Seminera sy Institiota
Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy


“Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022)

“Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Sary
Ny Mpamonjy tao an-tany efitr’i Jodia

Tahaka ny nanokanan’ny Mpamonjy fotoana hiomanana ara-panahy ho amin’ny asa fanompoany dia tokony hiomana hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy koa isika.

Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy

Rehefa nandidy an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon mba hitory ny filazantsarany ny Mpamonjy, dia nampanantena azy ireo izy hoe: “Halatsaka ny Fanahy Masina ho vavolombelona hanambara ny zavatra rehetra izay holazainareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:8; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:15–17; 50:17–22). Izany fampanantenana izany dia mihatra amin’ireo rehetra izay mampianatra ny filazantsara, ka tafiditra ao anatin’izany ianao. Rehefa mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao dia afaka manana ny Fanahy Masina miaraka aminao mba hitarika anao ary hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ao an-tsain’ireo izay ampianarinao sy ao am-pon’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2). Tsy irery ianao rehefa mampianatra, satria “tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina” (Marka 13:11).

Ny Fanahy Masina no tena mpampianatra. Tsy misy mpampianatra eto an-tany, na manam-pahaizana na manana traikefa toy ny inona, afaka manolo ny anjara asany amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana, sy ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy, ary amin’ny fanovana fo. Fa ny mpampianatra rehetra anefa afaka ny ho fitaovana amin’ny fanampiana ny zanak’ Andriamanitra hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.

Mba hampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy

  • Dia manomàna tena ara-panahy

  • Aoka ianao ho vonona mandrakariva hanaraka ireo bitsika ara-panahy momba ny zavatra ilain’ireo mpianatra.

  • Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo.

  • Ampio ireo mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary handray andraikitra eo anatrehan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana.

  • Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Ny Mpamonjy dia nanoman-tena ara-panahy mba hampianatra

Ho fiomanana ho amin’ny asa fanompoany, ny Mpamonjy dia nandany 40 andro tany an-tany efitra “mba hiaraka amin’ Andriamanitra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:1 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]). Saingy efa ela taloha lavitra an’izany no niantombohan’ny fiomanany ara-panahy. Rehefa naka fanahy Azy i Satana dia afaka nampiasa ny “tenin’ny fiainana” izay notehiriziny mafy ho an’ny “ora” izay nilany izany Izy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85). Eritrereto ny ezaka ataonao manokana hiomanan-tena ara-panahy mba hampianatra. Inona no ianaranao avy amin’ny Matio 4:1–11 mikasika ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatry ny Mpamonjy eo amin’ny fiomananao ara-panahy?

Ny Fanahy no tena mpampianatra ary tena loharanon’ny fiovam-po. Ny fampianarana ny filazantsara amin’ny fomba mafonja dia tsy mitaky fotsiny ny fanomanana lesona fa mitaky koa ny fanomanan-tenanao tsara ara-panahy mialoha ny hanombohana hampianatra. Raha toa ka niomana ara-panahy ianao dia ho afaka ny hihaino sy hanaraka tsara kokoa ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mampianatra. Ny fomba hanasana ny Fanahy Masina ho ao amin’ny fampianaranao dia ny manasa Azy ho eo amin’ny fiainanao. Tafiditra ao anatin’izany ny fiezahana amim-pahavitrihana hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy sy ny fiainana ny filazantsarany amin’ny fonao manontolo. Ary satria tsy misy amintsika tonga lafatra eo amin’ny fanatanterahana izany, dia midika ihany koa izany fa mila mibebaka isan’andro isika.

Fanontaniana hosaintsainina: Midika inona aminao ny hoe manoman-tena ara-panahy mba hampianatra? Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanatsarana ny fomba hiomananao ara-panahy? Inona no fiovana azon’ny fiomanana ara-panahy entina eo amin’ny fampianaranao, araka ny eriteritrao?

Avy amin’ny soratra masina: Ezra 7:10; Lioka 6:12; Almà 17:2–3, 9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21; 42:13–14

Vonona lalandava ny handray andraikitra eo anatrehan’ireo zavata nilain’ny hafa ny Mpamonjy

Niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa i Jairo, izay mpanapaka tao amin’ny synagoga, nitalaho Taminy mba hanampy ny zanany vavy izay teo am-pialana aina. Raha teo am-panafainganana ny dian’izy ireo tao anatin’ilay lalana tomefy olona mitondra mankany amin’ny tranon’i Jairo i Jesoa sy ny mpianany, dia nijanona tampoka i Jesoa. “Iza moa no nanendry Ahy?” Hoy Izy nanontany. Toa fanontaniana hafahafa izany—iza moa no tsy nifampikasokasoka Taminy teo anivon’ilay vahoaka nifanety? Ny Mpamonjy anefa dia nahatsapa fa tao anatin’io andian’olona maro io, dia nisy olona iray nanatona Azy izay nanana filàna iray manokana ary nanana ny finoana fa handray ny fanasitranana atolotry ny Mpamonjy izy. Mbola hisy ny fotoana hitsidihana ny zanakavavin’i Jairo. Fa nolazaina aloha ilay vehivavy nikasika ny akanjony hoe: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara” (jereo ny Lioka 8:41–48).

Amin’ny maha-mpampianatra anao dia indraindray ianao tonga amin’ilay hoe maika hamita ny zavatra nomaninao mba hampianarina. Na dia mety ho zava-dehibe aza izany, dia makà antoka fa ao anatin’ny hamehanao dia tsy manao fanahy iniana mandeha haingana ka tsy mijanona mba hamaly izay filana maika ilain’ny olona iray ampianarinao ianao. Ankoatra ny fitarihana ara-panahy katsahinao eo am- piomananao hampianatra, dia katsaho koa ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mampianatra ianao. Miezaha mba hahafantatra ireo zavatra ilain’ireo mpianatra sy ireo fanontaniana ananan’izy ireo ary ireo zavatra mahaliana azy ireo. Ny Fanahy Masina dia afaka manampy anao hamantatra ny fandraisan’ny mpianatra na ny fahatakarany ny zavatra iray nampianarinao. Misy fotoana Izy mety hitaona anao hanova ny drafitrao. Ohatra, mety ho voataona ianao handany fotoana bebe kokoa mihoatra ny fotoana efa napetrakao ho an’ny lohahevitra iray na hanajanona ny fifanakalozan-kevitra sasany hatao amin’ny manaraka mba hifantohana amina zavatra manan-danja kokoa amin’ny mpianatra amin’izao.

Fanontaniana hosaintsainina: Oviana ianao no nahatsapa fa mahafantatra tsara ny zavatra ilainao amin’ny maha-mpianatra anao ny ray na reny iray na mpampianatra hafa iray? Moa ve ireo izay ampianarinao mahafantatra fa liana kokoa amin’ny fianaran’izy ireo ianao noho ny amin’ny famitana lesona iray? Ahoana no ahafahanao mampita tsara kokoa ny fahaliananao?

Avy amin’ny soratra masina: 1 Petera 3:15; Almà 32:1–9; 40:1; 41:1; 42:1

Ny Mpamonjy dia nanolotra fahafahana ho an’ny olona mba ho ampianarin’ny Fanahy Masina

Sarotra ho an’ny maro tamin’ny vaninandron’i Jesoa ny nahatakatra hoe Iza marina Izy, ary nisy hevitra maro isan-karazany momba Azy. “Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa,” nilaza ny mpianany hoe “ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ireo mpaminany.” Saingy avy eo i Jesoa dia nametraka fanontaniana iray izay nanasa ny mpianany tsy hifantoka amin’ny hevitry ny hafa fa handinika ny ao am-pon’izy ireo manokana: “Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?” Tiany izy ireo hahita ny valin’ny fanontaniany tsy avy amin’ny “nofo aman-drà” fa mivantana avy amin’ny “Raiko Izay any an-danitra.” Izany karazana vavolombelona izany, dia ny fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina, no nahafahan’i Petera nanambara hoe: “Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona” (jereo ny Matio 16:13–17).

Mba hahatafavoahana velona ara-panahy amin’ny andro farany, dia mila fijoroana ho vavolombelona ara-panahy momba ny fahamarinana ny olona ampianarinao. Tsy afaka manome izany azy ireo ianao, saingy afaka manasa, mamporisika, sy mitaona ary mampianatra azy ireo mba hikatsaka izany ianao. Azonao atao mazava tsara, amin’ny alalan’ny teninao sy ny zavatra ataonao, fa tena zava-dehibe amin’ny fianarana ny filazantsara ny Fanahy Masina. Eritrereto ohatra ny tontolo fianarana foroninao sy amporisihinao. Ny zavatra tsotra toy ny fandaminana ny seza fipetrahana ao amin’ny efitrano na ny fomba fiarahabanao sy ny fifandraisanao amin’ny mpianatra dia mametraka endri-javatra ara-panahy ao anatin’ilay zavatra hiainan’ny mpianatra. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hanomana ara-panahy ny tenany mba hianatra, tahaka ny fanomananao ara-panahy ny tenanao mba hampianatra. Angataho izy ireo ho tompon’andraikitra amin’ny fanahy izay hoentin’izy ireo. Ary ianao dia afaka mitondra fahafahana ho azy ireo hahatsapa ny Fanahy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Izany fijoroana ho vavolombelona izany dia ho lasa “vatolampy” ho azy ireo, “ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita [dia] tsy haharesy [azy ireo]” (Matio 16:18).

Fanontaniana hosaintsainina: Inona no tsikaritrao fa mitondra anjara biriky eo amin’ny famoronana tontolo ara-panahy ho an’ny fianarana ny filazantsara? Ary inona no manakana izany? Inona no manampy ny olona ampianarinao hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy? Eritrereto ilay sehatra tena ampianaranao matetika. Inona no tsapanao rehefa ao ianao? Ahoana no ahafahanao ho mahomby kokoa eo amin’ny fanasana ny Fanahy mba hanatrika eo?

Fanontaniana hosaintsainina: Lioka 24:31–32; Jaona 14:26; 16:13–15; Môrônia 10:4–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:16–17; 50:13–24

Sary
misiônera mampianatra fianakaviana iray

Rehefa mampianatra isika dia afaka manasa ny mpianatra hikatsaka ny hahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy manokana momba ny fahamarinana.

Ny Mpamonjy dia nanampy ny hafa hikatsaka sy hamantatra ny fanambarana ho an’ny tena manokana ary handray andraikitra eo anatrehan’izany

Te hifandray amintsika ny Tompo ary tiany isika hahafantatra fa mifandray amintsika Izy. Tamin’ny 1829 dia nianatra mikasika ny fotopampianarana tsy mahazatra sy mampientanentana iray ny mpampianatra an-tsekoly 22 taona iray antsoina hoe Oliver Cowdery, dia ny hoe afaka mandray fanambarana ho an’ny tena manokana ny olona rehetra. Saingy nanana fanontaniana mitovy amin’ilay efa napetraky ny maro amintsika izy: “Moa ve tena miezaka miresaka amiko tokoa ny Tompo? Ary ahoana no ahafahako mahalala izay lazainy? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo dia nanasa an’i Oliver i Jesoa Kristy mba hiverina hieritreritra ilay fotoana manokana iray nikatsahan-javatra ara-panahy. “Tsy nilaza fiadanana tamin’ny sainao va Aho momba izany?” Hoy Izy nanontany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:21–24). Taty aoriana dia nampianatra an’i Oliver momba ireo fomba hafa ahafahan’ny Fanahy miresaka aminy Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3; 9:7–9; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–14).

Ao anatin’ny fiainana ao amina tontolo iray tsy miraika amin’ny zavatra ara-panahy, dia mila fanampiana amin’ny famantarana ny feon’ny Fanahy isika rehetra. Mety efa nahatsapa ny Fanahy isika nefa tsy nahatsikaritra izany. Ary isika rehetra dia samy afaka mianatra misimisy kokoa momba ny fomba hikatsahana ny Fanahy, sy hamantarana ny fitaomany, ary handraisana andraikitra eo anatrehan’ny bitsika omeny antsika. Eo am-pampianaranao dia ampio ny mpianatra hamantatra ireo fomba ahafahan’ny Fanahy mifandray ary ny fomba efa nifandraisany tamin’izy ireo. Iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra azonao mpampianatra omena ny mpianatra ny fanampiana ireo izay ampianarinao hivoatra ao amin’ity fikatsahana fanambarana ho an’ny tena manokana mandritra ny fiainana ity.

Fanontaniana hosaintsainina: Nahoana no zava-dehibe ny mianatra mandray fanambarana ho an’ny tena manokana? Efa nisy olona nanampy anao hahatakatra ny fomba hikatsahana sy hamantarana fanambarana ve? Ahoana no ahafahanao mamporisika ireo izay ampianarinao hikatsaka sy hamantatra ary handray andraikitra eo anatrehan’ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina?

Avy amin’ny soratra masina: Galatiana 5:22–23; Almà 5:45–47; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61; 121:33; Joseph Smith—Tantara 1:8–20

Ny Mpamonjy dia nijoro ho vavolombelona tamin’ireo izay nampianariny

Nandritra ny fotoana iray tena nampihetsi-po tokoa ary feno hatsaram-panahy lalina izay nampianarany sy nanompoany, i Jesoa dia nikatsaka ny hampionona an’i Marta namany, izay vao namoy ny anadahiny. Nizara fijoroana ho vavolombelona tsotra taminy izy momba ny fahamarinana mandrakizay: “Hitsangana ny anadahinao” (Jaona 11:23). Ny tenivavolombelony dia nanosika an’i Marta hizara ny fijoroana ho vavolombelona manokana nananany: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany” (Jaona 11:24). Jereo ny fomba fiverenan’io lamina io ao amin’ny Jaona 11:25–27. Inona no manaitra anao tamin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy? Nahoana ny fizarana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny filazantsara no tena ampahany manan-danja ao amin’ny fampianarana?

Ny fijoroanao ho vavolombelona dia afaka ny hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ireo izay ampianarinao. Tsy ilaina atao tsara lahatra na atao lava be izany. Ary tsy ilaina atomboka amin’ny hoe “Te hijoro ho vavolombelona aho” izany. Zarao fotsiny izay zavatra fantatrao amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Tena mahery vaika ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana rehefa atao mivantana sy avy amin’ny fo. Mijoroa ho vavolombelona matetika momba ny Mpamonjy, sy ny filazantsarany, ary ny heriny eo amin’ny fiainanao, ary amporisiho ireo izay ampianarinao hanao torak’izany koa Ary tsarovy fa indraindray ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika indrindra dia avy amin’ny mpianatra hafa fa tsy ny mpampianatra.

Fanontaniana hosaintsainina: Mitadiava ohatra ao amin’ny soratra masina izay maneho ny fitaomana mahery vaika entin’ny olona iray izay mijoro ho vavolombelona. Inona no zavatra ianaranao avy amin’ireo ohatra ireo? Oviana ianao no voatahy noho ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny olona iray? Inona no fiantraikan’ny fizaranao ny fijoroana ho vavolombelona anananao teo amin’ireo izay ampianarinao? Inona no fiantraikan’izany teo aminao?

Avy amin’ny soratra masina: Asan’ny Apostoly 2:32–38; Môzià 5:1–3; Almà 5:45–48; 18:24–42; 22:12–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–14; 62:3

Fomba vitsivitsy ahafahanao mampihatra ny zavatra ianaranao

  • Angataho ny mpianatra hizara ny zavatra nampianarin’ny Fanahy Masina azy ireo teo am-pandalinany ny tenin’ Andriamanitra

  • Miomàna mialoha mba handray bitsika ara-panahy eo am-pampianarana.

  • Soraty ireo fahatsapana ara-panahy voarainao eo am-piomanana.

  • Omeo fahafahana matetika ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina mangina ny zavatra ampianarin’ny Fanahy azy ireo.

  • Ampiasao ny hira sy sary masina mba hanasana ny fitarihan’ny Fanahy.

  • Henoy ny bitsiky ny Fanahy eo am-panaovanao drafitra sy eo am-pampianaranao, ary aoka ianao ho vonona ny hanisy fanitsiana an’ireo drafitra novolavolainao.

  • Omeo fahafahana ny mpianatra rehetra hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra ianaran’izy ireo.

  • Ampio ny hafa hamantatra ny fanatrehan’ny Fanahy.

  • Iaino ireo fahamarinana ampianarinao mba hahafahanao mijoro ho vavolombelona momba azy ireny.

  • Araho iireo fitaomana mba hampianatra mandritra ireo fotoana tonga ho azy sy tsotsotra.