Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mihatsara iray isan-jato
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Mihatsara iray isan-jato

Ny ezaka tsirairay ataontsika mba hiova—na dia madinika tahaka ny ahoana aza amintsika, dia mety hitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainantsika.

Nandritra ny zato taona mahery izay, dia nataon’ny tontolon’ny mpitia bisikileta fihomehezana ny ekipam-pirenana mpanao hazakazaka am-bisikiletan’i Grande Bretagne. Tsy nety lasa lavitra mihitsy ireo mpihazakazaka am-bisikileta Britanika ka tsy nahazo afa-tsy medaly volamena vitsivitsy monja tao anatin’ny 100 taona nandraisana anjara tamin’ny lalao ôlimpika, ary vao mainka aza tsy mba niavaka mihitsy tamin’ilay fifaninanana tena malaza, dia ny Tour de France izay maharitra telo herinandro, izay tsy nahitana anglisy nisongadina mihitsy tao anatin’ny 110 taona. Nahakivy loatra ny nanjo an’ireo mpihazakazaka Britanika ka nandà na dia ny hivarotra bisikileta tamin’izy ireo aza ny orinasa mpanamboatra bisikileta sasany noho ny tahotra fandrao hampaharatsy mandrakizay ny lazan’izy ireo izay efa nananosarotra ny nahazoany azy. Ary na dia teo aza ny fanokanana fandaniana mihoa-pampana tamin’ny teknôlôjia faran’izay raitra sy ny fomba fanazaran-tena rehetra faran’izay vaovao dia tsy nisy nahomby.

Sary
Mpitaingina bisikileta Britanika

Tsy nisy na inona na inona nitranga, izany hoe hatramin’ny 2003, fa nisy fiovana kely nitranga izay zara raha tsikaritra izay hanova mandrakizay ny fizotran’ny hazakazaka am-bisikileta Britanika. Io fomba fiady vaovao io dia haneho fitsipika iray mandrakizay koa, miampy fampanantenana, mahakasika ny fikatsahantsika eto an-tany ary indraindray mahavalalanina ny hampivoatra ny tenantsika. Koa inona izany no nitranga tamin’ny hazakazaka am-bisikileta Britanika ka mety tsara amin’ny fiezahantsika ny ho lasa zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra tsara kokoa?

Tamin’ny 2003 dia nokaramaina Andriamatoa Dave Brailsford. Andriamatoa Brailsford dia tsy mba toy ireo mpanazatra rehetra izay nanandrana nanao fanovana goavana sy haingana, fa nilofo kosa tamin’ny paikady iray nantsoiny hoe “ny fanatambarana ireo ezaka kely maromaro azo atao.” Midika izany hoe mampihatra fanatsarana kely amin’ny zavatra rehetra. Izany hoe, fandrefesana tsy tapaka ireo antontan’isa manan-danja sy fifantohana tsy tapaka amin’ireo fahalemena manokana.

Izany dia somary mitovitovy amin’ny hevitry ny mpaminany Samoela ilay Lamanita hoe “mandeha amim-pahamalinana tokoa.”1 Ity fijery mivelatra kokoa ity dia misoroka ny fandriky ny tsy fifantohana afa-tsy amin’ny olana mora hita na ny fahotana mora tsikaritra. Hoy i Brailsford hoe: “Ilay fitsipika iray manontolo dia avy amin’ilay hevitra hoe raha rasarasainao ny zava-drehetra izay azonao eritreretina momba ny fihazakazahana am-bisikileta, ary avy eo hatsaraina 1 isan-jato izany, dia hahita fivoarana manan-danja ianao rehefa manambatra izany rehetra izany ho iray.”2

Ny fomba fiadiny dia mifanaraka tsara amin’ny an’ny Tompo, izay nampianatra antsika koa ny maha tena manan-danja ny 1 isan-jato, na dia mety hamoizana ny 99 isan-jato aza. Mazava ho azy fa ny nampianariny dia ilay adidy ao amin’ny filazantsara ny hitady ireo olona sahirana. Saingy manao ahoana raha ampiharintsika amin’ny fitsipika faharoan’ny filazantsara izay tena mamy sy fy io fitsipika io, dia ny fibebahana izany? Mba tsy ho voasakantsakan’ny fifandimbiasan’ny fahotana sy ny fibebahana dia manao ahoana raha manitatra ny fanatsarana ataontsika isika amin’ny alalan’ny fampihenana ny zavatra ifantohantsika? Ho solon’ny fiezahana handavorary ny zavatra rehetra dia maninona raha toa ka zavatra iray monja no ndeha hanaovantsika ezaka mafonja?

Ohatra, manao ahoana raha tsikaritrao, noho ilay fomba fitandremanao vaovao mivelatra kokoa, fa notsinontsinoavinao ny famakianao isan’andro ny Bokin’i Môrmôna? Eny, raha kivivikivy fa tokony hamita ireo 730 pejy ao anatin’ny indray alina, maninona raha manolo-tena isika hamaky ny 1 isan-jato amin’izany fotsiny—pejy fito isan’andro fotsiny—na tanjona hafa azo atao arakaraka ny toe-javatra iainanao? Azo heverina ve hoe ny fanambarana madinidinika nefa tsy tapaka an’ ireo ezaka maromaro azo atao eo amin’ny fiainantsika no fomba farany handresena na dia ny fahalementsika faran’izay ratsy indrindra aza? Moa ve io fomba fiady kely entina mandresy ny fahalementsika io tena afaka ny handaitra tokoa?

Nilaza ny mpanoratra mendri-piderana iray James Clear fa io paikady io dia mampitombo ny herijika hahombiazantsika. Notohanany fa hoe ny “fahazarana no —-zana-bola mitambatambatry ny fivoaran’ny tena manokana.- Raha toa ianao ka afaka mihatsara iray isan-jato monja isan’andro, amin’ny faran’ny taona dia … hihatsara avo 37 heny ianao.”3

Ireo tombontsoa kely azon’i Brailsford dia nanomboka tamin’ny zavatra miharihary toy ny fitaovana, ny kojakojam-panamiana ary ny lamina arahina ho an’ny fanazaran-tena. Fa tsy nijanona teo fotsiny ny ekipany. Nanohy nitady fanatsarana 1 isan-jato izy ireo teo amin’ny sehatra tsy dia noraharahiana sy tsy nampoizina toy ny sakafo, ary na dia ny fanovana kely tamin’ny fikojakojana aza. Rehefa nandeha ny fotoana, dia ireo fanatsarana madinika maro isan-karazany ireo no nitambatra ho lasa vokatra mahatalanjona izay tonga haingana kokoa noho izay azon’ny olona heverina. Tena tao anatin’ ilay fitsipika mandrakizain’ny “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely” izy ireo.4

Moa ve fanitsiana kely dia hahomby amin’ny “fiovana mahery vaika”5 izay irianao? Raha ampiharina araka ny tokony ho izy dia azoko antoka 99 isan-jato fa hety aminao izy ireny! Saingy ny zavatra iray tokony hitandremana amin’ity fomba fiady ity dia hoe mba hahatonga ireo zavatra madinika ireo hitambatra, dia tsy maintsy ilaina ny ezaka tsy tapaka isan’andro isan’andro. Ary na dia tsy tena ho tonga lafatra aza isika dia tsy maintsy vonona isika hampitovy lenta ny fikirizantsika amin’ny faharetantsika. Ataovy izany dia hitondra ho anao ilay fifaliana sy fiadanana izay katsahinao ireo valisoa sarobidin’ny fahamarinana tsy mitsaha-mitombo. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelsona hoe: “Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”6

Sary
Voan-tsinapy
Sary
hazo tsinapy

Raha ny mikasika io fepetran’ny finoana tsy azo ialana io dia mazava ny soratra masina. Ny zavatra hany takina voalohany dia ny “sombiny amin’ny finoana.”7 Ary raha toa isika afaka mamboly io toe-tsaina tahaka ny an’ny “voan-tsinapy” io8 dia ho afaka ihany koa hanantena fivoarana tsy ampoizina sy miavaka eo amin’ny fiainantsika. Kanefa tsarovy, fa toy ny tsy hanandramantsika ny hanova ao anatin’ny indray mipi-maso ny toetra ratsintsika toy ny an’i Attila le Hun ho lasa toy ny toetran’i Mère Teresa, dia tahaka izany koa no tokony hamerenantsika tsikelikely amin’ny tokony ho izy ny lamin’ny fivoarantsika. Na dia goavana aza ny fiovana ilainao atao eo amin’ny fiainanao dia atombohy amin’ny antanan-tohatra tsikelikely izany. Marina izany, indrindra rehefa mahatsapa ho trotraka na kivy ianao.

Io dingana io dia tsy voatery ho tanteraka amin’ny fomba misesy mazava tsara. Na dia eo anivon’ireo olona tena tapa-kevitra aza dia mety hisy ny fihemorana. Noho izaho efa niaina izany fahasorenana izany teo amin’ny fiainako manokana, dia fantatro fa indraindray izany dia mety ho tahaka ny hoe mandroso 1 isan-jato dia avy eo mihemotra 2 isan-jato. Kanefa raha mitoetra ho be herim-po hatrany isika eo amin’ny fahavononantsika hanatratra fotsiny ireo fitomboana 1 isan-jato ireo, dia Izy ilay “nivesatra ny fahoriantsika”9 no hanampy antsika.

Mazava ho azy fa raha toa isika tafalatsaka ao anatin’ireo fahotana goavana dia mazava sy tsy mampisalasala ny tenin’ny Tompo; mila miato isika sy mangataka fanampiana amin’ireo evekantsika, ary miverina avy hatrany amin’io fampiharana io. Kanefa araka ny nandidian’ny Loholona David A. Bednar hoe: “Fanatsarana madinika sy tsy tapaka ary mivoatra tsikelikely no dingana tian’ny Tompo hataontsika. Ny fiomanana handeha tsy misy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra no isan’ny tanjona voalohan’ny fiainana an-tany sy zava-katsahina mandritra ny androm-piainana; izany dia tsy azo avy amin’ny fanaovana asa ara-panahy amin-kafanam-po tsindraindray tadiavina.”10

Sary
Mpitaingina bisikileta Britanika

Noho izany, moa ve tena mandaitra io fomba fiady kely mba hiatrehana ny fibebahana sy fiovana tena izy io? Moa ve tsy ny fivoizana no mitondra ny fahombiazana, raha izay no mahalaza azy? Diniho izay nitranga tamin’ny hazakazaka am-bisikileta Britanika tao anatin’ny roapolo taona lasa hatrizay nampiharana an’io foto-kevitra io. Ankehitriny dia efa in-enina izao ireo mpihazakazaka am-bisikileta Britanika no nandrombaka tamin’ny fomba mahagaga ny Tour de France izay fanta-daza. Nandritra ireo lalao Ôlimpika efatra farany dia i Grande Bretagne no firenena namiratra indrindra tamin’ireo taranja hazakazaka am-bisikileta. Ary tamin’ny lalao Ôlimpika tany Tokyo vao tsy ela teo dia nahazo medaly volamena betsaka kokoa noho ny firenena hafa rehetra i Royaume-Uni teo amin’ny hazakazaka am-bisikileta.

Sary
Tompondaka Ôlimpika

Sarin’ireo mpitaingina bisikileta Britanika (manaraka ny fihodin’ny famantaranandro avy eo amin’ny faratampony havia) Friedemann Vogel, John Giles, ary i Greg Baker/Getty Images

Saingy sarobidy mihoatra lavitra ny medaly volafotsy sy volamena, ny fampanantenana sarobidy eo amin’ny lalantsika mankany amin’ny mandrakizay dia hoe handresy tokoa ao amin’i Kristy isika.11 Ary rehefa manolo-tena ny hanao ireo fanatsarana madinika sy tsy tapaka isika dia nampanantenaina fa “hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba.”12 Miaraka amin’ny fisitrahanao io famantarana ny hazavana tsy mety lefy io dia manasa anao aho handinika ny fiainanao ary hijery izay zavatra mampikatso sy mampihisatra anao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ary avy eo dia manàna fomba fijery mivelatra. Katsaho ireo fanamboarana tsotra nefa azo tanterahina eo amin’ny fiainanao ka mety hiteraka fifaliana mamy amin’ny fivoarana hihatsara tsikelikely fotsiny.

Tsarovy fa vatokely iray monja no nampiasain’i Davida hiadiana tamin’ilay olona goavam-be toa tsy hay resena. Saingy nanana vato efatra hafa efa vonona izy. Mitovy amin’izany izany, ny toe-javatra niainan’i Almà Zanany sy ny hiafarany mandrakizay dia niova tamin’ny alalan’ny eritreritra iray tsotra sy miavaka monja, dia ny fahatsiarovana ireo fampianaran-drainy mikasika ny fahasoavana mamonjin’i Jesoa Kristy. Ary toy izany koa ny Mpamonjintsika izay, na tsy nanam-pahotana aza, dia “tsy nandray hatramin’ny voalohany ny fahafenoana, … fa nanohy fahasoavana niampy fahasoavana ambara-pandraisany ny fahafenoana.”13

Sary
Jesoa Kristy

Izy ilay mahalala rehefa misy tsintsina latsaka amin’ny tany no mifantoka tahaka izany koa amin’ireo fotoana bitika sy ireo fotoana goavana eo amin’ny fiainantsika, ary vonona izao ankehitriny izao hanampy anao amin’izay mety ho 1 isan-jato katsahinao aorian’ity fihaonambe ity. Satria ny ezaka tsirairay ataontsika mba hiova, na dia madinika tahaka ny inona aza amintsika, dia mety hitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainantsika.

Noho izany antony izany dia nampianatra an’izao ny Loholona Neal A. Maxwell: “Ny fanamafisana faniriana marina tsirairay, ny asam-panompoana tsirairay ary ny asa fitsaohana tsirairay, na madinika sy mitombo tsikelikely aza dia manampy amin’ny tanjaky ny fanahintsika.”14 Tena marina fa amin’ny alalan’ny zavatra madinika sy tsotra, ary eny na dia 1 isan-jato ihany aza no ahafahana manatanteraka zavatra lehibe.15 Ny fandresena faratampony dia azo antoka 100 isan-jato, “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao,”16 amin’ny alalan’ny hery sy ny fahasoavana ary ny famindram-pon’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.