2010–2019
Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra.
Aprily 2018


Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra

Ny fanatontosana ireo asa masina nampandraiketina amim-pahamarinana sy firaisankina ary fitovian-jo dia hanomana antsika hihaona amin’ Andriamanitra.

Raha niresaka momba ny fitokanana ny Tempolin’i Kirtland (izay natrehany) i Eliza R. Snow, dia nilaza izy hoe: “Mety azo haverina ireo fombafomba natao nandritra io fitokanana io, saingy tsy misy teny afaka mamariparitra ny zava-nitranga masina tamin’io andro manan-tantara io. Nisy anjely niseho tamin’ny olona sasany, raha toa ka nahatsapa ny fanatrehan’ Andriamanitra ny rehetra nanatrika teo, ary heniky ny fifaliana tsy hay lazaina sy feno voninahitra ny fo tsirairay.”1

Ireo fisehoana masina nitranga tao amin’ny Tempolin’i Kirtland dia fototry ny tanjon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny izay hanatanteraka ny famonjena sy ny fisandratan’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra.2 Eo am-piomanantsika hihaona amin’ Andriamanitra dia afaka mahafantatra ireo asa masina nampandraiketina antsika isika amin’ny alalan’ny fandinihana ny momba ireo fanalahidy masina naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny Tempolin’i Kirtland.

Tao amin’ny vavaka fitokanana nataony dia nitalaho tamim-panetrentena tamin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith mba “hanaiky ity trano ity … izay nandidianao anay haorina.”3

Herinandro taty aoriana, tamin’ny alahadin’ny Paska, dia niseho tao anatin’ny fahitana mahatalanjona ny Tompo ary nanaiky ilay tempoliny. Nitranga tamin’ny 3 aprily 1836 izany, saika ho 182 taona katroka amin’izao alahadin’ny Paska izao. Vanim-potoan’ny Paska fahizay ihany koa tamin’izay, anisan’ireo fotoana mahalana hifanindrian’ny Paska sy ny Paska fahizay. Rehefa nifarana ilay fahitana dia mpaminany fahiny anankitelo, i Mosesy sy Elià ary i Elia, no niseho sy nanome fanalahidy izay tena nilaina ho an’ny fanatanterahana ny tanjon’ny Tompo ho an’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny amin’izao fotoampitantanana izao. Io tanjona io dia nofaritana tamin’ny fomba tsotra nefa mazava hoe fanangonana an’i Isiraely sy famehezana azy ireo ho fianakaviana ary fanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Tompo fanindroany.4

Ny fisehoan’i Elia sy i Mosesy dia “fampitahana mahavariana … [amin’ny] fomban-drazana Jiosy, izay milaza fa hiaraka ho avy any amin’ny faran’ ny fotoana i Mosesy sy i Elia”5 Ao amin’ny fotopampianarantsika ity fisehoana ity dia nahatanteraka ny fototry ny famerenana ireo fanalahidy sasany amin’ny laoniny izay “omena … ho an’ny andro farany sy ho an’ny fotoana farany izay ao amin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana.”6

Ny Tempolin’i Kirtland, na ny toerany izany na ny habeny, dia azo lazaina fa tsy dia fantatra loatra. Saingy raha ny lanjany lehibe ho an’ny zanak’ olombelona no resahina, dia nandrafitra ny mandrakizay izany. Naverin’ireo mpaminany fahiny tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena mandrakizay ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Niteraka fifaliana sesehena ho an’ireo mpikambana mahatoky izany.

Ireo fanalahidy ireo dia mitondra “hery avy any ambony”7 hanatanterahana asa masina nampandraiketina izay mandrafitra ny tanjona fototry ny Fiangonana.8 Tamin’io andron’ny Paska mahafinaritra tao amin’ny Tempolin’i Kirtland io dia fanalahidy anankitelo no naverina tamin’ny laoniny:

Voalohany, niseho i Mosesy ary nanolotra ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely avy any amin’ny vazan-tany efatra, izany hoe ny asa fitoriana ny filazantsara.9

Faharoa, niseho i Elià ary nanolotra ireo fanalahidin’ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama, izay ahitana ny famerenana amin’ny laoniny ny fanekempihavanan’i Abrahama.10 Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa ny tanjon’ireo fanalahidin’ny fanekempihavanana dia ny hanomana ireo mpikambana ho amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Hoy izy hoe: “Fantatsika hoe iza isika ary inona no andrasan’ Andriamanitra amintsika.”11

Fahatelo, niseho i Elia ary nanolotra ireo fanalahidin’ny hery famehezana amin’izao fotoampitantanana izao, izany hoe ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny ôrdônansin’ny tempoly izay ahafahana manatanteraka ny famonjena ny velona sy ny maty.12

Eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, dia misy filankevitra mpanatanteraka telo ao amin’ny foiben’ny Fiangonana izay mitantana ireo asa masina nampandraiketina mifototra amin’ireo fanalahidy naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ireo. Izany dia ny Filankevitra mpanatanteraky ny asa fitoriana, ny Filankevitra mpanatanteraky ny fisoronana sy ny fianakaviana, ary ny Filankevitra mpanatanteraky ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

Aiza ho aiza izao no misy antsika amin’ny fanatanterahana ireo asa masina nampandraiketina ireo?

Voalohany, mahakasika ny famerenan’i Mosesy tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely, amin’izao fotoana izao dia misy misiônera efa ho 70.000 eo no mandeha maneran-tany mitory ny filazantsarany mba hanangonana ireo olom-boafidiny. Izany no fiantombohan’ny fahatanterahan’ilay asa lehibe sy mahatalanjona hitan’i Nefia mialoha teo anivon’ny Jentilisa sy ny fianakaviamben’i Isiraely. Nahita ny androntsika i Nefia dia ny fiparitahan’ny Olomasin’ Andriamanitra manerana izao tontolo izao, saingy ho vitsy an’isa izy ireo noho ny faharatsiana. Saingy hitany mialoha anefa fa “[h]ampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe.”13 Rehefa jerena eo amin’ny tantara fohin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ny ezaka eo amin’ny asa fitoriana dia tena mahavariana mihitsy izany. Mahita ny fahatanterahan’ny fahitan’i Nefia isika. Na dia azo lazaina aza fa vitsy an’isa isika dia hanohy ny ezaka ataontsika sy hiantefa amin’ireo izay hamaly ny hafatry ny Mpamonjy isika.

Faharoa, niseho i Elià ary nanolotra ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama sady nanambara fa ao amintsika sy ny taranatsika no hitahiana ny taranaka fara aman-dimby rehetra. Nandritra ity fihaonambe ity dia fitarihana manan-danja no natolotra mba hanohanana ny fanatanterahana ireo Olomasina ary hampiomanana azy ireo ho amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.14 Ny fanambarana tao amin’ny fivorian’ny fisoronana mikasika ireo kôlejin’ny loholona sy ny mpisorona avo dia hampipoaka ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana. Ny famangiana sy ny fampianarana isan-tokantrano, izay antsoina ankehitriny hoe “fanompoana,” izay nampianarina mazava tsara nandritra ity fivoriana ity dia hanomana ireo Olomasin’ny andro farany hihaona amin’Andriamanitra.

Fahatelo, nanolotra ireo fanalahidin’ny famehezana an’ity fotoampitantanana ity i Elia. Ho antsika izay mbola velona amin’izao fotoana izao dia tena mahatalanjona mihitsy ny fitombon’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Izao hafainganam-pandeha izao dia mbola hitohy sy hihafaingana mandrapahatonga ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany, raha tsy izany dia “hofongorona tanteraka ny tany manontolo amin’ny fiaviany.”15

Ny asan’ny tantaram-pianakaviana, izay tahian’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teknôlôjia, dia nitombo izaitsizy nandritra ireo taona vitsivitsy lasa izay. Tsy fahendrena ny lasa matoritory raha ny mahakasika an’ity asa masina nampandraiketina ity ka hanantena fa i Nenitoa Rasoa na ny havana mazoto hafa no hisahana izany. Mamelà ahy hizara aminareo ny teny hentitra nolazain’ny Filoha Joseph Fielding Smith: “Voakasik’ity adidy lehibe ity avokoa ny olon-drehetra. Na ny apôstôly na ny loholona [na rahavavy] tsotra indrindra dia takiana hanao izany. Ny anjara toerana, na ny mari-pahamendrehana, na ny fotoana ela nanompoana tato amin’ny Fiangonana dia tsy tokony hanamarina ny tsy firaharahian’ny olona iray ny famonjeny ny razambeny.”16

Ankehitriny isika dia manana tempoly manerana izao tontolo izao sy ny loharano avy amin’ny kitapom-bola fanampiana amin’ny fankanesana any amin’ny tempoly mba hanampiana ireo olona sahirana izay lavitry ny tempoly.

Isika tsirairay dia tokony hanombatombana ny ezaka ataontsika amin’ny fanatontosana ny asa fitoriana, sy ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ary ny fiomanana hihaona amin’Andriamanitra.

Ny fahamarinana sy ny firaisankina ary ny fitovian-jo eo anoloan’ Andriamanitra dia mitondra fanorenana ho an’ireo asa masina nampandraiketina ireo

Raha mahakasika ny fahamarinana, izao fiainana izao no fotoana hiomanantsika rehetra hihaonana amin’ Andriamanitra.17 Ny Bokin’i Môrmôna dia manome ohatra maro maneho ny vokatra mampalahelo rehefa tsy nahatandrina ny didin’ Andriamanitra ny olona sy vondron’olona.18

Nandritra ny fiainako dia niova izaitsizy ny olana sy ny ahiahin’izao tontolo izao, manomboka amin’ireo zavatra tsisy dikany loatra ka hatramin’ireo tsy fahadiovana ara-pitondrantena goavana. Deraina mihitsy ny namborahana sy nanamelohana ny fisian’ny tsy fahadiovam-pitondrantena tsy nifanekena.19 Izany tsy fahadiovam-pitondrantena tsy nifanekena izany dia mifanohitra amin’ny lalàn’ Andriamanitra sy ny fiarahamonina. Ireo izay mahatakatra ny drafitr’ Andriamanitra dia tokony hanohitra ihany koa ny tsy fahadiovam-pitondrantena nifanekena, izay fahotana ihany koa. Ny fanambarana ho an’izao tontolo izao dia mampitandrina “fa ireo izay mandika ny fanekempihavanan’ny fahadiovam-pitondrantena, ireo izay mamono ny vadiny sy ny taranany [na olona hafa raha ity no resahina] … dia hijoro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra indray andro any.”20

Rehefa mijery ny manodidina antsika isika dia mahita ny faharavana entin’ny faharatsiana sy ny fiankinandoha eny rehetra eny. Raha toa isika mahatsiaro tena ho voakasika manokana amin’ny fitsarana farany ataon’ny Mpamonjy amintsika, dia tokony hikatsaka ny hibebaka. Manahy aho fa betsaka ny olona no tsy mahatsiaro ho tompon’ andraikitra intsony eo anatrehan’ Andriamanitra ary tsy mitodika ao amin’ny soratra masina na ny mpaminany intsony hahazoana fitarihana. Raha toa isika, amin’ny maha fiarahamonina antsika, mandinika ireo vokatry ny fahotana, dia hisy fanoherana lehibe am-pahibemaso manohitra ny pôrnôgrafia sy ny faniratsirana ny vehivavy.21 Araka ny voalazan’i Almà tamin’i Kôriantôna zanany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”22

Mahakasika ny firaisankina, dia nanambara ny Mpamonjy hoe: “Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy.”23 Fantatsika fa avy amin’ny devoly ny fanahin’ny fifandirana.24

Amin’izao androntsika izao dia lehibe loatra ny tsy firaharahiana ilay didy hoe tokony hiray hina ao amin’ny soratra masina, ary ho an’olona maro dia ny fanavakavahana saranga no hifantohana,25 izay matetika mifototra amin’ny toerana misy anao eo amin’ny fiarahamonina, ny maha lahy na vavy, ny volon-koditra, ary ny harena. Any amin’ny firenena maro, ary saika na aiza na aiza mihitsy, dia mizarazara be ny olona raha ny amin’ny tokony ho fomba fiainana. Ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, ny hany kolontsaina arahintsika ary ampianarintsika dia ny kolontsainan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny firaisankina katsahintsika dia ny mba hiray amin’ny Mpamonjy sy ireo fampianarany.26

Rehefa mijery ireo tanjona fototry ny Fiangonana isika dia miainga avy amin’ny fitovian-jo eo anatrehan’ Andriamanitra 27 avokoa izy ireo sy amin’ny fanarahana ny kolontsain’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha mahakasika ny asa fitoriana, ireo fepetra fototra ho an’ny batisa dia ny fanetrentena eo anoloan’ Andriamanitra ary ny fanatonana amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina.28 Tsy heverina akory ny fianarana natao, ny harena, ny volon-koditra, na ny fierenena niaviana.

Ankoatra izany dia manompo amim-panetrentena na aiza na aiza hiantsoina azy ireo ny misiônera. Tsy mikasa hanompo araka ny fenitra napetrak’izao tontolo izao izy ireo na ho fiomanana amin’ny lalan-kasany amin’ny ho avy. Manompo amin’ny fo, sy ny hery, sy ny saina, ary ny tanjak’izy ireo manontolo izy ireo na aiza na aiza toerana handefasana azy ireo. Tsy mifidy izay ho misiônera hiara-hiasa aminy izy ireo, ary mikatsaka amim-pahazotoana ny hanana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy,29 izay ivon’ny kolontsain’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ny soratra masina dia manome fitarihana ho an’ireo fifandraisantsika manan-danja indrindra. Nampianatra ny Mpamonjy fa ny didy lehibe indrindra dia ny “[mitia] an’i Jehovah Andriamanitrao.” Ary ny faharoa dia ny “[mitia] ny namanao tahaka ny tenanao.”30

Ny Mpamonjy dia nampianatra ihany koa fa ny olona rehetra dia namantsika.31 Nataon’ny Bokin’i Môrmôna mazava tsara fa tsy tokony hisy karazana -ita, na foko, na saranga.32 Tsy maintsy miray hina isika sy manan-jo mitovy eo anatrehan’Andriamanitra.

Miorina amin’ny fanekena izany ireo ôrdônansy masina sy ireo andraikitra avy amin’ Andriamanitra. Ny zavatra andrandraiko dia ny hoe mitovy amin’ny zavatra iainako ny zavatra iainanao ao amin’ny tempoly. Rehefa tapitra ny asa fanaoko isan’andro any San Francisco, ka tonga ao amin’i Tempolin’i Oakland aho, dia hiaina fahatsapana fitiavana sy fiadanana hanenika ahy. Ny ampahany lehibe amin’izany dia ny fahatsapana fa akaiky kokoa an’ Andriamanitra sy ny tanjony aho. Ireo ôrdônansin’ny famonjena no hifantohako voalohany indrindra, saingy ny ampahany lehibe amin’izany fahatsapana mahafinaritra izany dia ny fitovian-jo sy ny firaisankina izay manenika ny tempoly. Ny tsirairay dia samy mitafy akanjo fotsy. Tsy hita taratra ny harena, na ny saranga, na ny fianarana nolalovana; mpiray tampo manetry ny tenantsika eo anoloan’ Andriamanitra avokoa isika rehetra.

Ao amin’ny efitra masina fanaovana famehezana dia mitovy ho an’ny rehetra ny ôrdônansin’ny fanambadiana mandrakizay. Tiako be ny hoe ny mpivady farany izay tsotra sy ny mpivady farany izay manan-katao dia miaina zavatra mitovy tsisy hafa. Mitovy ny karazana akanjo tafian’izy ireo ary mitovy ny fanekempihavanana ataon’izy ireo eo amin’ny alitara mitovy. Mitovy ihany koa ny tsodrano mandrakizain’ny fisoronana raisin’izy ireo. Izany dia tanterahina ao anatin’ny tempoly tsara tarehy iray natsangana avy tamin’ny fahafolonkaren’ny Olomasina mba ho trano masin’ny Tompo.

Ny fanatontosana ireo asa masina nampandraiketina amin’ny alalan’ny fahamarinana sy ny firaisankina ary ny fitovian-jo eo anatrehan’ Andriamanitra dia mitondra fahasambarana sy fiadanan’ny tena manokana eto amin’ity izao tontolo izao ity ary manomana antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.33 Manomana antsika hihaona amin’ Andriamanitra izany.34

Mivavaka izahay, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy anao amin’izao fotoana izao, ny hifampiresahanao amin’ny evekanao ary ny mba hahatonga anao ho mendrika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.37

Feno fankasitrahana isika fa mihabetsaka kokoa ireo mpikambana miomana hankany amin’ny tempoly. Nandritra ny taona maro dia nitombo betsaka ny isan’ny olon-dehibe mendrika hihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Nandritra ireo roa taona lasa farany teo dia nitombo izaitsizy ny fahazoan-dalana voafetra natokana ho an’ny zatovo mendrika. Tena mazava fa tsy mbola matanjaka toy ny amin’izao ny fitambaran’ireo mpikambana mahatokin’ny Fiangonana.

Ho famaranana dia manàna fahatokiana fa ireo mpitarika zokiny ao amin’ny Fiangonana izay miahy ireo tanjona masina nampandraiketina ny Fiangonana dia mandray fanampiana avy any an-danitra. Izany fitarihana izany dia avy amin’ny Fanahy ary indraindray dia avy amin’ny Mpamonjy mivantana. Samy omena ireo karazana fitarihana ara-panahy roa ireo. Feno fankasitrahana aho noho ny nandraisako izany fanampiana izany. Saingy omena amin’ny fotoan’ny Tompo ny fitarihana, andalana anampy andalana ary fitsipika anampy fitsipika,36 rehefa “misafidy tsotra izao ny hampianatra anay ny Tompo mahefa ny zava-drehetra.”37 Ny fitarihana ho an’ny Fiangonana manontolo dia tsy omena afa-tsy amin’ny mpaminaniny ihany.

Samy nanana tombontsoa avokoa isika rehetra hanohana ny Filoha Russell M. Nelson ho mpaminanintsika sy ho Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany nandritra ity fihaonambe ity. Ny Roambinifololahy, na izy manontolo izany na ny olona tsirairay ao aminy, dia niaina zavatra ara-panahy tena sarobidy tokoa tamin’ny nametrahanay ny tananay teo ambonin’ny lohan’ny Filoha Nelson, ka ny Filoha Dallin H. Oaks, no mpitondra teny, ary nanendry azy sy nanokana azy ho Filohan’ny Fiangonana. Mijoro ho vavolombelona aho fa efa notendrena mialoha izy ary efa voaomana nandritra ny fiainany manontolo mba ho mpaminanin’ny Tompo amin’ny androntsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.