Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ireo zavatry ny fanahiko
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Ireo zavatry ny fanahiko

Inona no zavatra saintsaininao? Inona no zavatra tena manan-danja aminao? Inona avy ireo zavatry ny fanahinao?

Ry rahalahiko sy anabaviko isany, eto am-pijoroako ato amin’ity Ivon-toeran’ny Fihaonambe mamintsika ity, dia tsaroako ireo tenin’i Petera Apôstôly hoe: “Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika.”1

Ny eritreritro androany dia mifantoka amin’ireo tenin’i Nefia mpaminany, izay nitahiry ireo rakitsoratry ny vahoakany taorian’ny nahafatesan’i Lehia Rainy. Nanoratra i Nefia hoe: “Ary amin’ireto kosa aho no manoratra ny zavatry ny fanahiko.”2

Hatrizay aho dia nandalo fotsiny amin’ity andininy ity, nihevitra fa tsy tena mihaja na feno fanahy ilay teny hoe zavatra, tsy lehibe tsara eo anatrehan’ilay hoe “ny fanahiko.” Kanefa nianatra aho fa ilay teny hoe things na hoe zavatra dia nampiasaina in-2354 ao amin’ny soratra masina amin’ny teny anglisy.3 Ohatra, ao amin’ny Mosesy : “Izaho no Fiandohana sy Fiafarana, Andriamanitra tsitoha; tamin’ny alalan’ny Lahitokako no nohariako ireo zavatra ireo.”4 Ary ireo tenin’i Nefia: “Indro ny fanahiko dia finaritra amin’ny zavatry ny Tompo; ary ny foko misaintsaina lalandava ny zavatra izay efa hitako sy reko.”5

Ireo tenin’i Nefia dia mitondra any amin’ilay fanontaniana hoe “Inona no zavatra saintsaininao?” “Inona no zavatra tena manan-danja aminao?” “Inona avy ireo zavatry ny fanahinao?”

Ireo zavatry ny fanahy dia mazàna voazava ary mitombo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana.

Sary
Ny Loholona Rasband ao anatina fivoriana en ligne
Sary
Fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo
Sary
Fampitana ho an’ny tanora

Nandritra ny valanaretina dia nihaona tamina zatovo manerana an’izao tontolo izao aho, tamin’ireo fampaherezam-panahy maro, goavana sy bitika, amin’ny alalan’ny fampitana sy ny tambajotra, ary dia nifanakalo hevitra momba ny fanontanian’izy ireo izahay.

Nanana fanontaniana tao am-pony lalina i Joseph Smith efatra ambin’ny folo taona, ary dia nentiny teo anoloan’ny Tompo izany. Nanantitrantitra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ento any amin’ny Tompo sy ireo loharano azo antoka ireo fanontanianao? Manaova fandalinana omban’ny faniriana ny hino toy izay amin’ny fanantenana ny hahazoanao mahita tsy fahalavorariana eo amin’ny ambaindain’ny fiainan’ny mpaminany na ireo boky mirakitra soratra masina. Atsaharo ny fampitomboana ireo fisalasalanao amin’ny alalan’ny firesahanao izany amin’ireo … mpisalasala hafa. Avelao ny Tompo hitarika anao eo amin’ny dianao mankamin’ny fahatakarana ara-panahy.”6

Matetika ireo tanora no manontany ahy izay inoako sy ny antony inoako.

Tsaroako aho nitafa avy lavitra tamin’ny zatovavy iray tany an-tranony. Nanontany aho raha toa ka sambany izao no nisy Apôstôly nitsidika tao an-tranony. Nitsiky izy ary namaly faingana hoe “Eny.” Tsara ny fanontaniany tamiko: “Inona avy ireo zavatra manan-danja indrindra tokony ho fantatro?”

Novaliko tamin’ ireo zavatry ny fanahiko, ireo zavatra izay manomana ahy hahare fitaomana, izay mampiakatra ny fifantohako hihoatra noho ny fomban’izao tontolo izao, izay mampisy tanjona ny asa ataoko ao amin’ny filazantsara sy ny fiainako mihitsy.

Azoko atao ve ny mizara ny sasany amin’ireo zavatry ny fanahiko? Ireo zavatra ireo dia mihatra amin’izay rehetra mikatsaka ny ho mpianatra marin’i Jesoa Kristy. Folo angamba no isa mora tadidina. Anio aho dia hanolotra anankifito, ka manantena fa ho fenoinao avy amin’ny zavatra niainanao manokana ny fahavalo sy fahasivy ary fahafolo.

Voalohany, tiava an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

I Jesoa no namoaka ilay didy lehibe voalohany: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.”7

Nanambara ny fanolorantenany tamin’ Andriamanitra Raintsika Mandrakizay sy tamin’i Jesoa Kristy Zananilahy ny Filoha Nelson tamin’izy voantso hitarika ny Fiangonan’ny Tompo, ka nilaza hoe: “Fantatro sy tiako Izy ireo ary manome toky aho fa hanompo Azy ireo sy [anareo] mandritra ny androm-piainako sisa.”8

Koa voalohany izany, tiava ny Ray sy ny Zanaka.

Faharoa, “Tiava ny namanao.”9

Tsy hoe hevitra tsara fotsiny izany, fa ilay didy lehibe faharoa. Ireo namanao dia ny vadinao sy ny fianakavianao, ireo mpikambana ao amin’ny paroasy, ireo mpiara-miasa, ireo mpiray trano, ireo tsy mpiara-mivavaka amintsika, ireo mila tanana hanampy, ary raha tsorina, ny olona rehetra. Ny hevitra fototry ny hoe “tiava ny namanao” dia mivohitra ao amin’ilay fihirana hoe “Mifankatiava.”10

Nampahatsiahy antsika ny Filoha Nelson hoe “Rehefa tia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra isika, dia mampitodika ny fontsika [Izy] hitsinjo izay mahasoa ny hafa.”11

Fahatelo, tiava ny tenanao.

Eto no sahirana ny maro. Tsy mahavariana ve fa ny mitia ny tenantsika indray no toa tsy tonga ho azy noho ny mitia ny hafa? Kanefa dia nilaza ny Tompo hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”12 Omeny lanja ilay maha-zanak’ Andriamanitra ao anantintsika, ary tokony hanao izany koa isika. Rehefa vesaran’ny fahadisoana isika, na ratram-po, na fahatsapana ho tsy mahavita azy, na fahadisoam-panantenana, na hatezerana, na koa fahotana, dia ilay herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, araka ny tendrin’ Andriamanitra, no anisan’ireo zavatra izay mampitraka ny fanahy.

Fahefatra, tandremo ny didy.

Nataon’ny Tompo nazava tsara fa hoe: “Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.”13 Miezaha isan’andro ny ho tonga tsara kely kokoa sy ny hanao ny tsara kely kokoa ary hibosesika handroso amim-pahamarinana.

Fahadimy, aoka ianao ho mendrika ny hiditra ao amin’ny tempoly mandrakariva.

Izany no antsoiko hoe aroso ho an’ny Tompo. Na manana fahafahana hankany amin’ny tempoly ianao na tsia, ny fahamendrehana hihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery dia mampifikitra anao hifantoka tsara amin’ireo zavatra izay manan-danja, dia ny lalan’ny fanekempihavanana.

Fahenina, aoka ianao ho falifaly sy miramirana.

“Koa mahereza, ary aza matahotra,”14 hoy ny Tompo. Nahoana? Fomba ahoana, raha olana no miandry na inona na inona ataontsika? Noho ilay fampanantenana nataon’i Jesoa Kristy hoe: “Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo.”15

Ny Filoha Nelson dia namariparitra fa ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia toy “ny hafatry ny fifaliana!”16 Ary nanazava izy hoe “[Tsy dia] misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika, [fa] tena mifandray [kosa] amin’ [izay ifantohan’] ny fiainantsika.”17

Fahafito, araho ny mpaminany velon’ Andriamanitra.

Mety ho fahafito ity eo amin’ilay lisitry ny zavatra narosoko, saingy mihevitra aho fa io no voalohany raha ny lanjany ankehitriny.

Manana mpaminanin’ Andriamanitra eto an-tany isika ankehitriny! Aza tsinontsinoavina velively ny dikan’izany ho anao. Tadidio ilay zatovovavy noresahiko tany am-boalohany. Te hahafantatra izay zavatra manan-danja indrindra izy. “Araho ny mpaminany velona,” hoy aho tamin’izay, ary antitranteriko indray izany anio.

Mampiavaka antsika ny hoe Fiangonana tarihina mpaminany sy mpahita ary mpanambara nantsoin’ Andriamanitra ho an’izao fotoana izao. Mampanantena aho fa raha mihaino sy manaraka ny torohevitr’izy ireo ianao, dia tsy ho diso lalana mihitsy. Mihitsy!

Miaina amin’ny andro izay hoe “ahilangilana sy ampitambolimbolen[a]”18 isika izao, ka tsinontsinoavina ny zava-panahy sy ny haja, sy ny fahamarinan-toetra ary ny fanajana. Tsy maintsy manao safidy isika. Manana ny feon’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminaniny isika hampitony ny tahotsika sy hampitraka ny fijerintsika, fa rehefa miteny ny Filoha Nelson, dia miteny amin’ny anaran’ny Tompo.

Sambatra isika manana soratra masina sy fampianarana izay mampahatsiahy antsika hoe: “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah.”19

Tahaka izany ny tamin’i Namàna, mpitarika lehibe teo amin’ny tafika tany Syria, nefa boka, izay nolazaina fa afaka mahasitrana azy ny mpaminany Elisa. Nandefa iraka i Elisa hilaza amin’i Namàna mba hisasa impito ao amin’ny renirano Jordana dia ho sitrana. Naneso i Namàna. Azo antoka fa misy renirano mahery kokoa noho ny renirano Jordana, koa nahoana no maniraka mpanompo nefa i Elisa mpaminany no nandraindrainy hanasitrana azy manokana? Lasa i Namàna nandeha, saingy nony farany dia noresen’ireo mpanompony lahatra hoe: “Na dia zavatra lehibe aza no nasain’ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany?”20 Niroboka impito tao amin’ny renirano Jordana ihany i Namàna nony farany ary sitrana.

Ny tantaran’i Namàna dia mampahatsiahy antsika ny maha-mampidi-doza ny fifantifantenana sy ny fisafidifidianana ireo ampahany amin’ny torohevitry ny mpaminany izay mifanaraka amin’ny fihevitsika na ny andrasantsika na ny fenitra amin’izao andro izao. Tsy mitsahatra ny mpaminany manondro antsika ireo renirano Jordana antsika manokana mba ho sitrana.

Ireo teny manan-danja indrindra azontsika henoina sy alalinina ary arahina dia ireo izay ambara amin’ny alalan’ny mpaminany velona. Mijoro ho vavolombelona aho fa niara nanao filan-kevitra tamin’ny Filoha Nelson handinihana zava-manan-danja ho an’ny Fiangonana sy ho an’izao tontolo izao, ary nahita ny fanambarana nirotsaka tamin’ny alalany. Fantany ny Tompo, fantany ireo Lalany, ary iriny ny mba hahenoin’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra Azy, dia i Jesoa Kristy.

Nandritra ny taona maro isika no nandre ny mpaminany indroa isan-taona mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Saingy noho ireo olana sarotra amin’izao androntsika izao dia matetika kokoa ny Filoha Nelson no miteny amin’ireo sehatra fifanakalozan-kevitra,21 tambajotra ifaneraserana,22 fampaherezam-panahy,23 ary valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety koa aza.24 Nandinika azy aho nanomana sy nanolotra hafatra mampita fanambarana lalina izay namporisika haneho fankasitrahana kokoa, nivohy ny fahaizana mandray kokoa ireo rahalahy sy anabavintsika eto an-tany, ary nampitombo ny fandriampahalemana sy fanantenana, sy fifaliana, sy fahasalamana ary fahasitranana eo amin’ny fiainantsika tsirairay.

Mpitondrateny manan-talenta ny Filoha Nelson, fa ny manan-danja kokoa dia mpaminanin’ Andriamanitra izy. Mahatalanjona izany raha eritreretina, saingy manan-danja ny mahafantatra fa ny fitarihany mazava tsara dia hiaro antsika rehetra amin’ny fitaka, sy ny hafetsena ary ny fomban’izao tontotolo izao izay mihamahazo vahana maneran-tany ankehitriny.25

Ny fahefan’ny mpaminany dia resaka fanambarana avokoa. “Ny famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona,” izay nomena tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020, dia manamafy fa mitarika ity asa ity ny Tompo. Ao amin’io fanambarana io ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manambara hoe: “Ambaranay amim-piravoravoana fa mandroso amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy ilay Famerenana amin’ny laoniny nampanantenain[a]. Tsy ho toy ny teo aloha intsony izao tontolo izao, rehefa “hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy” (Efesiana 1:10) Andriamanitra.”26

“Ny zavatra rehetra ao amin’i Kristy”27 sy “ny zavatry ny fanahiko”28 no maha-izy an’ity Fiangonana ity, ity filazantsara ity, ary ity vahoaka ity.

Faranako amin’ny fanasana anareo tsirairay handinika ireo “zavatry ny fanahiko” anankifito izay nozaraiko androany: tiava an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Mpamonjintsika; tiava ny namanao; tiava ny tenanao; tandremo ny Didy; aoka ianao ho mendrika mandrakariva hihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly; aoka ianao ho falifaly sy miramirana; ary araho ny mpaminany velon’ Andriamanitra. Manasa anao aho hamantatra izay fahavalo sy fahasivy ary fahafolo ho anao. Mandiniha fomba azonao hizarana amin’ny hafa ireo “zavatra” ao am-po, ary amporisiho izy ireo hivavaka sy handinika ary hikatsaka ny fitarihan’ny Tompo.

Ireo zavatry ny fanahiko dia sarobidy amiko tsy misy hafa amin’ny maha-sarobidy ny anao ho anao. Ireo zavatra ireo dia manamafy orina ny fanompoantsika ato am-piangonana sy eo amin’ny sehatra rehetra eo amin’ny fiainana. Mampanolo-tena antsika amin’i Jesoa Kristy izy ireo, mampahatsiahy antsika ireo fanekempihavanana nataontsika, ary manampy antsika hahatsiaro ho voaro eo an-tsandrin’ny Tompo. Mijoro ho vavolombelona aho fa iriny “tsy ho noana na hangetaheta na oviana na oviana ny fanahin[tsika], fa hovokisana kosa”29 amin’ny Fitiavany araka ny fikatsahantsika ny ho tonga Mpianany marina, ho iray ao Aminy tahaka ny maha-iray Azy ao amin’ny Ray. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.