Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Miomana amin’ny Fiavian’i Kristy Fanindroany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Miomana amin’ny Fiavian’i Kristy Fanindroany

Takina mihoatra noho ny teo aloha isika mba hiatrika ilay zava-misy marina dia ny hoe mihamanakaiky noho ny hatramin’izay an’ilay Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, enin-taona talohan’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, i Samoela, ilay Lamanita marin-toetra dia naminany tamin’ny vahoaka Nefita, izay lasa vahoaka niaina tao anatin’ny fihemorana ny ankamaroany,1 momba ireo famantarana mikasika ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Ny zava-doza anefa dia nandà ireo famantarana ireo ny ankamaroan’ny Nefita satria “tsy mety ny fiheverana fa ny toa an’i Kristy dia [tokony] ho avy.”2

Indrisy anefa, araka ny soratra masina voarakitra, dia torak’izany koa ny maro tamin’ireo Jiosy, izay tsy afaka nanaiky hoe ilay lehilahy nantsoina hoe Jesoa, izay avy amin’ny faritan’i Galilia izay tsy dia misy miraharaha firy, no ilay Mesia nandrasana efa ela.3 I Jesoa izay tonga tokoa mba hanatanteraka ireo faminaniana maro nataon’ireo mpaminany Hebreo, dia nolavina ary nohomboana mihitsy aza satria araka ny nampianarin’i Jakôba izay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia “[nibanjina] ny any ivelan’ny tanjona” ireo Jiosy. Naminany i Jakôba vokatr’izany hoe: “Efa nesorin’ Andriamanitra taminy ny fahatsorany ary natolony azy ny zavatra maro izay tsy mety ho azony, satria maniry izany izy. Ary satria naniry izany izy, dia notanterahin’ Andriamanitra izany mba hahatafintohina azy.”4

Mahagaga fa toa tsy misy na fampianarana, na fahagagana, na fisehoana anjely avy an-danitra mihitsy aza izay hitan’i Lamàna sy Lemoela,5 manana hery entina handresena lahatra ny olona sasantsasany mba hanova ny lalan’izy ireo na ny fahitan’izy ireo na ny finoan’izy satria marina ny zavatra iray. Izany indrindra no miseho rehefa tsy mifanaraka amin’ny di-doha na ny faniriana na ny hevitra izay efa apetraky ny olona iray mialoha ao an-tsainy ireo fampianarana na fahagagana.

Mba ampitahao vetivety ireto soratra masina anankiroa ireto. Ny voalohany dia avy amin’ny Apôstôly Paoly izay miresaka momba ireo andro farany ka mamariparitra ireo fomban’olombelona ary ny faharoa dia avy amin’ny mpaminany Almà izay mampiseho ny fomba fanatanterahan’ Andriamanitra ny asany eo anivon’ny olombelona. Ilay voalohany avy amin’i Paoly aloha:

“Fa aoka ho fantatrao izao, fa any am-parany any dia hisy andro mahory.

“Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,

“tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,

“mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra; …

“mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.”6

Ary izao dia ilay avy amin’i Almà, izay manambara fitsipika fototra iray ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: “Ankehitriny dia mety hoheverinareo fa izany dia fahadalana avy amiko; nefa indro, lazaiko aminao fa amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe; ary ny zava-madinika, amin’ny toe-javatra maro, dia mampangaihay ny hendry.” 7

Miaina ao anaty tontolo maoderina izay feno fahalalana lehibe sy asan-kerim-po maro isika. Na izany aza dia matetika mihitsy ireo zavatra ireo no manafina ilay fototra mihozongozona izay iorenan’izy ireo. Noho izany izy ireo dia tsy mitondra any amin’ilay fahamarinana tena izy sy any amin’ Andriamanitra ary any amin’ilay hery handraisana fanambarana sy hahazoana fahalalana ara-panahy ary hananana finoana an’i Jesoa Kristy izay mitondra any amin’ny famonjena.8

Mahatsiaro lalina an’ireo teny nambaran’ny Tompo tamin’i Tomasy sy ireo Apôstôly hafa isika ny andro mialoha ny hanaovany ilay sorona fanavotana, izay manao hoe: “Hoy [Jesoa] taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” 9

Ho an’ireo izay manana maso hahita, sy sofina handre ary fo hahatsapana zavatra, dia takina mihoatra noho ny teo aloha isika mba hiatrika ilay zava-misy marina dia ny hoe mihamanakaiky noho ny hatramin’izay an’ilay Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika. Marina fa misy fahasarotana lehibe miandry an’ireo izay eto an-tany amin’ny Fiverenany, saingy tsy tokony hatahotra izay mahatoky.

Izao aho dia hindrana mandritra ny fotoana fohy teny nambara ao amin’ny Sujets de l’Évangile (Ireo lohahevitry ny filazantsara) eo ambanin’ilay lohateny hoe “Seconde venue de Jésus-Christ” (Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany):

“Rehefa hiverina indray ny Mpamonjy dia ho tonga amin-kery sy amim-boninahitra haka ny tany ho lasa Fanjakany. Hanamarika ny fiantombohan’ny Arivotaona ny Fiaviany Fanindroany.

“Fotoana hampitahotra sy hampitoloko ireo ratsy fanahy ny Fiaviana Fanindroany, kanefa kosa ho andro feno fiadanana ho an’ireo marina izany. Ny Tompo dia nanambara hoe:

“Fa ireo izay hendry ary efa nandray ny fahamarinana sy nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana azy ka tsy voafitaka—lazaiko aminareo marina tokoa, fa tsy hokapaina ireo ka hatsipy any anaty afo fa hahatanty ny andro.

“–Ary homena ho azy ny tany ho lova; ary hihamaro sy hihamahery ireo, ary ny zanany dia hitombo tsy manam-pahotana ho amin’ny famonjena.

“–Fa ny Tompo no ho eo afovoany, ary ny voninahiny no ho eo aminy, ary Izy no ho mpanjakany sy mpanome lalàna azy—(Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:57–59).”10

Ao anatin’ny fiomanantsika amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, dia manolotra teny fohy manan-danja sy mampahery ho an’ny mahatoky aho izay avy amin’ny mpaminany Amosa ao amin’ny Testamenta Taloha: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.”11

Araka izany, ny Filoha Russell M. Nelson izay mpaminanin’ny Tompo eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia nanome antsika vao haingana ity torohevitra manentana ny fanahy ity: “Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny fibebahana. Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia manolotra fanasana ny filazantsarany hanohy hiova sy hivoatra ary ho lasa madio kokoa. Filazantsaran’ny fanantenana, sy ny fahasitranana, ary ny fivoarana izany. Araka izany, ny filazantsara dia hafatry ny fifaliana! Mifaly ny fanahintsika isaky ny misy dingana kely mandroso vitantsika.”12

Mijoro ho vavolombelona tsy am-pihambahambana aho ary manamarina ny amin’ny tena fisian’ Andriamantra sy ireo fahagagana miseho eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona maro tsy tambo isaina na ny manana sarangam-piainana ambony izany na sarangam-piainana ambany. Marina fa maro ireo tranga masina izay mahalana vao mba resahina, noho ny maha-masina izany avy any ifotony amin’ny lafiny iray ary noho ny mety haniratsiran’ny olona sasany izay tsy mahalala tsara izany.

Eo anatrehan’izany dia mampahatsiahy antsika i Môrônia ilay mpaminany farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe:

“Ary miteny koa aminareo izay mandà ny fanambaran’ Andriamanitra aho, ary milaza fa efa atsahatra izany, fa tsy misy fanambarana, na faminaniana, na fanomezam-pahasoavana, na fanasitranana, na fitenenana amin’ny teny sy ny fandikana ny teny;

“Indro, lazaiko aminareo, izay mandà ireo zavatra ireo dia tsy mahalala ny filazantsaran’i Kristy; eny, tsy namaky ny soratra masina izy; raha namaky izy, dia tsy azony izany.

“Satria moa tsy vakintsika fa Andriamanitra no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay, ary ao Aminy dia tsy misy fiovaovana na aloky ny fiovana?”13

Hofaranako ny lahateniko amin’ny alalan’ny fanambarana tena manentana ny fanahy avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith izay nozarainy tany amin’ny faramparan’ny asa fanompoana nataony raha niandrandra ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany izy: “Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika? Andeha handroso fa tsy hihemotra. Mahereza ry rahalahy [ary ampiako hoe ry anabavy]; dia mandrosoa, mandrosoa mankamin’ny fandresena! … Aoka hiravoravo ny fonareo ary ho faly fatratra tokoa.”14 Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.