Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Manatòna an’i Kristy kanefa aza manatona irery
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Manatòna an’i Kristy kanefa aza manatona irery

Ny fomba tsara indrindra mba hampivoaranareo an’izao tontolo izao dia ny fanomanana an’izao tontolo izao ho an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanasana ny olona rehetra hanaraka Azy.

Vao haingana aho no naharay taratasy avy amina zatovovavy tia karokaroka iray. Toy izao no nosoratany: “Very hevitra aho. … Tsy azoko antoka hoe iza aho, saingy tsapako fa eto an-tany aho noho ny antony lehibe.”

Efa nanam-paniriana ny hahatakatra ny tanjon’ny fiainana ve ianao, ka nanontany tena raha mba fantatry ny Ray any An-danitra sy ilainy ianao? Ry zatovo malalako, ary ho an’ny rehetra koa, ijoroako ho vavolombelona fa eny ny valiny. Manana drafitra ho anao ny Tompo! Nomaniny ho amin’izao fotoana ankehitriny izao ianao mba ho hery sy tanjaka hanaovana ny tsara ao amin’ilay asany lehibe. Mila anao izahay! Tsy ho lehibe tsotra izao ilay asa raha tsy misy anao!

Tao anatin’ny toe-javatra masina, ny mpaminany malalantsika, Filoha Russell M. Nelson, indray mandeha dia nampahatsiahy ahy fahamarinana tsotra roa izay fototry ny asa lehibe sy be voninahitra hataonareo.

Rehefa nipetraka teo amin’ny seza lava niaraka tamin’ny vadiko aho, dia nisintona ny sezany nanakaiky anay ny mpaminanintsika, saika nifampikasoka lohalika mihitsy, ary nandinika ahy tamin’ireo masony manga. Tsy haiko hoe nidobodoboka be ve ny foko sa niato tsy nitempo rehefa nantsoiny ho Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany aho. Nametrahany fanontaniana iray izay mbola manako ato am-poko aho hoe: “Ry Bonnie, inona no zavatra tena manan-danja ilain’ny [zatovo] fantarina?”

Nisaintsaina vetivety aho ary nilaza hoe: “Ilain’izy ireo ny mahafantatra hoe iza izy ireo.”

“ENY!” hoy izy, “ary ilain’izy ireo ny mahafantatra ny tanjony.”

Ny toetrantsika amin’ny maha-andriamanitra antsika

Zanaka malalan’ny Ray any An-danitra ianao. Tiany tanteraka ianao ka nalefany i Jesoa Kristy Zanany mba hanao sorona fanavotana ho anao sy ho ahy.1 Ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika dia tsy miova, na amin’ny fotoana mahasolafaka antsika aza! Tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra.2 Ny fahatsiarovana io fitiavana io dia afaka manampy anao hanohitra ny fampisafotofotoana eto amin’izao tontolo izao izay miezaka mandemy ny fahatokianao ilay toetra maha-andriamanitra anao sy manakona ny masonao tsy hahita ny tanjona azonao tratrarina.

Nandritra ny fivoriambe HZM (Ho Zatovo Mahery!) vao haingana, dia nifankahafantatra tamin’ny zatovovavy roa izay nanana olana aho. Samy milaza ho nitodika tany amin’ny tsodranon’ny patriarika ireo zatovovavy roa ireo mba hahitana indray ny fitiavan’ny Tompo sy ny fitarihany azy manokana. Tadiavo ny tsodranon’ny patriarika anao, tsofy ny vovoka raha ilaina, kanefa halalino matetika izany. Raha tsy manana ianao dia maka iray, aza atao ela. Aza mangataka andro amin’ny famantarana izay tian’ny Tompo holazaina momba anao amin’izao fotoana izao.

Ny tanjontsika mandrakizay

Ny fahamarinana faharoa noresahan’ny Filoha Nelson taminay tamin’io andro io dia ny fahalalana ny tanjontsika. Ity no andraikitra lehibe sy be voninahitra sahanintsika.

Taona maro lasa izay, dia dimy taona monja i Tanner zanako lahy raha nilalao baolina kitra voalohany. Hafaliana re ny azy!

Rehefa tonga teo amin’ilay lalao dia hitanay fa tsatokazona baolina kitra manara-penitra no nampiasain’ny ekipany. Tsy ireny tsatokazo kely ho an’ny ankizy ireny, fa harato lehibe izay toa lehibe loatra raha ho ana zaza dimy taona.

Toa naka endrika ho manan-danja be ilay lalao rehefa hitako naka ny toerana amin’ny maha mpiandry tsatokazo azy i Tanner. Tena gaga aho. Mba takany tokoa ve ny tanjony amin’ny fiandrasana ny harato?

Naneno ny kiririoka, ary lasa tena nifantoka tamin’ilay lalao izahay ka hadinonay tanteraka ny momba an’i Tanner. Tampoka teo dia azon’ny mpilalao iray an’ilay ekipa mpifanandrina ny baolina ka nodakany fangaina nankany aminy izany. Nitodika tany amin’i Tanner aho mba hahazoana antoka fa vonona hijoro sy hiaro ny tanjona izy. Tsy nampoiziko ny zavatra hitako.

Sary
Ankizilahy miandry tsatokazo

Nisy fotoana nandritra ilay lalao nahavarimbariana an’i Tanner ka nanomboka nasisitsisiny tao anatin’ireo kilaodaokan’ilay harato ny tanany havia. Dia nataony toraka izany koa ny tanany havana. Dia avy eo ny tongony havia. Ary ny tongony havanana nony farany. Tafahitsoka tanteraka tao anatin’ilay harato i Tanner. Hadinony ny tanjony sy ny zavatra nampiandraiketana azy.

Sary
Ankizilahy tafahitsoka ao anatin’ny harato

Na dia tsy naharitra ela aza ny filalaovan’i Tanner baolina kitra, dia nampianatra lesona tsy hay fafana ho ahy izy tamin’io andro io. Indraindray isika rehetra dia varimbariana tsy mahatadidy ny antony maha-eto antsika ary mampitodika ny herintsika any amin-javatra hafa. Ny iray amin’ireo fitaovam-piadiana mahery vaikan’i Satana dia ny mandrebireby antsika amina zavatra tsara sy tsara kokoa izay, amin’ny fotoana ilana azy, dia mety hanarona ilay zavatra faran’izay tsara sy hampanalavitra antsika amin’izany—tsy inona izany fa ilay asa tena niantsoana antsika eto amin’izao tontolo izao.3

Ny tanjontsika mandrakizay dia ny hanatona an’i Kristy sy hanampy Azy amim-pahazotoana ao anatin’ilay asany lehibe. Tsotra kely ny manao izany araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona isika … manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay isika.”4 Manjary mahafantatra sy tia Azy bebe kokoa isika eo am-piarahana miasa Aminy.

Katsahintsika tsy tapaka ny mba hanatonana kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny finoana, sy ny fifebahana sarobidy, ary ny fitandremana ireo didy. Rehefa mamatotra ny tenantsika Aminy amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy isika, dia feno fahatokiana,5fiarovana,6 ary fifaliana lalina sy maharitra7 ny fiainantsika.

Rehefa manatona Azy isika dia mahita ny hafa amin’ny masony.8 Manatòna an’i Kristy. Manatòna dieny izao, kanefa aza manatona irery!9

Tsy hoe tsara fotsiny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy fa manan-danja ho an’ny rehetra koa. “Tsy misy lalan-kafa na fomba izay ahafahana mamonjy [antsika] afa-tsy ao amin’i Kristy sy amin’ny alalany.”10 Mila an’ i Jesoa Kristy isika! Mila an’i Jesoa Kristy izao tontolo izao.11

Tsarovy fa ny fomba tsara indrindra mba hampivoaranareo an’izao tontolo izao dia ny fanomanana an’izao tontolo izao ho an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanasana ny olona rehetra hanaraka Azy.

Misy tantara iray izay ao amin’ ny Bokin’i Môrmôna izay miresaka amin’ny fomba mafonja ny momba ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izay nanokana fotoana niarahana tamin’ireo Nefita. Azonareo an-tsaina ve hoe mety ohatra ny ahoana izany?

Rehefa nambaran’i Kristy fa tsy maintsy miverina any amin’ny Ray Izy “dia nanopy ny masony manodidina indray tany amin’ny valalabemandry Izy.”12 Raha nahita ranomaso teny amin’ny mason’ny vahoaka Izy dia fantany fa naniry ny hijanonany elaela ny fon’izy ireo.

Sary
Ny Mpamonjy manasa ireo Nefita mba hositranina

Nanontany Izy hoe: “Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo? Ento aty ireo. Moa va ianareo manana ireo izay malemy, na jamba, … na izay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento aty izy dia hositraniko.”13

Nanana fangorahana lehibe Izy ka tsy nametraka fetra ary niantso ireo rehetra izay “ory na manao ahoana na manao ahoana izany.” Tiako ny mahafantatra fa tsy misy zavatra lehibe na bitika ka tsy hositranin’i Jesoa Kristy.

Fantany koa ny fahoriantsika ary miantso Izy mba hitondrana hankeo Aminy ireo mitaintaina sy rera-tsaina, ny trotraka, ny miavonavona, ny tsy misy mpiraharaha, ny manirery, na ireo izay “ory na manao ahoana na manao ahoana izany.”

Sary
Ny Mpamonjy manasitrana

Ary ny rehetra dia “nandroso … ; ary nositraniny ny tsirairay avy taminy.…

“… Ary izy rehetra, na ireo izay nositranina, na ireo izay salama, dia samy niankohoka teo an-tongony, sy nitsaoka Azy;”14

Manontany tena foana aho isaky ny mamaky ity tantara ity hoe: Iza no ho entiko eo amin’i Kritsy? Iza no ho entinao?

Afaka manopy manodidina indray ny masontsika tahaka ny nataon’i Jesoa ve isika mba hahazoana antoka fa tsy misy olona hadino ary voasa hahafantatra Azy ny rehetra?

Mamelà ahy hizara ohatra iray momba ny maha-tsotra kely izany. I Peyton namako, izay 15 taona, dia nanana tanjona ny hamaky andinin-tsoratra masina dimy isan’andro rehefa misakafo maraina, saingy tsy nanao izany samirery izy. Nanopy ny masony indray i Peyton ka nanasa ireo ray aman-dreniny sy ireo iray tampo aminy, eny na dia ilay zandry lahiny dimy taona aza. Io fihetsika toa bitika io no ilay nampianarin’i Kristy raha nanasa Izy hoe: “Ento atỳ ireo.”

Mbola atolotra ho antsika ankehitriny io fanasana avy amin’ny Tompo io. Ry zatovovavy sy zatovolahy, atombohy izao izany, any an-tokantranonareo. Moa ve ianareo hivavaka sy hangataka amin’ny Ray any An-danitra ny fomba ahafahanareo manohana ny ray aman-dreninareo eo am-panohizan’izy ireo ny fananatonana an’i Kristy? Mila anareo tahaka ny ilanareo azy ireo izy ireo.

Avy eo dia atopazo indray ny masonareo any amin’ireo iray tampo aminareo, sy ireo namanareo, ary ireo mpiray vodirindrina aminareo. Iza no ho entinao?

Nanambara ny Mpamonjy hoe: “Indro Izaho no fahazavana; efa nanome ohatra ho anareo Aho.”15 Hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fiadanany isika raha miaraka Aminy amin’ny famonjena ny fianakavian’ Andriamanitra, satria nampanantena Izy fa: “Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.”16

Fotoana lehibe tokoa izao hirotsahana amin’ny asan’i Kristy!

Eny, antony lehibe no maha-eto an-tany anareo. Averiko ny tenin’ny Filoha Nelson hoe: “Mila anao mba hanova izao tontolo izao ny Tompo. Rehefa ekenao sy arahinao ny sitrapony momba anao, dia ho hitanao fa hahavita izay tsy azo tanterahina ianao!”18

Tsy am-pihambahambana no ijoroako ho vavolombelona fa fantatry ny Tompo hoe iza ianao, ary tiany ianao! Hiaraka hampandroso ny tanjony isika mandra-pahatonga ilay andro lehibe izay hiverenan’i Kristy Izy Tenany eto an-tany ka hiantsoany antsika tsirairay avy hoe mankanesa “aty.” Hiara-hivondrona amim-pifaliana isika satria isika no ireo izay manatona an’i Jesoa Kristy ary tsy manatona irery isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.