Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Nahita sitraka tamin’ny Tompo tamin’ny androko rehetra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Nahita sitraka tamin’ny Tompo tamin’ny androko rehetra

Ahoana ny fihetsitsika manoloana ny fahoriana? Moa ve isika mahatsapa fankasitrahana satria mifantoka kokoa amin’ireo fitahiana azontsika fa tsy amin’ny olantsika?

Ny valanaretina COVID-19 dia iray tamin’ireo fitsapana sy fanamby maro izay natrehan’ireo zanak’ Andriamanitra nandritra ny tantaran’izao tontolo izao. Tany am-piandohan’ity taona ity dia nandalo andro maizina izaho sy ny fianakaviana mamiko. Nitondra fahafatesana sy fanaintainana tamin’ny fianakavianay ilay valanaretina sy ny antony hafa tamin’ny fahalasanan’ireo olona lalaina sasany. Na dia teo aza ny fikarakarana ara-pitsaboana sy ny fifadian-kanina ary ny vavaka nandritra ny dimy herinandro dia niampita ny voaly i Charly rahalahiko sy i Susy anabaviko ary i Jimmy zaodahiko.

Nanontany tena aho indraindray hoe nahoana ny Mpamonjy no nitomany rehefa nahita an’i Maria nanaintaina mafy tamin’ny fahafatesan’i Lazarosy anadahiny na dia fantany aza fa nanana ny hery hanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty Izy ary tsy ho ela akory dia ho ampiasainy io hery io hanavotana ny namany tamin’ny maty.1 Mahatalanjona ahy ny fangorahana sy ny fitseran’ny Mpamonjy an’i Maria. Takany ny fanaintainana tsy hay faritana tsapan’i Maria tamin’ny fahatesan’i Lazarosy anadahiny.

Mahatsapa izany fanaintainana mafy izany koa isika rehefa miaina fisarahana vetivety amin’ireo olona lalaintsika. Manana fangorahana tonga lafatra ho antsika ny Mpamonjy. Tsy manome tsiny antsika Izy noho ny tsy fahaizantsika mijery lavitra na noho ny tsy fananantsika fijery mibanjina ny diantsika mankany amin’ny mandrakizay. Fa manana fangorahana ho antsika kosa Izy.

Maniry antsika hanana fifaliana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy zanany.2 Ny Filoha Russel M. Nelson dia nampianatra hoe: “Zara raha misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika ary tena mifandray amin’ny zavatra ifantohan’ny fiainantsika izany. Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra … no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.”3

Fony aho misiônera tanora dia tsaroako ny fotoana nandraisan’ny misiônera mahatalanjona iray izay nankamamiako tokoa vaovao tena nampivarahontsana. Maty tao anaty loza mahatsiravina iray ny reniny sy ny zandriny lahy. Nomen’ny filohan’ny misiôna safidy ny hody io misiônera io hanatrika ny fandevenana. Kanefa rehefa avy niresaka tamin-drainy tamin’ny telefaonina io misiônera io dia nanapa-kevitra ny hijanona ary nanapitra ny misiônany.

Sary
Mamangy misiônera any amin’ny hôpitaly

Fotoana fohy taorian’izay rehefa nanompo tao anaty faritra iray izahay dia nahazo antso maika izaho sy ilay namako, nisy mpangalatra nangalatra ny bisikiletan’io misiônera io ary nandratra azy tamin’ny antsy. Tsy maintsy nandeha an-tongotra izy sy ny namany ho any amin’ny hôpitaly akaiky indrindra raha nifanena tamin’izy ireo izaho sy ny namako. Teny an-dalana ho any amin’ny hôpitaly dia nalahelo mafy an’io misiônera io aho. Neritreretiko fa ho ketraka ny fanahiny ary tsy maintsy ho lasa te hody izy izao taorian’io zavatra niainana nahatsiravina io.

Rehefa tonga tany amin’ny hôpitaly anefa izahay dia hitako io misiônera io nandry teo am-pandriany, niandry ny hitondrana azy hodidiana, ary nitsiky izy. Nieritreritra aho hoe: “Ahoana no ahafahany mitsiky ao anatin’ny fotoana toy izao?” Rehefa nihasalama izy tao amin’ilay hôpitaly dia nanolotra tamim-pahavitrihana ireo bokikely sy tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ireo dokotera sy ireo mpitsabo mpanampy ary ireo marary hafa. Na dia tao anatin’ireo fitsapana ireo aza dia mbola tsy te hody izy. Fa nanompo hatramin’ny fetr’andron’ny misiônany tamim-pahatokiana, tamim-pahavitrihana, tamin-kery, ary tamim-pietanentanana kosa izy.

Any am-piandohan’ny Bokin’i Môrmôna i Nefia dia milaza hoe: “rehefa nahita fahoriana betsaka aho tamin’ny androko, dia nahita sitraka fatratra tokoa tamin’ny Tompo ihany koa aho tamin’ny androko rehetra.”4

Mieritreritra ireo fitsapana maro niainan’i Nefia aho, ary maro tamin’izany no voasoratra ao amin’ny asa sorany. Ny fitsapana niainany dia nanampy antsika hahatakatra fa isika rehetra dia samy manana ny andro mazina ho antsika. Nitranga ny iray amin’ireo fitsapana ireo rehefa nodidiana hiverina tany Jerosalema i Nefia mba haka ireo takela-barahina izay teo am-pelatanan’i Labana. Lehilahy kely finoana ny sasany tamin’ireo rahalahin’i Nefia, ary nikapoka an’i Nefia tamin’ny hazo mihitsy aza izy ireo. Niaina fitsapana iray hafa koa i Nefia rehefa simba ny zanatsipikany ary tsy afaka nahazo sakafo ho an’ny fianakaviany. Taty aoriana rehefa nodidiana hanorina sambo i Nefia dia nihomehezan’ireo rahalahiny izay tsy nanaiky nanampy azy. Na dia teo aza ireo fitsapana ireo sy ny maro hafa nandritra ny fiainany dia nahafantatra ny fahatsaran’ Andriamanitra foana i Nefia.

Sary
i Nefia mifatotra eo ambony sambo

Rehefa niampita ny ranomasimbe ny fianakaviany teny amin’ny lalana ho any amin’ny tany nampanantenaina dia “nanomboka niala liana” ny fianakavian’i Nefia sasany, ary niteny mafy azy sy nanadino fa ny herin’ny Tompo no nitsimbina azy ireo. Rehefa nofaizin’i Nefia izy ireo dia tafintohina ary namatotra azy tamin’ny tady mba tsy hahafahany mihetsika. Milaza ny Bokin’i Môrmôna fa “henjana be ny fitondran[’ny rahalahiny azy]”, ny hatotanany sy ny kitrokeliny dia “nivonto be, ka tena lehibe tokoa ny fanaintainana.”5 Nalahelo noho ny hamafin’ny fon’ireo rahalahiny i Nefia ary indraindray dia nahatsiaro ho ankon’ny fahoriana.6 “Na dia teo aza izany,’ hoy izy ‘dia nitodika tamin’ Andriamanitra aho ary nidera Azy nandritra ny manontolo andro; ary tsy mba nimonomonona ny Tompo aho noho ny fahoriako.”7

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, manao ahoana ny fihetsitsika manoloana ny fahoriana? Moa ve mimenomenona amin’ny Tompo isika noho izy ireny? Sa, tahaka an’i Nefia sy ilay misiônera namako, dia mahatsapa fankasitrahana amin’ny teny sy ny eritreritra ary ny zavatra ataontsika ve isika satria mifantoka kokoa amin’ireo fitahiana azontsika fa tsy amin’ny olantsika?

Nanome ohatra ho antsika i Jesoa Kristy Mpamonjintsika nandritra ny fanompoany teto an-tany. Ao anatin’ny fotoan-tsarotra sy ny fitsapana dia ankavitsiana ny zavatra mitondra fiadanam-po sy fahafaham-po bebe kokoa ho antsika ankoatra ny fanompoana ny mpiara-belona amintsika. Ny bokin’i Matio dia mitantara ny zavatra nitranga rehefa fantatry ny Mpamonjy fa notapahan-doha i Jaona mpanao batisa rahalahiny mba hampifaliana an’i Herodiasy zanak’i Heroda mpanjaka:

“Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin’ i Jesosy.

“Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin’ ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.

“Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.

“Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin’ ny vohitra hividy hanina ho azy.

“Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.”8

Nasehon’i Jesoa Kristy antsika fa mandritra ny fotoan’ny fitsapana sy fahoriana dia afaka mahafantatra ny fahasarotana iainan’ny sasany isika. Rehefa heniky ny fangorahana dia afaka manolo-tanana sy mankahery azy ireo isika. Ary rehefa manao izany isika dia ankaherezin’ny asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy izay nataontsika. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Ny fanefitra tsara indrindra fantatro manafaka ny tahotra dia ny asa. Ny fanafody tsara indrindra ho an’ny fahadisoam-panantenana dia ny asa fanompoana. Ny fitsaboana tsara indrindra ho an’ny havizanana dia ny fanamby amin’ny fanampiana olona reraka kokoa.”9

Tato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy no nananako fahafahana maro hanompo sy hanampy ny mpiara-belona amiko. Tamin’ireo fotoana ireo no nahatsapako fa manamaivana ny enta-mavesako ny Ray any An-danitra. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminanin’ Andriamanitra eto an-tany. Ohatra tsara amin’ny fomba hanompoantsika ny hafa mandritra ireo fitsapana sarotra izy. Atambatro amin’ny an’ireo Olomasina maro hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananako fa Andriamanitra no Raintsika be fitiavana any An-danitra. Efa nahatsapa ny fitiavany tsy misy fetra aho nandritra ireo andro maizina niainako. Takatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ny fanaintainantsika sy ny fahoriantsika. Maniry ny hanamaivana ny enta-mavesatsika sy hankahery antsika Izy. Tokony manaraka ny ohatra nasehony isika amin’ny fanampiana sy fanompoana ireo izay manana entana mavesatra kokoa noho ny antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.