Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Finoana hangataka ary avy eo handray andraikitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Finoana hangataka ary avy eo handray andraikitra

Ny finoana an’i Jesoa Kristy no fanalahidin’ny fandraisana ireo fanambarana ny fahamarinana.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako miresaka aminareo amin’ity fivoriana sabotsy harivan’ny fihaonambe maneran-tany ity. Tamin’ny fampidirana nataony tamin’ny fihaonambe aninkeheo maraina, ny Filoha Russell M. Nelson dia niteny hoe “ny fanambarana madio ho an’ireo fanontaniana ao am-ponareo dia hahatonga ity fihaonambe ity ho mahafapo sy tsy hay hadinoina. Raha toa ianao ka mbola tsy nikatsaka ny fanompoan’ny anjely mba hanampy anao haheno ny zavatra tian’ny Tompo ho henonao mandritra ireo roa andro ireo, dia manasa anao aho mba hanao izany amin’izao fotoana izao.”1 Nikatsaka izany fitahiana izany aho teo am-piomanako handray fanambarana ho amin’izao firesahana aminareo izao. Ny vavaka ataoko amin-kitsimpo dia ny mba handraisanareo izany fanambarana izany avy amin’ Andriamanitra.

Tsy niova hatramin’ny andron’i Adama sy Eva ny fomba handraisana fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Nitovy hatrany izany ho an’ireo mpanompon’ny Tompo izay nantsoina hatrany am-piandohana ka hatramin’izao fotoana izao. Mitovy izany ho ahy sy ho anao. Atao amin’ny alalan’ny fampiharana finoana hatrany izany.2

I Joseph Smith zatovolahy dia nanana finoana ampy hametrahana fanontaniana iray tamin’ Andriamanitra, sady nino fa hamaly ilay fangatahana avy amin’ny fony Andriamanitra. Nanova izao tontolo izao ilay valin-teny. Naniry ny hahafantatra izy hoe inona no fiangonana tokony hidirany ho mpikambana mba ho voadio amin’ny fahotany. Ny valin-teny voarainy dia namporisika azy hanohy hametraka fanontaniana tsara lavitra kokoa sy handray andraikitra araka ny fanambarana izay tsy mitsahatra mitosaka izay vao nanomboka.3

Mety hitovy amin’izany ny zavatra hiainanao amin’ity fihaonambe ity. Manana fanontaniana ilay hitadiavanao valiny ianao. Farafaharatsiny manana finoana ampy ianao hanantenana fa handray valiny avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony.4 Tsy hanana fahafahana hametraka fanontaniana am-bava mba hahazoana valiny avy amin’ireo mpandahateny ianao, kanefa afaka mangataka amin’ny Rainao be fitia am-bavaka.

Fantatro avy amin’ny zavatra niainako fa ireo valiny dia ho tonga arakaraka izay zavatra ilainao sy ny fiomananao ara-panahy. Raha manan-danja mba hahatsara anao na ny hafa ho amin’ny mandrakizay no valiny ilainao dia mety ho ambony kokoa ny tahan’ny fahazoana ilay valiny. Kanefa na dia amin’izany aza, dia mety handray, tahaka an’i Joseph Smith ianao, ny valiny hoe mahareta.5

Raha toa ny finoanao an’i Jesoa Kristy niteraka fo nihamalefaka tamin’ny alalan’ny vokatry ny Sorompanavotany, dia ho afaka kokoa ianao hahatsapa ny bitsiky ny Fanahy ho valin’ny vavaka nataonao. Ny traikefako manokana dia hoe mazava sy mora takarina ao an-tsaiko ilay feo tony sy malefaka, izay tena nisy, rehefa mahatsapa fitoniana anaty sy fanekena ny sitrapon’ny Tompo aho. Ilay hoe “Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao”6 no mahalaza indrindra izany fahatsapana fanetrentena izany.

Izany dingana fandraisana fanambarana izany no antony handrenesanao mpandahateny mampianatra mandritra ity fihaonambe ity ny antsoina hoe fotopampianaran’i Kristy.7 Ny fanambarana dia tonga amintsika arakaraka ny halehiben’ny fikatsahantsika handray ny fotopampianaran’i Kristy ao am-pontsika sy hampihatra izany eo amin’ny fiainantsika.

Tsaroanareo tao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa i Nefia dia nampianatra antsika hoe ny finoana an’i Jesoa Kristy no fanalahidin’ny fandraisana ireo fanambarana ny fahamarinana sy fanalahidy hahazoana ilay fahatokisana fa manaraka ny fitarihan’ny Mpamonjy isika. Nanoratra ireto teny manaraka ireto i Nefia taon-jato maro talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy teto an-tany:

“Miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ny anjely; noho izany dia manambara ny tenin’i Kristy izy. Izany no nilazako taminareo hoe, mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.

“Koa, ankehitriny rehefa avy nilaza ireo teny ireo aho, raha tsy mety takatrareo ireo, dia satria tsy mangataka ianareo sady tsy mandondona; noho izany dia tsy entina eo amin’ny mazava ianareo fa tsy maintsy ho faty ao amin’ny maizina kosa.

“Fa indro, lazaiko aminareo indray fa raha te hiditra ny lalana ianareo ary handray ny Fanahy Masina, dia Izy no hampiseho aminareo ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo.

“Indro, izany no fotopampianaran’i Kristy ary tsy hisy fotopampianarana homena intsony ambara-panehoany ny tenany aminareo ao amin’ny nofo. Ary rehefa haneho ny tenany aminareo ao amin’ny nofo Izy, dia tsy maintsy ezahanareo ny hanao ny zavatra izay holazainy aminareo.”8

Hilaza zavatra aminao amin’ny alalan’ireo mpanompony ny Tompo anio sy amin’ny andro ho avy. Hilaza amintsika izay zavatra tokony hataontsika Izy.9 Tsy hivazavaza hanome baiko ho ahy sy ho anao ny Mpamonjy. Araka ny nampianariny an’i Elia hoe:

“Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin’ny tendrombohitra eo anatrehan’i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’i Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin’ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin’ny horohoron-tany.

“Ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin’ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.”10

Ny fandrenesana izany feo izany dia ho tonga avy amin’ny finoantsika Azy. Miaraka amin’ny finoana ampy, dia hangataka torolalana isika omban’ny faniriana handeha ary hanao izay rehetra angatahiny.11 Hitombo ao amintsika ny finoana hahafantarana fa izay rehetra angatahiny dia hitahy ny hafa, ary afaka ny hodioviny isika eo am-panaovana izany noho ny fitiavany antsika.

Rehefa mitaona antsika hangataka valiny amin’ny Ray ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, dia hitondra ihany koa ny hery manalefaka avy amin’ny Mpamonjy izany finoana izany izay ampy handrenesantsika ny torolalana avy Aminy sy hahatonga antsika ho vonona sy faly hankatò. Avy eo isika dia hihira am-pifaliana ny tonon’ilay hira, na rehefa sarotra aza ilay asa dia hanao hoe: “Tompo tsara ny asanao.”12

Arakaraka ny hananantsika ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika sy ao am-pontsika, no hahatsapantsika fitia sy fangorahana bebe kokoa ho an’ireo izay tsy mba nanana mihitsy ireo fitahian’ny finoana an’i Jesoa Kristy na mitolona mafy mba hihazona izany. Sarotra ny mitandrina ireo didin’ny Tompo raha tsy manana finoana sy fahatokiana Azy. Rehefa very ny finoan’ny sasany ny Mpamonjy, dia mety hanaratsy mihitsy ny toroheviny aza izy ireo, ka hiantso ny tsara ho ratsy ary ny ratsy ho tsara.13 Mba hialana amin’izany hadisoana mampidi-doza izany, dia zava-dehibe ny hoe mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Tompo sy ireo mpaminaniny ny fanambarana ho an’ny tena manokana raisintsika.

Ry rahalahy sy anabavy, mitaky finoana ny fankatoavana ireo didin’ny Tompo. Mitaky finoana an’i Jesoa Kristy ny manompo ny hafa ho Azy. Mitaky finoana ny mandeha mampianatra ny filazantsarany sy manolotra izany ho an’ny olona izay mety tsy mahatsapa ilay feon’ny Fanahy na mety handà ny fahamarinan’ilay hafatra mihitsy aza. Kanefa rehefa mampihatra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika, sy manaraka ireo mpaminaniny velona, dia hitombo manerana izao tontolo izao ny finoana. Noho ny teknôlôjia dia mety ho maro kokoa amin’ireo zanak’ Andriamanitra no handre sy hahafantatra ny tenin’ Andriamanitra amin’ity faran’ny herinandro ity mihoatra noho ny tamina andro roa hafa teo amin’ny tantara.

Noho ny finoana izay tsy mitsaha-mitombo fa ity no Fiangonan’ny Tompo sy fanjakany ety an-tany, dia mitombo ny isan’ireo mpikambana mandoa fahafolonkarena sy manolotra fanomezana mba hanampiana ireo sahirana, eny na dia miatrika fitsapana manokana aza ireny mpikambana ireny. Noho ny finoana fa voantson’i Jesoa Kristy izy ireo, dia nahita fomba ireo misiônera manerana izao tontolo izao hihoarana ireo olana nateraky ny valanaretina, ary manao izany amin-kerimpo sy firavoravoana. Ary teo am-panaovan’izy ireo ny ezaka fanampiny dia nihanatanjaka kokoa ny finoany.

Efa hatry ny ela ny fanoherana sy ny fitsapana no taninketsa hitomboan’ny finoana. Marina izany hatrizay, indrindra hatramin’ny niantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny fanorenana ny Fiangonan’ny Tompo.14

Ny zavatra nolazain’ny Filoha George Q. Cannon efa ela dia marina ankehitriny ary ho marina mandra-pahatongan’ny Mpamonjy Izy Tenany hitarika ny Fiangonany sy ny vahoakany: “Ny fankatoavana ny Filazantsara dia mitondra ny olona ho amin’ny fifandraisana tena akaiky sy manokana amin’ny Tompo. Izany dia mametraka fifandraisana akaiky eo amin’ny olona ety an-tany sy ilay Mpahary Lehibe any an-danitra. Izany dia mitondra ao an-tsain’ny olombelona ny fahatsapana fahatokisana ny Tsitoha sy ny fahavononany hihaino sy hamaly ny fitalahoan’ireo izay matoky Azy. Amin’ny fotoan’ny fitsapana sy fahasahiranana dia tena sarobidy tokoa izany fahatokisana izany. Mety ho tonga amin’ny olona tsirairay na amin’ny vahoaka ny olana, ny loza dia mety hanambana ary ny fanantenan’ny olombelona rehetra dia toa noravana, kanefa, rehefa nisitraka ny tombontsoa izay entin’ny fankatoavana ny Filazantsara ny olona, dia manana toerana azo antoka hijoroana; eo ambony vatolampy izay tsy azo hozongozonina ny tongotr’izy ireo.”15

Mijoro ho vavolombelona aho fa ilay vatolampy izay ijoroantsika dia ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika fa i Jesoa no Kristy; fa ity no Fiangonany izay tarihiny Izy Tenany, ary ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminaniny velona ankehitriny.

Mikatsaka sy mandray fitarihana avy amin’ny Tompo ny Filoha Nelson. Izy dia ohatra ho ahy amin’ny fikatsahana izany torolalana izany miaraka amin’ny fahavononana hanaraka izany. Izany fahavononana hankatò ny torolalan’ny Tompo izany dia ao am-pon’ireo rehetra izay efa nanao lahateny na hanao lahateny na vavaka na hira amin’ity fihaonamben’ny Fiangonany ity.

Mivavaka aho mba hahatsapan’ireo rehetra izay mijery na mihaino ity fihaonambe ity maneran-tany ny fitiavan’ny Tompo ho azy ireo. Namaly ny vavaka nataoko ny Ray any An-danitra mba hahatsapako na dia ampahany kely aza amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy anareo sy ny fitiavany ny Rainy any An-danitra, izay Raintsika any An-danitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa Kristy. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Fiangonany ity. Izy no mitarika izany. Niseho tamin’i Joseph Smith Izy sy ny Rainy any An-danitra tao amin’ny alakely tao New York. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fisoronany dia naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ireo iraka avy any an-danitra.16 Amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia fantatro fa marina izany.

Mivavaka aho mba hanananareo fijoroana ho vavolombelona toy izany koa. Mivavaka aho ny mba hangatahanareo amin’ny Ray any An-danitra ny finoana an’i Jesoa Kristy izay ilainareo mba hanaovanareo sy hitandremanareo ireo fanekempihavanana izay hamela ny Fanahy Masina ho namanareo mandrakariva. Apetrako aminareo ny fitiavako sy ny fijoroana ho vavolombelona azo antoka ananako, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.