Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ilay fikarohana tamim-pinoana nitera-bokatsoa
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Ilay fikarohana tamim-pinoana nitera-bokatsoa

Manasa antsika rehetra aho mba hampitombo hatrany ny finoantsika an’i Kristy izay manohy manova ny fiainan’ireo olona rehetra mitady Azy.

Nanomboka tamin’ny taona 1846, dia mpisava lalana lehihahy sy vehivavy ary ankizy an’arivorivony no nitodi-doha nankany andrefana ho any Ziona. Nampitombo ilay herim-po goavana tao amin’izy ireo ny finoana lehibe nananan’izy ireo. Ho an’ny sasany dia tsy vita hatramin’ny farany ilay dia satria maty teny an-dalana izy ireo. Ny hafa dia nibosesika nandroso hatrany tamim-pinoana tao anatin’ny fiatrehana fitsapana lehibe.

Noho izy ireo, dia nigoka ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy ireo taranaka taty aoriana sy ny fianakaviako.

Tamin’izaho 14 taona, tena nitovy tamin’ilay zatovolahy iray izay holazaiko eo ny momba azy aoriana kely ao, no nanomboka nanam-panontaniana mikasika ny antokom-pinoana sy ny finoako. Niangona tao amin’ny fiangonana iray mitondra anarana hafa tany akaikin’ny tranonay aho, saingy nanam-paniriana ny hitsidika fiangonana maro hafa.

Indray tolakandro dia nahatsikaritra tovolahy anankiroa nanao palitao sy pataloha miloko matroka ary lobaka fotsy aho niditra tao amin’ny tranon’ilay mpifanolobodirindrina taminay. Miavaka— ny fahitana ireo tovolahy ireo.

Ny ampitson’iny dia nihaona tamin’i Leonor Lopez ilay mpifanolobodirindrina taminay aho ary nanontany azy mikasika an’ireny lehilahy anankiroa ireny. Nanazava i Leonor fa misiônera avy amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Noteneniny tamim-pifaliana tamiko fa natao batisa tao amin’ny Fiangonana ny fianakaviany herintaona talohan’izay. Rehefa nahita ny fahalianako i Leonor dia nanasa ahy mba hihaona amin’ireo misiônera sy hamantatra ny momba ny Fiangonana.

Roa andro taty aoriana dia niaraka tamin’ny fianakaviana Lopez aho mba hihaona amin’ireo misiônera. Nampahafantatra ny tenany izy ireo. Elder John Messerly dia avy any Ogden, Utah, ary Elder Christopher Osorio dia avy any Walnut Creek, Californie. Tsy hohadinoiko velively izy ireo.

Sary
Misiônera mampianatra mandritra ny sakafo hariva

Noho izaho vao 14 taona monja dia nangataka mafy Elder Messerly ny mba handehanana any an-tranonay teo akaiky teo mba hahafahan’ny reniko mahafantatra ny zavatra nampianarin’izy ireo ahy. Rehefa tao dia nohazavainy tamin-katsaram-panahy fa tonga mba hizara hafatra iray momba an’i Jesoa Kristy izy ireo ary hangataka lalana mba hampianatra ahy. Nanaiky i Neny ary nanatrika aza izy rehefa nampianatra ahy izy ireo.

Nangataka an’i Leonor aloha ireo misiônera mba hanolotra vavaka. Tena nanohina lalina ahy izany satria ny vavaka nataony dia tsy famerenana teny natao tsianjery fa fanehoan-javatra avy tao am-pony. Tsapako fa tena niresaka tamin’ny Ray any An-danitra izy.

Nampianatra anay momba an’i Jesoa Kristy ny misiônera avy eo. Nampisehoan’izy ireo sariny anankiray izahay izay nanaitra ahy satria sarin’i Kristy nitsangana tamin’ny maty sy velona izany.

Sary
I Jesoa Kristy Mpamonjy

Notohizan’izy ireo izany tamin’ny fampianarana anay ny fomba nanorenan’i Jesoa ny Fiangonany fahiny, izay Izy no lohany niaraka tamin’ireo Apôstôly roa ambin’ny folo. Nampianatra anay momba ny Apôstazia izy ireo sy ilay fomba nanesorana ny fahamarinana sy ny fahefan’i Kristy teto an-tany taorian’ny fahafatesan’ireo Apôstôliny.

Niresaka taminay momba ilay zatovolahy 14 taona nantsoina hoe Joseph Smith izy ireo, izay tao anatin’ireo taona vitsivitsy taorian’ny taona 1800 dia nitsidika fiangonana samihafa mba hikaroka fahamarinana. Rehefa nandeha ny fotoana dia vao mainka nisafotofoto ny sain’i Joseph. Taorian’ny namakian’i Joseph tao anatin’ny Baiboly fa afaka “mangataka [fahendrena] amin’ Andriamanitra”1 isika, dia nanao asa tamim-pinoana izy ka nitokana tany amin’ny ala kely iray mba hivavaka sy hanontany mikasika ny fiangonana izay tokony hidirany.

Novakin’ny iray tamin’ireo misiônera ny fitantaran’i Joseph ny zava-nitranga rehefa nivavaka izy:

“Nahita andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako indrindra aho, nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro, nidina tsikelikely teo amboniko.

“… Rehefa nijanona teo amboniko ilay hazavana, dia nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!2

Nanamafy fahamarinana maro tamiko ny Fanahy nandritra izany lesona izany.

Voalohany, mihaino ny vavaka amin-kitsimpo ataon’ny zanany rehetra Andriamanitra ary misokatra ho an’ny rehetra ny lanitra fa tsy ho an’olom-bitsy fotsiny.

Faharoa, Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy, ary ny Fanahy Masina dia olona telo miavaka tsara, izay miray saina ao anatin’ilay tanjon’ Izy Ireo mba “[hanatanteraka] ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”3

Fahatelo, nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra isika. Ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy dia manana vatana nofo sy taolana tahaka ny antsika, saingy feno voninahitra sy tonga lafatra izy ireo, ary ny Fanahy Masina kosa dia olona fanahy.4

Fahaefatra, tamin’ny alalan’i Joseph Smith no namerenan’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany marina teto an-tany. Ilay fahefan’ny fisoronana izay nomena an’ireo Apôstôlin’i Kristy 2000 taona lasa izay dia ilay fisoronana nomena an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ny alalan’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ihany.5

Farany dia nianatra testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izahay: ny Bokin’i Môrmôna. Nosoratan’ireo mpaminany fahiny izany ary mitantara ny momba ilay vahoaka nipetraka tany Amerika nialoha ny fahaterahan’i Jesoa sy nandritra izany ary taorian’izany. Ianarantsika avy amin’izany ny fomba nahafantaran’izy ireo sy nitiavan’izy ireo ary nitsaohan’izy ireo an’i Kristy, izay niseho tamin’izy ireo tamin’ny naha-Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty Azy.

Nampihetsi-po lalina ahy ny Fanahy rehefa nahafantatra ilay fanambarana nataon’ny Mpamonjy tamin’izy ireo aho hoe: “Indro, Izaho no Jesoa Kristy izay nambaran’ny mpaminany fa ho avy eo amin’izao tontolo izao.”6

Nomen’ireo misiônera tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ho anay manokana izahay. Namaky sy nanaiky ilay fanasana hita any amin’ny faran’ny Bokin’i Môrmôna izahay izay manao hoe:

“Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.

“Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”7

Efa ho 45 taona lasa latsaka kely izay no nahafantarako sy ny reniko voalohany ilay fifaliana sy hery avy amin’ny fananana finoana an’i Kristy. Noho ny finoan’izy ireo an’i Kristy dia nozarain’ny fianakaviana Lopez tamiko ilay finoana vaovao narahan’izy ireo. Noho ny finoan’izy ireo an’i Kristy dia nandao ny toeram-ponenany tany Etazonia ireo misiônera anankiroa ireo mba hikaroka ahy sy ny reniko. Ny finoan’ireo namana malalanay rehetra no namboly finoana ohatra ny voan-tsinapy tao anatinay izay hatramin’izay dia nitombo ho hazo lehibe ahitana fitahiana mandrakizay.

Nandritra ireo taona nahitam-pitahiana ireo dia lasa nahafantatra izahay araka ny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Izay zavatra tsara rehetra eo amin’ny fiainana, izany hoe ny fitahiana manana lanja mandrakizay rehetra, dia manomboka amin’ny finoana. Ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika dia manomboka amin’ny finoana fa Izy dia vonona ny hitarika antsika. Ny fibebahana marina dia manomboka amin’ny finoana fa i Jesoa Kristy dia manana ny hery hanadio, sy hanasitrana ary hampatanjaka antsika.”8

Manasa antsika rehetra aho mba hampitombo hatrany ny finoantsika an’i Kristy izay nanova ny fiainan’ilay reny malalako sy ny ahy ary manohy manova ny fiainan’ireo olona rehetra mitady Azy. Fantatro fa i Joseph Smith no Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny, ny Filoha Nelson no mpaminanintsika amin’izao fotoana izao, i Jesoa no ilay Kristy velona sy Mpanavotra antsika ary ny Ray any An-danitra dia velona sy mamaly ny vavaka ataon’ireo zanany rehetra. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.