Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Kanto tsotra izao—Tsotra ao anatin’ny hakantony
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Kanto tsotra izao—Tsotra ao anatin’ny hakantony

Enga anie isika hitazona ny filazantsara ho tsotra rehefa mandray eo amintsika ireo andraikitra voatendrin’ Andriamanitra.

Teny fanolorana

Manolotra fiarahabana feno hafanam-po aho ho anareo tsirairay izay mandray anjara amin’ity fihaonambe ity.

Anio aho dia manantena ny hahalazalaza singa anankiroa ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, arahina tantara efatra mampihetsi-po momba-na Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao izay maneho ny fampiharana ireo fitsipika ireo. Ilay singa voalohany ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, izay asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy fisandratana, dia mifantoka amin’ireo andraikitra voatendrin’ Andriamanitra. Ilay singa faharoa dia mampahatsiahy antsika fa ny filazantsara dia mazava sy sarobidy ary tsotra.

Andraikitra voatendrin’ Andriamanitra

Mba hahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy “[manatona] an’i Kristy [isika], ary hatao tanteraka ao Aminy.”1 Rehefa manatona an’i Kristy isika ka manampy ny hafa hanao torak’izany koa, dia mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana, izay mifantoka amin’ireo andraikitra voatendrin’ Andriamanitra.2 Ireo andraikitra voatendrin’ Andriamanitra ireo dia mifanojo tsara amin’ireo fanalahidin’ny fisoronana naverin’i Mosesy sy Elia ary Elià tamin’ny laoniny izay voarakitra ao amin’ny fizarana faha -110 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana,3 ary ilay didy lehibe faharoa nomena antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, dia ny hitia ny namantsika tahaka ny tenantsika izany.4 Izy ireo dia hita eo amin’ny pejy roa voalohany ao amin’ny Boky torolalana maneran-tany navaozina, izay ho an’ny mpikambana rehetra.

Raha mampangovitra anao noho ny tahotry ny zava-tsarotra ny mandre ny teny hoe “Boky torolalana maneran-tany” na “andraikitra voatendrin’ Andriamanitra” dia aoka tsy ho izany. Tsotra sy nentanim-panahy sy mahafeno risi-po ary azo tanterahina ireo andraikitra ireo. Ireto ary izy ireo:

  1. Miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

  2. Mikarakara ireo izay sahirana

  3. Manasa ny rehetra handray ny filazantsara

  4. Mampitambatra ireo fianakaviana ho mandrakizay

Azonao jerena tahaka ny fijeriko azy izy ireo: toy ny tondro zotra miverina mankany amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana.

Sary
Ireo singa ao anatin’ny asa famonjena sy ny fisandratana.

Ny filazantsara dia mazava sy sarobidy ary tsotra

Voalaza fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia “kanto tsotra izao ary kanto ny fahatsorany.”5 Tsy toy izany izao tontolo izao. Fa sarotra, be pitsopitsony ary feno korontana sy fifandirana. Voatahy isika rehefa miezaka mitandrina tsy hamela ny fahasarotana, izay fahita eo amin’izao tontolo izao, hiditra eo amin’ny fomba handraisantsika sy hiainantsika ny filazantsara.

Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks: “Ampianarina zava-madinika sy tsotra maro isika ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mila ampahatsiahivina isika fa rehefa mitambatra mandritra ny fotoana ela ireo zavatra toa madinika ireo dia mahatanteraka zavatra lehibe.”6 I Jesoa Kristy mihitsy no nanorotsoritra fa mora ny ziogany, ary maivana ny entany.7 Tokony hilofo isika rehetra hitazona ny filazantsara ho tsotra, eo amin’ny fiainantsika, ao amin’ny fianakaviantsika, ao amin’ny kilasy sy kôlejy misy antsika, ary ao amin’ny paroasy sy tsatòka misy antsika.

Eo am-pihainoanareo ireto tantara manaraka izay zaraiko aminareo ireto, dia fantaro fa nofantenina tsara izy ireo mba hankahery etsy andaniny ary hampahafantatra etsy ankilany. Ny zavatra nataon’ireo Olomasin’ny Andro Farany tsirairay ireo dia lasa ohatra ho antsika tsirairay, amin’ny fampiharana ny filazantsara amin’ny fomba mazava sy sarobidy ary tsotra eo am-panatanterahana ny iray amin’ireo andraikitra voatendrin’ Andriamanitra izay nampahafantarina vao teo.

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Voalohany, miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mivavaka isan’andro i Jens avy any Danemark mba hiaina ny filazantsara sy hahatsikaritra ny bitsiky ny Fanahy Masina. Nianatra ny handray andraikitra haingana izy rehefa mahatsapa fa tarihin’ny Fanahy.

Sary
Jens avy any Danemark

Nizara izao manaraka izao i Jens:

“Trano hazo kely iray izay feno fifaliana sy mitafo bozaka eo afovoan’ny tanàna kely mahatamana, akaikin’ny dobo ao amin’ilay tanàna no ipetrahanay.

Sary
Tanàna kely mahafinaritra
Sary
Dobon’ny tanàna kely

“Tamin’io alina io dia farak’izay kanto ny toetr’andro tamin’ny fahavaratr’i Danemark, nisokatra ny varavarana sy varavarankely ary ny zava-drehetra dia nisy ritsoky ny fiadanana sy ny fahatoniana. Noho ny alin’ny fahavaratra any aminay izay mazava be sady maharitra dia tsy maika aho ny hanolo ilay takamoa simba tao amin’ny efitra fampirimanay entana.

Sary
Jiron’ny efitrano fampiriman’entana

“Tampoka teo dia naharay fahatsapana mahery vaika aho fa tokony hanolo izany eo no eo! Tamin’izay fotoana izay ihany dia nahare an’i Mariann vadiko aho niantso ahy sy ny ankizy hanasa ny tananay fa efa vonona ny sakafo hariva!

“Efa ela no nanambadiako ka dia fantatro fa tsy io no fotoana hanombohana manao zavatra ankoatra ny manasa tanana, kanefa tafateny tamin’i Mariann aho hoe handeha vetivety any amin’ny mpivarotra mba hividy takamoa. Nahatsapa fitaomana hiainga avy hatrany aho.

“Eo am-pitan’ilay dobo fotsiny no misy ilay fivarotana. Mandeha an-tongotra izahay raha ny mahazatra fa androany aho dia nandeha bisikileta. Rehefa nandalo afaka an’ilay dobo aho dia nahatsikarika rehefa nijery tamin’ny sisiny fa nisy zazalahy kely teo amin’ny roa taona teo nandeha irery, teo akaikin’ny sisin’ilay dobo, tena efa akaiky kely ny rano, tampoka teo dia latsaka tao izy! Teo izy iray minitra lasa, avy eo dia tsy hita intsony!

“Tsy nisy nahita izany ankoatra ny tenako. Natsipiko tamin’ny tany ny bisikiletako dia nihazakazaka aho ary nitsambikina tao amin’ilay dobo izay hatreo amin’ny valahako. Norakofan’ny tsikafona avy hatrany ilay rano, hany ka tsy hita izay ao anaty rano. Avy eo dia nahatsapa zavatra nihetsika aho teo amin’ny ilany iray. Natsoboko tao anaty rano ny sandriko, nosamboriko ilay ambonin’akanjo ary nosintomiko niakatra ilay zazalahy kely. Nanomboka nisefosefo sy nikohaka ary nitomany izy. Fotoana fohy taorian’izay dia tafaraka indray tamin’ny ray aman-dreniny ilay zazalahy.”

Sary
Jens mianakavy

Rehefa mivavaka isa-maraina Rahalahy Jens mba hahazo fanampiana hamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina, eny fa na zavatra tsy mahazatra toy ny hoe manolo takamoa eo no eo aza, dia mivavaka ihany koa izy mba ho afaka ny ho fitaovana hitahiana ireo zanak’ Andriamanitra. Miaina ny filazantsara i Jens amin’ny fikatsahana torolalana avy any an-danitra isan’andro, miezaka ny ho mendrika, avy eo manao izay tsara indrindra vitany hanarahana izany torolalana izany rehefa tonga izany.

Mikarakara ireo sahirana

Ity indray ohatra iray mikasika ny fikarakarana ireo sahirana. Indray andro ny filohan’ny tsatòkan’i Cucuta any Colombie nandeha niaraka tamin’ny filohan’ny Zatovovavin’ny tsatòka mba hamangy zatovovavy anankiroa sy ny zokin’izy ireo lahy izay zatovo ihany koa, izay nandalo olana sarotra. Vao haingana no nodimandry ny rain’izy ireo ary nodimandry herin-taona talohan’izay ny renin’izy ireo. Tavela ho irery izy telo mianadahy ankehitriny ao amin’ilay fialofany kely sy tsotsotra. Vita amin’ny hazo bontolo ny rindrina ary norakofana harona plastika, ary ilay tafo vita amin’ny vy fotsy miendrika onja dia tsy mandrakotra afa-tsy ny faritra natorian’izy ireo.

Taorian’ny fitsidihan’izy ireo dia nahafantatra ireo mpitarika ireo fa nila nanampy. Tamin’ny alalan’ny filankevitry ny paroasy dia nanomboka nivoaka ny drafitra hanampiana azy ireo. Ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy tsatòka, ny Fikambanana Ifanampiana, ny kôlejin’ny loholona, ny Zatovolahy, ny Zatovovavy sy ny fianakaviana maro, dia nivonona avokoa ho amin’ilay asa mba hitahiana io fianakaviana io.

Sary
Trano vao hatsangana
Sary
Trano vao hatsangana

Ireo vondrona ao amin’ny paroasy dia nifandray tamin’ny mpikambana maromaro tao amin’ny paroasy izay miasa amin’ny fanorenana trano. Ny sasany nanampy tamin’ny famolavolana, ny hafa nanome fotoana sy heri-tsandry, ny hafa nanao sakafo ary ny hafa nanome ireo fitaovana nilaina.

Sary
Trano efa vita

Rehefa vita ilay trano kely, dia tena andro feno fifaliana izany ho an’ireo izay nanampy sy ho an’ireo zatovo telo mpikamban’ny paroasy. Nahatsapa ireo kamboty ireo fa nisy fifandraisana feno hafanam-po sy mampatoky indray teo amin’ny fianakaviamben’ny paroasiny ka nahafantatra izy ireo fa tsy irery ary Andriamanitra dia eo foana ho azy ireo. Ireo izay nanolo-tanana dia nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ho an’io fianakaviana io ary izy ireo no tanany tamin’ny fanompoana azy ireo.

Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara

Mieritreritra aho fa ho tianareo ity ohatra amin’ny fanasana ny rehetra handray ny filazantsara ity. I Cleiton avy any Cap Vert izay fito ambin’ny folo taona dia tsy nahafantatra hoe inona no hitranga vokatry ny fandehanany tao amin’ny kilasin’ny seminera indray andro. Kanefa ny fiainany sy ny fiainan’ny hafa dia hiova rahatrizay satria nanao izany izy.

I Cleiton sy ny reniny ary ny zokiny lahy dia natao batisa tao amin’ny Fiangonana efa elaela izay, kanefa nijanona tsy nanatrika intsony ity fianakaviana ity. Ny fanatrehany ny seminera no hany lasa dingana nanova ny fiainan’ilay fianakaviana.

Ireo tanora hafa tao amin’ilay kilasin’ny seminera dia naneho fitiavana sy fandraisana tsara. Nataon’izy ireo izay hahatsapan’i Cleiton fa tsy vahiny izy ary namporisika azy izy ireo hanatrika fiaraha-mientana hafa. Nataony izany, ary tsy ela dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana hafa tao amin’ny Fiangonana izy. Nahita ilay eveka feno fahendrena fa afaka hivoatra be i Cleiton eo amin’ny lafiny ara-panahy ka nanasa azy mba ho lasa mpanampy azy. “Nanomboka teo,” hoy ny Eveka Cruz, “dia lasa ohatra sy nitaona ny zatovo hafa i Cleiton.”

Ny olona voalohany nasain’i Cleiton hiverina any am-piangonana dia ny reniny, avy eo dia ny zokiny lahy. Avy eo dia niitatra tany amin’ireo namany ny olona nasainy. I Wilson, zatovolahy iray mitovy taona aminy, no iray amin’ireo namana ireo. Tamin’ny fihaonany voalohany niaraka tamin’ireo misiônera dia nilaza ny faniriany hatao batisa i Wilson. Talanjona sy gaga ireo misiônera noho ny habetsaky ny zavatra efa nozarain’i Cleiton tamin’i Wilson.

Sary
zatovolahy ao Cap - Vert
Sary
Manasa ny hafa ho any am-piangonana.
Sary
Vondrona tanora mavitrika miha-mitombo

Tsy nijanona teo ny ezaka nataon’i Cleiton. Nanampy ireo mpikambana malaindaina izy mba hiverina, ankoatra ny fizarana ny filazantsara amin’ny namana izay hafa finoana. Ankehitriny dia misy zatovo 35 mazoto ao amin’ny paroasy, ary miroborobo ny fandaharan’ny seminera, izany rehetra izany dia noho ny ezaka nataon’i Cleiton mba hitia sy hizara ary hanasa. I Cleiton sy i Cléber zokiny lahy dia samy miomana hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno.

Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay

Farany dia ity misy ohatra tena tsara amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Tamin’ny misiônera no nianaran’i Lydia avy any Kharkiv Ukraine voalohany ny momba ny tempoly. Avy hatrany i Lydia dia nahatsapa faniriana mahery vaika ny hankany amin’ny temply, ary taorian’ny batisany dia nanomboka ny fiomanana handray ny fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly izy.

Nankany amin’ny tempolin’i Fribourg Allemagne i Lydia mba handray ny fanafiany masina ary avy eo nanao asa fisoloan-tena tany izy nandritra ny andro maromaro. Taorian’ny nanokanana ny tempolin’i Kiev Ukraine, dia nankany amin’ny tempoly matetika kokoa i Lydia. Tao no namehezana azy sy Anatoly vadiny ary avy eo nantsoina ho misiônera ao amin’ny tempoly izy ireo. Niaraka nahita anarana razambe mihoatra ny 15.000 izy ireo ary niasa mba hanomezana ny ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.

Sary
Mpivady Okreniaina eo amin’ny tempoly

Rehefa anontaniana izy momba ny fahatsapany mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly, dia hoy i Lydia hoe: “Inona no noraisiko tany amin’ny tempoly? Nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra aho. Nampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananako. Nianatra nandray fanambarana ho an’ny tena manokana aho. Afaka manatanteraka ôrdônansy mitondra famonjena ho an’ireo razambeko efa nodimandry aho. Ary afaka mitia sy manompo ny olona hafa aho.” Nofaranany tamin’izao filazana tena marina izao ny teniny hoe: “Tian’ny Tompo ho hita matetika any amin’ny tempoly isika.”

Fehin-kevitra

Mankahery ahy ny hatsaram-pon’ireo Olomasin’ny Andro Farany ireo, izay samy manana ny toe-java-misy niaviany avy izay mifototra amin’ireo tantara efatra ireo. Betsaka no azo ianarana avy amin’ny zava-mahagaga nateraky ny fampiharana tsotra ireo fitsipiky ny filazantsara tsotra. Azontsika atao koa ireo zavatra rehetra nataon’izy ireo.

Enga anie isika hitazona ny filazantsara ho tsotra rehefa mandray eo amintsika ireo andraikitra voatendrin’ Andriamanitra: dia ny hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka hihaino ireo bitsika tahaka ny nataon’i Jens any Danemark. Hikarakara ireo izay mila fanampiana araka ny nasehon’ireo mpikambana ao amin’ny tsatòkan’i Cucuta any Colombie amin’ny fanomezana fialofana ho an’ireo kamboty mpikamban’ny paroasy. Hanasa ny rehetra handray ny filazantsara araka ny nataon’i Cleiton avy any Cap Vert, nosy firenena any Afrika, tamin’ireo namany sy ny fianakaviany. Ary farany, hampiray ny fianakaviana ho mandrakizay tahaka ny ohatra nasehon’ny Rahavavy Lydia avy any Ukraine, amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny tempoly izay azy sy ny ezaka nataony amin’ny tantaram-pianakaviana ary ny fanompoana any amin’ny tempoly.

Ny fanaovana izany dia azo antoka fa hitondra fifaliana sy fiadanana. Izany no ampanantenaiko sy ijoroako ho vavolombelona aminareo, sy ny amin’i Jesoa Kristy izay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Môrônia 10:32.

  2. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.2, ChurchofJesusChrist.org.

  3. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16. Jereo ihany koa ny Dallin H. Oaks, “Ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidy,” Liahona, mey 2020, 70: “Taorian’ny fanokanana ny tempoly voalohany tamin’ity fotoampitantanana ity tao Kirtland Ohio, dia nisy mpaminany anakintelo, i Mosesy sy i Elià ary i Elia, namerina tamin’ny laoniny “ny fanalahidin’ity fotoampitantanana ity,” ka anisan’izany ireo fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny asa atao any amin’ny tempolin’ny Tompo.” Jereo ihany koa ny Quentin L. Cook, “Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 114: “Naverin’ireo mpaminany fahiny tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena mandrakizay ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. … Ireo fanalahidy ireo dia mitondra -hery avy any ambony- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:38] hanatanterahana asa masina nampandraiketina izay mandrafitra ny tanjona fototry ny Fiangonana.”

  4. Jereo ny Matio 22:36–40.

  5. Jereo ny Matthew Cowley Speaks: Discourses of Elder Matthew Cowley of the Quorum of the Twelve of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints (1954), xii.

  6. Dallin H. Oaks, “Zava-madinika sy tsotra,” Liahona, mey 2018, 89.

  7. Jereo ny Matio 11:30.