Seminera sy Institiota
Ampianaro ny fotopampianarana


“Ampianaro ny fotopampianarana,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022)

“Ampianaro ny fotopampianarana,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Sary
I Jesoa Kristy nampianatra tao amin’ny tempoly fony izy 12 taona

I Kristy tao amin’ny tempoly, nataon’i Heinrich Hofmann

Ampianaro ny fotopampianarana

Na dia nitombo fahendrena sy fahalalana aza i Jesoa nandritra ny fiainany, dia tsy nandranto fianarana ara-dalàna toy ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny Izy. Kanefa rehefa nampianatra Izy dia talanjona ny olona ka niteny hoe: “Ahoana no nahaizan’ Ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?” Nahoana no tena mafonja ny fampianarany? “Tsy Ahy ny fampianarako,” hoy ny Mpamonjy nanazava, “fa an’ Izay naniraka Ahy” (Jaona 7:15–16). Ny fotopampianarana dia fahamarinana mandrakizay, hita ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany, izay mampiseho antsika ny fomba hahatongavantsika tahaka ny Raintsika any An-danitra sy hiverenantsika any Aminy. Na manao ahoana na manao ahoana traikefa anananao amin’ny maha-mpampianatra anao, dia afaka mampianatra amin-kery tahaka ny nataon’ny Mpamonjy ianao amin’ny alalan’ny fampianarana ny fotopampianaran’ny Ray. Ho talanjona amin’ireo fitahiana alefan’ Andriamanitra ianao sy ireo izay ampianarinao rehefa mifototra amin’ny teniny ny fampianaranao sy ny fianaranao.

Mba hampianarana ny fotopampianarana

  • Ianarao ho an’ny tenanao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Mampianara avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany.

  • Ampio ireo mpianatra hitady sy hamantatra ary hahatakatra fahamarinana ao amin’ny soratra masina.

  • Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra any amin’ny fiovam-po sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Ampio ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainany ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.

Nianatra ny fotopampianarana ny Mpamonjy

Toa mazava fa nianatra avy amin’ny soratra masina ny Mpamonjy nandritra ny naha-zatovo Azy ary “nitombo saina … sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona” Izy (Lioka 2:52). Lasa niharihary ny fahatakarany lalina ny fotopampianaran’ny Ray rehefa hitan’ny ray aman-dreniny tao amin’ny tempoly Izy fony mbola zazalahy, nampianatra ireo mpampianatra Jiosy sy namaly ny fanontanian’izy ireo (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 2:46). Taty aoriana, rehefa nanehoan’i Satana fakam-panahy goavana tany an-tany efitra i Jesoa, dia nanampy Azy hanohitra ilay fakam-panahy ny fahalalany ny fotopampianarana ao amin’ny soratra masina (jereo ny Lioka 4:3–12).

Ianao koa dia afaka mianatra lalina kokoa fotopampianarana mialoha ny hampianarana izany. Rehefa miomana ny hampianatra ny hafa sy hiaraka hianatra amin’ny hafa ianao dia jereo tsara ny zavatra nolazain’ny Tompo mikasika an’ireo fahamarinana ampianarinao. Halalino ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona hahazoana fanazavana sy torohevitra. Ny fiainana sy ny fampiharana ireo fahamarinana halalininao dia hanasa ny Fanahy mba hampianatra anao ny fotopampianarana amin’ny fomba lalina kokoa mihitsy ary hanamafy ny fahamarinan’ilay fotopampianarana ao am-pon’ireo izay ampianarinao.

Fanontaniana hosaintsainina: Nahoana no zava-dehibe ny fahatakaranao manokana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara? Ahoana no fomba nahazoanao fahatakarana lalina kokoa momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Inona no zavatra tsapanao fa tokony hataonao mba hanatsarana ny fandalinanao ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona?

Avy ao amin’ny soratra masina: Ohabolana 7:1–3; 2 Nefia 4:15–16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21; 88:118

Nampianatra avy tao amin’ny soratra masina ny Mpamonjy

Taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy dia nisy roa tamin’ireo mpianany niara-nandeha an-tongotra sy niresaka tao anatin’ny fahatsapana fifangaroana alahelo sy fahagagana tao am-pon’izy ireo. Ahoana no ahafahan’izy ireo mahatakatra ny zavatra vao nitranga? Maty telo andro lasa izay i Jesoa avy any Nazareta, ilay lehilahy natokisan’izy ireo ho Mpanavotra azy ireo. Ary avy eo dia nisy ny tatitra fa foana ny fasany ary nisy anjely nanambara fa velona Izy! Tao anatin’izany fotoana tena manan-danja teo amin’ny finoan’ireo mpianatra ireo izany, dia nisy vahiny tonga niara-nanao ilay dia tamin’izy ireo. Nampionony izy ireo tamin’ny alalan’ny “[fanambarana tamin’izy ireo] ny hevitry ny teny milaza [ny Mpamonjy] ao amin’ny soratra masina rehetra.” Tamin’ny farany dia fantatr’ireo niara-nanao dia ireo fa i Jesoa Kristy mihitsy ilay mpampianatra azy ireo ary tena nitsangana tamin’ny maty Izy. Ahoana no nahafantaran’izy ireo Azy? “Tsy nangorakoraka va ny fontsika,” hoy izy ireo nieritreritra taty aoriana, “raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny soratra masina tamintsika?” (Lioka 24:27, 32).

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ny tena tanjon’ny soratra masina rehetra amin’ny farany dia ny hameno ny fanahintsika amin’ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany” (Ny fitahian’ny soratra masina,” Liahona, mey 2010, 34). Nampiasa ny soratra masina i Jesoa mba hampianarana sy hanitsiana ny hafa ary hanentanana ny fanahin’izy ireo. Makà antoka fa tsy miala amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ny fampianaranao. Rehefa miantehitra amim-pahatokiana amin’ny tenin’ Andriamanitra ianao ao anatin’ny fampianaranao dia afaka manao ho an’ny hafa ny zavatra nataon’ny Mpamonjy. Afaka manampy azy ireo ianao mba hahafantatra Azy satria ilaintsika rehetra ny fanamafisana orina tsy tapaka ny finoantsika ny Mpamonjy. Hibaribary amin’ireo izay ampianarinao ny fitiavanao ny soratra masina ary ny fampianaranao dia hanasa ny Fanahy mba hampagorakoraka ny fon’izy ireo amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka.

Fanontaniana hosaintsainina: Ahoana no fomba nahatonga anao ho voataonan’ny mpampianatra iray izay nampiasa ny soratra masina mba hanampiana anao hahafantatra kokoa ny Mpamonjy? Inona no mety hataonao mba hianteherana kokoa amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany rehefa mampianatra ianao? Ahoana no ahafahanao manampy ireo olona ampianarinao mba hahafantatra sy hitia ny tenin’ Andriamanitra?

Avy ao amin’ny soratra masina: Lioka 4:14–21; Almà 31:5; Helamàna 3:29–30;3 Nefia 23

Nanampy ny olona hikatsaka sy hamantatra ary hahatakatra fahamarinana ny Mpamonjy

Indray mandeha nisy mpahay lalàna nanontany an’i Jesoa hoe: “Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Notarihin’ny Mpamonjy nankany amin’ny soratra masina ilay mpanontany mba hamaliana izany: “Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana no famakianao azy?” Izany dia tsy nitondra fotsiny an’ilay lehilahy hahazo valiny nanao hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao … ary tiava ny namanao” fa nitondra azy koa hametraka fanontaniana hakana fanampim-panazavana hoe: “Iza ary no namako?” Novalian’ny Mpamonjy izany fanontaniana izany tamin’ny alalan’ny fanoharana iray momba ny lehilahy anankitelo nahita mpandeha tahaka azy ireo izay nila fanampiana. Ny iray tamin’izy telo ihany, Samaritana iray, izay nankahalain’ny Jiosy noho ny fiaviany fotsiny, no nijanona mba hanampy. Nasain’i Jesoa avy eo ilay mpahay lalàna mba hamaly ny fanontaniany izay napetrany: “Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman[y]?” (jereo ny Lioka 10:25–37).

Nahoana araka ny eritreritrao no nampianatra tamin’izany fomba izany ny Mpamonjy—mamaly fanontaniana amin’ny alalan’ny fanasana mba hitady sy hisaintsaina ary hahita? Tafiditra ao anatin’ilay valiny ny hoe manome lanja ny fanaovana ezaka mba hitady fahamarinana ny Tompo. Namerimberina nanasa Izy hoe: “Mitadiava, dia hahita ianareo,” (jereo ohatra ny Matio 7:7; Lioka 11:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:7). Manome valisoa ny fihetsika mifono finoana sy faharetana ataon’ny mpikatsaka Izy.

Afaka manampy ireo izay ampianarina mba hamantatra sy hahatakatra fahamarinana tahaka ny nataon’ny Mpamonjy ianao. Ny soratra masina ohatra dia feno fahamarinana ao amin’ny filazantsara, saingy mitaky fiezahana mafy ny fitadiavana azy ireo matetika. Rehefa miaraka mianatra ny soratra masina ianareo dia mijanòna kely ary anontanio an’ireo izay ampianarinao ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara hitan’izy ireo. Ampio izy ireo hahita ny fomba ifandraisan’ireo fahamarinana ireo amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra. Indraindray ambara ao amin’ny soratra masina ireo fahamarinana mandrakizay ary indraindray izany dia aseho ao anatin’ny tantara sy ny fiainan’ireo olona izay vakintsika ny momba azy. Izany koa dia afaka manampy amin’ny fiarahana mamantatra ny fototra ara-tantaran’ireo andininy izay vakinareo ary koa ny dikan’ireo andininy ireo sy ny fomba fiantefan’izany amintsika amin’izao fotoana izao.

Fanontaniana hosaintsainina: Ahoana no fomba fitadiavanao fahamarinana mandrakizay ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany? Inona no fitahiana entin’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainanao? Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahanao manampy ireo mpianatra hamantatra sy hahatakatra fahamarinana izay hanan-danja amin’izy ireo ary hampanakaiky azy ireo kokoa amin’ Andriamanitra?

Avy ao amin’ny soratra masina: Jaona 5:39; 1 Nefia 15:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12

Sary
mpianatra mandalina

Afaka manampy ireo izay ampianarintsika isika mba hitady sy hamantatra fahamarinana ho an’ny tenany manokana.

Nampianatra fahamarinana izay miteraka fiovam-po sy manorina finoana ny Mpamonjy

Indray Sabata iray ny Mpamonjy sy ireo mpianany, dia nandalo tanimbary iray tao anatin’ny hanoanana ary nanomboka nihinana vary. Ireo Fariseo izay maniry foana ny hanamafy ireo hevi-dalina indrindra ao amin’ny lalàn’i Mosesy dia nanantitrantitra fa ny fiotazana vary dia endrikana asa iray raha raisina ara-teknika, izay tsy tokony hatao mandritra ny Sabata (jereo ny Marka 2:23–24). Raha ampiasaina ny fehezan-tenin’ny mpaminany Jakôba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia “[nibanjina] tany ivelan’ny tanjona” ireo Fariseo (Jakôba 4:14). Amin’ny teny hafa dia nifantoka loatra tamin’ny fandikana nentim-paharazana an’ireo didy izy ireo ka tsy nahita ny tanjona masin’ireo didy ireo, dia ny hampanakaiky antsika kokoa amin’ Andriamanitra. Raha ny marina dia tsy fantatr’ireo Fariseo akory hoe ilay Iray izay nanome ny didy mba hanaja ny Sabata no nijoro teo anoloany.

Nararaotin’ny Mpamonjy io fotoana io mba hijoroana ho vavolombelona momba ny fananany toetra araka an’ Andriamanitra sy mba hampianarana ny antony maha-manan-danja ny Sabata. Noforonina ho antsika izany mba ho andro hitsaohana ny Tompon’ny Sabata, dia i Jesoa Kristy mihitsy izany (jereo ny Marka 2:27–28). Ny fahamarinana toy izany dia manampy antsika hahatakatra fa ireo didin’ Andriamanitra dia mifono zavatra bebe kokoa noho ny fitondrantenantsika ety ivelany fotsiny. Natao mba hanampiana antsika hanova ny fontsika sy ho lasa miova fo tanteraka kokoa izy ireo.

Diniho tsara ny fotopampianarana sy ireo fitsipika izay hofidinao mba hifantohana. Na maro aza ireo fahamarinana izay azo resahina dia ny mifantoka amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara izay mitondra mankany amin’ny fiovam-po sy fanorenana finoana an’i Jesoa Kristy no tsara indrindra. Ireo fahamarinana tsotra sy fototra izay nampianarin’ny Mpamonjy sy nasehony dia manana hery faran’izay lehibe indrindra mba hanova ny fiainantsika, izany dia ireo fahamarinana momba ny Sorompanavotany, ny drafitry ny famonjena, ireo didy mba hitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika sy ny sisa. Asao ny Fanahy mba hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ireo, ka hanampy amin’ny fanaovana izay hampahalalim-paka azy ireo ao am-pon’ireo izay ampianarinao.

Fanontaniana hosaintsainina: Inona avy ireo fahamarinana sasantsasany izay nanampy anao ho lasa niova fo kokoa ao amin’i Jesoa Kristy sy hanana finoana lehibe kokoa Azy? Ahoana no fomba nanampian’ny mpampianatra iray anao hifantoka amin’ireo fahamarinana manan-danja indrindra ao amin’ny filazantsara? Inona no azonao ampianarina mba hanampiana ny hafa ho lasa miova fo lalina kokoa ao amin’i Jesoa Kristy?

Avy ao amin’ny soratra masina: 2 Nefia 25:26; 3 Nefia 11:34–41; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:31–32; 68:25–28; 133:57; Mosesy 6:57–62

Nanampy ny olona hahita ny lanjan’ny fotopampianarany eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ny Mpamonjy

“Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy,” hoy ireo Fariseo nimonomonona, izay midika hoe fitondrantena tsy araka ny tokony ho izy izany raha ho ana mpampianatra ara-panahy (Lioka 15:2). Hitan’i Jesoa fa fotoana azo nararaotina mba hampianarana azy ireo fahamarinana ara-panahy lalina sasantsasany izany. Ahoana no hanaovany izany? Ahoana no hanampiany ireo Fariseo hahita fa ny fon’izy ireo no maloto sy mila fanasitranana fa tsy ny Azy? Ahoana no fomba hampiasany ny fotopampianarany mba hampisehoana azy ireo fa ny fisainan’izy ireo sy ny fitondrantenan’izy ireo dia ilaina ovaina?

Nataony izany tamin’ny alalan’ny firesahana tamin’izy ireo mikasika ny ondry iray very tsy hita tao anatin’ny andian’ondry iray ary ilay farantsakely very. Niresaka mikasika ilay zanaka adala iray Izy izay nikatsaka famelan-keloka sy ilay zokiny lahy izay nandà tsy handray azy na hiara-hisakafo aminy. Nahitana fahamarinana manan-danja izay misy ifandraisany amin’ny fomba fijerin’ireo Fariseo ny hafa ireo fanoharana tsirairay ireo, ka nampianatra azy ireo fa manana ny lanjany lehibe ny fanahy tsirairay (jereo ny Lioka 15). Ny Mpamonjy dia tsy niteny tamin’ireo Fariseo, na tamin’iza na iza tamintsika, hoe mitovy amin’iza isika ao amin’ireo fanoharana nataony ireo. Indraindray tahaka ilay raim-pianakaviana feno tebiteby isika. Indraindray tahaka ilay rahalahy iray be fialonana isika. Matetika isika tahaka ilay ondry very na ilay zanaka adala. Saingy na inona na inona toe-javatra iainantsika dia manasa antsika mba hitady zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainantsika ao amin’ny fampianarany amin’ny alalan’ireo fanoharana ny Mpamonjy mba hahitana ny zavatra tiany hianarantsika sy ny zavatra mety ilaintsika ovaina eo amin’ny fisainantsika sy ny fitondrantenantsika.

Mety mahatsikaritra ianao fa misy mpianatra sasantsasany izay tsy mahita ny antony maha-manan-danja ireo fahamarinana sasany ho azy ireo. Rehefa mandinika ireo zavatra ilain’ireo izay ampianarinao ianao, dia eritrereto ny mety hampanan-danja sy hahasoa an’ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina eo amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo. Ny fomba iray ahafahanao manampy ny mpianatra hahita ny fahasahazan’ireo fahamarinana hitan’izy ireo dia amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe: “Ahoana no ahafahan’ity manampy anao amin’ny zavatra iray izay iainanao amin’izao fotoana izao?” “Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahalala izany?” “Inona no fiovana azon’izany entina eo amin’ny fiainanao?” Henoy ireo izay ampianarinao. Avelao izy ireo hametraka fanontaniana. Amporisiho izy ireo mba hampifandray ny fampianaran’ny Mpamonjy amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Azonao zaraina koa ny fomba nahitanao zavatra mifandray amin’ny fiainanao manokana tao anatin’ny zavatra nampianarinao. Ny fanaovana izany dia afaka manasa ny Fanahy mba hampianatra ireo mpianatra tsirairay ny fomba ahafahan’ilay fotopampianarana mitondra fiovana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fanontaniana hosaintsainina: Inona no mahatonga ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ho manan-danja sy mahasoa ho anao? Inona no manampy anao hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainanao rehefa mandalina ny filazantsara ianao? Inona no ataonao mba hifantohana amin’ireo fahamarinana izay sahazan’ireo olona ampianarinao?

Avy ao amin’ny soratra masina: 1 Nefia 19:23; 2 Nefia 32:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:7–9

Fomba vitsivitsy ahafahanao mampihatra ny zavatra ianaranao

  • Tombantombano ny zavatra ampianarinao mba hahazoana antoka fa mampianatra ny fotopampianarana marina ianao. Afaka manampy ireto fanontaniana ireto:

    • Moa ve mifototra amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany ny zavatra kasainao ampianarina?

    • Efa nisy mpaminany maro nampianatra izany ve? Inona no ampianarin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao momba izany?

    • Ahoana no fomba hanampian’izany ny hafa hanorina finoana an’i Jesoa Kristy sy hibebaka ary hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

    • Moa ve mifanaraka amin’ny bitsiky ny Fanahy Masina izany sa mahatsapa ho tsy mahazo aina ara-panahy aho mahakasika izany?

  • Halalino isan’andro ny tenin’ Andriamanitra mba hianarana fotopampianarana marina ho an’ny tenanao.

  • Angataho ireo mpianatra hamaky soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina rehefa mampianatra ianao.

  • Ampianaro an’ireo mpianatra ny fomba fampiasana ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, ny Torolalana ho an’ny soratra masina, ary ireo loharanom-pitaovana hafa rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo.

  • Ampio ireo mpianatra hahita fahamarinana ao amin’ny andinin-tsoratra masina iray na tantara iray.

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fomba nahafahanao nahafantatra fa marina ny fotopampianarana iray.

  • Mampiasà tantara na fanoharana mba hanampiana ireo mpianatra hanana fahatakarana lalina kokoa an’ireo fahamarinan’ny filazantsara.