Fampianarana sy fianarana
Ho an’ireo mpitarika: Manofana sy manohana ireo mpampianatra


“Ho an’ireo mpitarika: Manofana sy manohana ireo mpampianatra”, Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022)

“Manofana sy manohana ireo mpampianatra”, Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Olona miresaka

Ho an’ireo mpitarika: Manofana sy manohana ireo mpampianatra

Amin’ny maha-mpitarika anao dia manana andraikitra ianao “hivory hiaraka amin’ireo mpampianatra vao nantsoina” ao amin’ny rafitra sahaninao ary “hanampy azy ireo hiomana amin’ny antson’izy ireo” (Boky torolalana maneran-tany, 17.3, Médiathèque de l’Évangile). Izany fivoriana izany dia fotoana tsara iray mba hampahafantarana an’ireo mpampianatra vaovao ny antso masin’izy ireo sy hitaomana azy ireo hahazo sary an-tsaina ny dikan’ny hoe mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Amin’ny maha-mpitarika anao dia afaka manampy ireo mpampianatra vaovao hanompo ianao amin’ny alalan’ny fanaovana ireto zavatra manaraka ireto:

  • Maneho fahatokiana fa hanampy azy ireo ny Mpamonjy ao amin’ny antson’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:74).

  • Manome tahadikan’ity loharanom-pitaovana ity ho an’ireo mpampianatra vaovao ary mamporisika azy ireo hitady fomba hampiharana ireo fitsipika ao anatiny mandritra ny fampianarana ataon’izy ireo.

  • Mizara amin’ireo mpampianatra vaovao izay zavatra momba ny rafitra sahaninao ka tsara ho fantatr’izy ireo.

  • Manoro an’ireo mpampianatra vaovao ny efitrano hampianarana raha ilaina ary milaza amin’izy ireo ny lesona voalohany hampianarina. Manome azy ireo izay fampahalalana ilainy momba ny kilasin’izy ireo sy ireo olona ao amin’ny kilasiny.

  • Manazava amin’ireo mpampianatra vaovao fa afaka manampy azy ireo amin’ny antson’izy ireo ianao. Manolotra fanohanana ao an-dakilasy ary fahafahana mampiasa ireo loharanom-pitaovana raha ilaina.

  • Manolo-tena mba hanatrika ny kilasy ampianarin’ireo mpampianatra indraindray ary manome fanamarihana rehefa bitsihin’ny Fanahy.

  • Manasa ireo mpampianatra handray anjara amin’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra fanao isaky ny telo volana.

Mandritra ny asa fanompoana ataon’ireo mpampianatra dia tohizo ny fihaonana tsy tapaka amin’izy ireo mba hanomezana fanohanana mitohy ho azy ireo. Ohatra, azonao atao ny miresaka fohy amin’ny mpampianatra anankiray ianao alohan’ny fotoam-pianarana na aorian’izany mba hifanakalozana hevitra momba ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Anontanio an’ilay mpampianatra izay zavatra tsapany fa vitany tsara sy ny zavatra tiany hatsaraina. Ampaherezo amin-katsaram-panahy sy amim-pankasitrahana izy ireo eo anatrehan’ny asa fanompoana ataon’izy ireo.

Tokony hiomana amin’izany fifanakalozan-kevitra izany ianao amin’ny alalan’ny fijerena ilay mpampianatra mampianatra. Katsaho ny hahatakatra tsara kokoa ny tanjak’ireo mpampianatra sy hahita fomba hahafahanao manolotra fanohanana. Ny fiankinana amin’ireo tanjaka ananan’ny mpampianatra iray dia manan-danja tahaka ny fitadiavana ireo fomba ahafahana mitondra fivoarana koa.