Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Asao i Kristy mba ho mpanoratra ny tantaram-piainanao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Asao i Kristy mba ho mpanoratra ny tantaram-piainanao

Aoka ny tantaranao ho tantaran’ny finoana sy manaraka ny Ohatra alainao tahaka, dia i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Ho fanombohana dia hametraka fanontaniana maromaro aho entintsika mandini-tena:

  • Karazana tantaram-piainana manao ahoana no soratanao ho an’ny fiainanao?

  • Moa ve ny lalana soritsoritanao eo amin’ny tantaranao ety?

  • Moa ve ny tantaranao mifarana amin’ny toerana niaingany, any amin’ny fonenanao any an-danitra?

  • Misy ohatra alain-tahaka ve ao amin’ilay tantaranao, ary i Jesoa Kristy Mpamonjy ve izany?

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy no “Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy.” 1 Vonona ve ianao hanasa Azy ho mpanoratra sy mpanefa ny tantaranao?

Fantany hatraminʼny voalohany ny farany. Izy no Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Tiany isika hiverina any Aminy sy any amin’ny Raintsika any An-danitra. Tena miraharaha sy mikarakara ny momba antsika Izy ary tiany hahomby isika.

Inona no eritreretinao fa manakana antsika tsy hametrahantsika ny tantarantsika eo am-pelantanany?

Angamba mety hanampy anao ity sariohatra iray ity eo am-pandinihanao ny tenanao.

Ny mpisolovava mahay dia mahafantatra fa rehefa manao fanamarinana fanampiny amin’ny vavolombelona ianao dia tsy tokony hametraka fanontaniana izay tsy anananao valiny. Ny fametrahanao fanontaniana toy izany dia manasa ilay vavolombelona hiteny aminao sy amin’ny mpitsara, zavatra izay tsy mbola fantatrao. Mety hahazo valin-teny izay manaitra anao ianao izay mifanohitra amin’ny fizotran’ny fitsarana izay efa nomaninao.

Na dia tsy fahendrena aza amin’ny ankapobeny ny mametraka fanontaniana izay tsy anananao valiny amin’ny vavolombelona iray, dia ny mifanohitra amin’izay no marina ho antsika. Azontsika atao ny mametraka fanontaniana amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana, amin’ny anaran’ilay Mpamonjy antsika feno famindram-po, ary ny vavolombelona izay mamaly ny fanontaniantsika dia ny Fanahy Masina, izay mijoro mandrakariva ho vavolombelon’ny fahamarinana.2 Koa satria ny Fanahy Masina dia miasa amin’ny firaisam-po tanteraka miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia fantatsika fa azo ianteherana ny zavatra miseho amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Koa nahoana ary isika no miziriziry indraindray tsy hangataka izany karazana fanampiana avy any an-danitra izany, dia ilay fahamarinana aseho amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Nahoana isika no manemotra ny fametrahana fanontaniana izay tsy ananantsika valiny kanefa ilay vavolombelona dia tsy vitan’ny hoe tsara fanahy fotsiny fa hilaza amintsika mandrakariva ny marina ihany koa?

Ny antony angamba dia satria isika tsy manana ny finoana takiana hanekena ny valiny izay mety ho voaraintsika. Ny antony angamba dia satria ilay lehilahy na vehivavy araka ny nofo ao amintsika dia miziriziry tsy hametraka ny zavatra manontolo eo am-pelan-tanan’ny Tompo ka hahatoky Azy tanteraka. Mety izany no antony hisafidianantsika hijanona amin’ny tantara izay nosoratantsika ho an’ny tenantsika, endriky ny tantarantsika izay mampahazo aina ary tsy nasian’Ilay Mpanoratra Lehibe fanovana. Tsy tiantsika ny mametraka fanontaniana dia mahazo valiny izay tsy mifanaraka tanteraka amin’ny tantara izay soratantsika ho an’ny tenantsika.

Amim-pahatsorana dia vitsy amintsika no hanoratra ao amin’ny tantarantsika ireo fitsapana izay manadio antsika. Kanefa moa ve isika tsy tia ny fiafarana feno voninahitry ny tantara izay vakiantsika rehefa mandresy ny olana ny mpandray anjara fototra? Ny fitsapana no singa ao amin’ny fizotran’ny tantara izay mahatonga ireo tantara ankafizintsika ho lasa maharesy lahatra sy tsy mety lany andro sy mampiorina finoana ary mendrika ny ho tantaraina. Ireo olana tena kanto izay voasoratra ao amin’ny tantarantsika no mampanakaiky antsika amin’ny Mpamonjy sy manadio antsika, mahatonga antsika ho tahaka Azy kokoa.

Mba handresen’i Davida an’i Goliata, dia tsy maintsy nifanandrina tamin’ilay lehilahy goavana ilay zatovolahy. Ny tantara ho nety tamin’i Davida dia ny niverina niandry ondry. Tsy izay anefa fa nieritreritra izy ny zavatra niainany tamin’ny namonjeny ireo zanak’ondry tamin’ny liona sy ny bera. Ary niainga avy amin’ireo zava-bita feno herim-po ireo, dia nisikina ny finoana sy ny herim-po ilaina izy mba hamelana an’ Andriamanitra hanoratra ny tantarany, ary niteny hoe: “Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ny tanan’ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ny tanan’io Filistina io.”3 Ny faniriana hamela an’ Andriamanitra hanjaka sy ny fihainoana ny Fanahy Masina ary ny fahavononana hamela ny Mpamonjy ho mpanoratra sy mpanefa ny tantarany no nentin’i Davida ilay tovolahy kely nandresy an’i Goliata sy namonjy ny vahoakany.

Ilay fitsipika ambony dia ambony mifehy ny fahafahana misafidy mazava ho azy dia mamela antsika hanoratra ny tantarantsika manokana: afaka nandeha nody i Davida, niverina niandry ondry. Kanefa i Jesoa Kristy dia vonona ny hampiasa antsika ho fitaovana masina, ho pensily hazo maranitra tsara eo am-pelatanany mba hanoratana sangan’asa lehibe! Vonona amim-pamindram-po Izy hampiasa ahy, izay pensily hazo mahia kely, ho fitaovana eo am-pelatanany, raha toa aho manana ny finoana hamela Azy, raha toa aho mamela Azy ho mpanoratra ny tantarako.

I Estera koa dia ohatra iray hafa tena tsara amin’ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka. Tsy hoe nijanona tamin’ny tantara feno fitandremana ny amin’ny fitsimbinany ny tenany izy, fa nampihatra finoana, nametraka tanteraka ny tenany teo am-pelatanan’ny Tompo. I Hamana dia nitetika ny fandravana ireo Jiosy rehetra tao Persia. I Mordekay izay havan’i Estera dia nahafantatra ilay tetika ka nanoratra taminy, namporisika azy hiresaka amin’ny mpanjaka amin’ny anaran’ny vahoakany. Notantarain’i Estera tamin’i Mordekay fa ny olona izay manatona ny mpanjaka kanefa tsy nampanantsoina dia melohina ho faty. Kanefa tamim-pinoana lehibe dia nangataka an’i Mordekay izy mba hamory ireo Jiosy sy hifady hanina ho azy. “Izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa” hoy izy, “ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tahiny maty aho, dia maty.”4

Vonona ny hamela ny Mpamonjy hanoratra ny tantarany i Estera na dia mety ho zava-doza aza no niafarany raha jerena amin’ny fijerin’ny fiainana ety an-tany. Soa ihany fa nandray an’i Estera ny mpanjaka, ary avotra ireo Jiosy tany Persia.

Mazava ho azy fa mahalana isika no takiana hanana herim-po mitovy lenta amin’ny an’i Estera. Kanefa ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka, ny famelana Azy ho mpanoratra sy mpanefa ny tantarantsika, dia mitaky antsika hitandrina ireo didiny sy ireo fanekempihavanana izay nataontsika. Ny fitandremantsika ny didy sy ny fanekempihavanana no hanokatra ny zotram-pifandraisana ho antsika mba handraisana fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ary amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy no hahatsapantsika ny tanan’ny Mpampianatra izay manoratra ny tantarantsika miaraka amintsika.

Tamin’ny aprily 2021 ny Filoha Russell¬M. Nelson mpaminanintsika dia nangataka antsika mba handinika ny zavatra azontsika atao raha nanana finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy isika. Rehefa manana finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mametraka fanontaniana izay tsy ananantsika valiny, manontany ny Raintsika any An-danitra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, mba handefa valiny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana. Raha nanana finoana bebe kokoa isika, dia ho nametraka fanontaniana ary avy eo dia vonona ny hanaiky ny valiny izay voaraintsika, eny fa na dia tsy mifandraika amin’ny tantara mampahazo aina antsika aza izany. Ary ny fitahiana nampanantenaina izay ho azo avy amin’ny fanaovana asa am-pinoana an’i Jesoa Kristy dia ny fitomboan’ny finoana Azy ho mpanoratra sy mpanefa. Nanambara ny Filoha Nelson fa isika dia “mandra[y] finoana misimisy kokoa amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra izay mitaky finoana bebe kokoa.”5

Noho izany ny mpivady izay tsy manan-janaka vokatry ny fahamombana, dia afaka mangataka am-pinoana raha toa ka tokony hanangan-jaza izy ireo ary vonona ny hanaiky izay valiny, eny na dia nisy hoe fiterahana mahagaga aza tao anatin’ny tantara izay nosoratan’izy ireo ho an’ny tenany.

Ny mpivady zokiolona dia afaka manontany hoe izao ve no fotoana tokony hanaovany asa fitoriana ary vonona ny handeha izy ireo, eny fa na dia nisy hoe miandry fotoana misimisy kokoa hamitana anton’asa aza ny tantara nosoratan’izy ireo ho an’ny tenany. Na koa angamba ny valiny dia hoe “tsy mbola izao,” ary hianatra izy ireo any amin’ireo toko any aoriana amin’ny tantarany hoe nahoana izy ireo no nila nijanona tao an-trano elaela kokoa.

Mety hangataka am-pinoana ny zatovolahy na zatovovavy iray hoe ny fanohizana fanatanjahan-tena na fianarana na mozika ve no manan-danja indrindra ary vonona izy ny hanaraka ny fitarihan’ilay vavolombelona tonga lafatra, dia ny Fanahy Masina.

Nahoana no tiantsika ho ilay mpanoratra sy mpanefa ny tantarantsika ny Mpamonjy? Satria Izy dia mahafantatra tanteraka izay mety ho vitantsika, hitondra antsika amin’ny toerana izay tsy neritreretintsika mihitsy Izy. Azony atao Davida na Estera isika. Hampivoatra antsika Izy sy hanadio antsika ho tahaka Azy kokoa. Hampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ireo zavatra ho tanterahintsika rehefa manao asa am-pinoana bebe kokoa isika.

Ry anadahy sy rahavavy, vao herintaona izay ny mpaminany malalantsika no nantontany hoe: “Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? … Vonona ve ianao hamela izay rehetra ilainy ataonao ho lohalaharana mihoatra ny faniriana hafa rehetra?”6 Ampiako am-panetrentena ireo fanontanian’ny mpaminany ireo hoe: “Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho mpanoratra sy mpanefa ny tantaranao?”

Ao amin’ny Apokalypsy isika dia mianatra fa hitsangana eo anoloan’ Andriamanitra isika ary hotsaraina avy ao amin’ny bokin’ny fiainana, araka ny asantsika.7

Hotsaraina araka ny bokin’ny fiainantsika isika. Afaka misafidy ny hanoratra tantara mampahazo aina ho an’ny tenantsika isika. Na koa afaka mamela ny Mpanoratra sy Mpanefa Lehibe hanoratra ny tantarantsika miaraka amintsika, ary mamela ny anjara toerana ilainy holalaovintsika hialoha ireo faniriantsika hafa rehetra.

Aoka i Kristy no mpanoratra sy mpanefa ny tantaranao!

Aoka ny Fanahy Masina no ho vavolombelonao!

Manorata tantara izay ahitana anao eo amin’ny lalana mahitsy, manaraka ny dia izay mitondra anao miverina any amin’ny fonenanao any an-danitra mba hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra.

Avelao ny fahoriana sy fijaliana izay tafiditra ao anaty tantara tsara rehetra ho lasa fomba izay hanatonanao bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy hahatongavanao ho tahaka Azy kokoa.

Mitantarà tantara izay hanekenao fa misokatra ny lanitra. Mametraha fanontaniana izay tsy anananao valiny, satria fantatrao fa Andriamanitra dia vonona ny hampahafantatra ny sitrapony ho anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Aoka ny tantaranao ho tantaran’ny finoana sy manaraka ny Ohatra alainao tahaka, dia i Jesoa Kristy Mpamonjy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.