoana. Rehefa manaraka an-tsitrapo ny torohevitry ny Tompo izay nambara tamin’ny alalan’ny mpaminaniny velona isika, indrindra raha mifanohitra amin’ny eritreritsika voalohany izany, mitaky fanetrentena sy fahafoizan-tena, ny Tompo dia mitahy antsika amin’ny hery ara-panahy fanampiny ary mandefa ny anjeliny hanohana antsika sy hijoro eo akaikintsika.21 Mandray ny faneken’ny Tompo sy ny fankatoavany isika.

Izaho dia vavolombelona nanatri-maso ny herin’ny lanitra izay mitoetra eo amin’ny Filoha Russell M. Nelson mpaminany malalantsika. Ny faniriana tena avy amin’ny fony dia ny ho ankasitrahan’ny Tompo sy hitahy ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra. Avy amin’ny traikefa masina sy an’ny tenako manokana no hijoroako ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Tompo azy. Mpaminanin’ Andriamanitra izy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa no Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny 3 Nefia 27:7–9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4.

  2. Russell M. Nelson, ao amin’ny “The Name of the Church,” Newsroom, Aug. 16, 2018, newsroom.ChurchofJesusChrist.org.

  3. President Nelson Discusses the Name of the Church,” Newsroom, Aug. 21, 2018, newsroom.ChurchofJesusChrist.org.

  4. Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona,, nôv. 2018, 87.

  5. Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 94.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:32.

  7. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 137.

  8. 2 Nefia 27:26.

  9. 1 Nefia 15:18.

  10. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17.

  11. Russell M. Nelson, “Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 114.

  12. Jereo ny Henry B. Eyring, “Toy izany no hiantsoana ny Fiangonako,” Liahona, ôkt. 2021, 6–9.

  13. Lauri Ahola, “Hafahafa tamiko ny nampiasa ny anarana fenon’ny Fiangonana saingy tsy nanenenana izany,” (lahatsoratra amin’ny endrika nomerika ihany), Liahona, apr. 2020, ChurchofJesusChrist.org.

  14. Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” 89.

  15. Ny Birao mitantana ny fiarovana ny zon’ny mpamorona an’ny Fiangonana no nanara-maso ny nom de domaine an’ny ChurchofJesusChrist.org nanomboka tamin’ny 2006, ary tsy mbola azo novidina izany. Nahavariana fa natolotra mba ho amidy tamin’ny fotoana nanaovan’ny Filoha Nelson filazana izany, dia novidian’ny Fiangonana tamin’ny vidiny mora dia mora ilay nom de domaine.

    Mitovy amin’izay ihany, ny Fiangonana dia nanomboka nanara-maso ny toetoetra sy ny fahafahana mividy ilay nom de domaine ChurchofJesusChrist.com nanomboka tamin’ny 2011. Tsy nampoizina fa lasa azo novidina ihany koa ilay izy tamin’ny aogositra 2018.

  16. Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2018 dia hoy ny Filoha Nelson hoe:

    “Ry rahalahy sy ranabavy, maro ireo antony omen’izao tontolo izao entina hanoherana ny famerenana amin’ny laoniny ny anarana marin’ny Fiangonana. Noho ny tontolo nomerika izay iainantsika, sy miaraka amin’ny fanatsarana ireo maoteram-pikarohana izay manampy antsika rehetra hahita ireo fampahalalana ilaintsika saika ho araka ny fotoana ilantsika azy avy hatrany, anisan’izany ny fampahalalana mahakasika ny Fiangonan’ny Tompo, ireo mpitsikera dia milaza fa tsy mety ny hanitsiana izany amin’izao fotoana izao. …

    “… Mampanantena anareo aho fa raha toa isika ka hanao ny tsara indrindra vitantsika mba hamerina amin’ny laoniny ny anarana marin’ny Fiangonan’ny Tompo, Izy izay tompon’ity Fiangonana ity no handrotsaka ny heriny sy ireo fitahiany amin’ny lohan’ireo Olomasin’ny Andro” (“Ny anarana marin’ny Fiangonana,” 88, 89).

    Hatramin’ny niovan’ny LDS.org ho ChurchofJesusChrist.org dia matanjaka lavitra noho ny heriny teo aloha ny fahafahan’ilay domaine mipoitra (ny fahafahana sy ny herin’ny tranonkala iray amin’ny filaharana amin’ny fisehoana ao anatin’ireo fitaovana fanaovana fikarohana). Ohatra, ny renim-pejin’ny ChurchofJesusChrist.org amin’izao fotoana izao, ary efa naharitra herintaona izany, no voka-pikarohana voalohany indrindra azo ao Etazonia ao amin’ny Google rehefa misy olona manao fikarohana momba ny teny hoe “fiangonana,” kanefa teo aloha izany dia tsy afaka nilaza ho nanana izany toeram-boninahitra izany.

  17. Russell M. Nelson, “Manokatra ny lanitra mba hahazoana fanampiana,” Liahona, mey 2020, 73.

  18. Jereo ny Tad Walch, “‘If We Can’t Get Along, It’s Downright Sinful’: The Partnership between Catholics and Latter-day Saints,” Deseret News, July 1, 2021, deseret.com.

  19. Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” 89.

  20. The Correct Name of the Church: A Tahitian Story,” Pacific Newsroom, Sept. 15, 2019, news-nz.ChurchofJesusChrist.org.

  21. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88.