“Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra: Ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo mpampianatra voantso”, Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022)
“Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra”, Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy
Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra: Ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo mpampianatra voantso
Ny paroasy tsirairay dia tokony hanatanteraka fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra isaky ny telo volana ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo mpampianatra voantso ao amin’ny paroasy. Mandritra ireo fivoriana ireo, ireo ray aman-dreny sy mpampianatra hafa dia afaka miara-mifampizara hevitra momba ireo fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 13.4, 13.5, 17.4, 17.5, Médiathèque de l’Évangile).
Ireo karazana fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra roa ireo dia samy tanterahina indray mandeha isaky ny telo volana mandritra ilay fotoam-pianarana 50 minitra ny alahady.
Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny
Iza no mitarika izany fivoriana izany? Raha ny mahazatra dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady no mitarika ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny. Azon’ny episkôpà atao anefa ny manome andraikitra mpikambana hafa ao amin’ny paroasy mba hitarika fivoriana indraindray.
Ny filankevitry ny paroasy, miaraka amin’ny fanampian’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady, no mandrindra ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny. Miara-mandinika ny momba ireo zavatra ilain’ireo ray aman-dreny sy fianakaviana izy ireo ary miara-miasa mba hamantarana ireo fitsipika avy ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy izay tena mamaly tsara ireo zavatra ilaina ireo.
Iza avy no tokony hanatrika? Ny filankevitry ny paroasy no manapaka raha toa ka hanasa ray aman-dreny voafaritra manokana na hanome fahafahana an’izay rehetra te handray anjara mba hanatrika izany.
Fotoana inona no tokony hanatanterahana izany fivoriana izany? Ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny dia azo tanterahina amin’izay andro alahady mampety izany, izay tapahin’ny filankevitry ny paroasy.
Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo mpampianatra voantso
Iza no mitarika izany fivoriana izany? Raha ny mahazatra dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady no mitarika ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo mpampianatra voantso. Azon’ny episkôpà atao anefa ny manome andraikitra mpikambana hafa ao amin’ny paroasy mba hitarika fivoriana indraindray.
Ny filankevitry ny paroasy miaraka amin’ny fanampian’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady no mandrindra ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo mpampianatra voantso. Miara-mandinika ny momba ireo zavatra ilain’ny mpampianatra sy ny mpianatra izy ireo ary miara-miasa mba hamantarana ireo fitsipika avy ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy izay tena mamaly tsara ireo zavatra ilaina ireo.
Iza avy no tokony hanatrika? Tokony hanatrika ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ny olona tsirairay izay mampianatra ao amin’ny kôlejy iray na kilasy iray ao amin’ny paroasy. Asaina ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy sy ny rafitra.
Fotoana inona no tokony hanatanterahana izany fivoriana izany? Manatrika ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ireo mpampianatra amin’izay alahady tsy ampianaran’izy ireo any amin’ny kilasiny mahazatra.
-
Ireo mpampianatra ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana sy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ary ao amin’ny Zatovovavy dia afaka manatrika izany ny alahady voalohany na ny alahady fahatelo, araka izay tapak’ireo mpitarika eo an-toerana.
-
Ny mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady dia afaka manatrika izany na ny alahady faharoa na ny alahady fahaefatra, araka izay tapak’ireo mpitarika eo an-toerana.
-
Ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga dia afaka manatrika izany amin’izay alahady safidin’izy ireo, araka izay tapaky ny fiadidian’ny Kilonga sy ny fiadidian’ny Sekoly Alahady ao amin’ny paroasy. Raha tian’izy ireo, dia afaka mivory mitokana fa tsy miaraka amin’ireo mpampianatra hafa ny mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba hifampizara hevitra momba ireo lafiny miavaka eo amin’ny fampianarana ny ankizy. Azo tanterahina mandritra ilay 20 minitra hanaovana ny fotoam-pihirana izany, na alohan’ireo fivoriana mahazatra isaky ny alahady na aorian’izany, na amin’ny andro iray hafa ao anatin’ny herinandro. Azo atao ny manao fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra mihoatra ny iray isaky ny telo volana ho an’ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba tsy hisian’ny hoe miaraka tsy manatrika ny kilasin’ny Kilonga daholo ny mpampianatra rehetra ao amin’ny Kilonga ao anatin’ilay herinandro iray. (Fanamarihana: Raha ilaina dia manendry mpampianatra mpisolo toerana, na manambatra ireo kilasy, na manao fandaminana hafa ny fiadidian’ny Kilonga mba hanomezana fahafahana an’ireo mpampianatra hanatrika ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra.)
Lamin’ny fivoriana
Araho ity lamina mikasika ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ity na ho an’ireo ray aman-dreny izany na ho an’ireo mpampianatra voantso:
-
Miaraka mizara sy mifanakalo hevitra (20 minitra eo ho eo). Asao ireo ray aman-dreny na mpampianatra hizara ny zavatra izay mahomby rehefa mampianatra ny filazantsara any an-tokantrano na ao amin’ny kilasiny izy ireo. Azon’izy ireo atao koa ny mizara ireo olana atrehan’izy ireo na ireo zavatra tian’izy ireo hatsaraina.
-
Miaraka mianatra (15 minitra eo ho eo). Mifanakaloza hevitra miaraka amin’ireo ray aman-dreny na mpampianatra momba ny iray amin’ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Azo ampiasaina ho loharanom-pitaovana ho an’izany fifanakalozan-kevitra izany koa ny Avia, hanaraka Ahy.
-
Manao drafitra sy manolotra fanasana (10 minitra eo ho eo). Asao ireo ray aman-dreny na mpampianatra mba hizara ny zavatra nianarany nandritra ilay fivoriana sy ny fomba kasain’izy ireo hampiharana izany.