Seminera sy Institiota
Ampio ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy


“Ampio ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022)

“Ampio ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Sary
I Jesoa mipetraka miaraka amin’ny ankizy

Amin’ny maha-mpampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy antsika dia manampy ny hafa isika mba hahatakatra ny fampianarany sy ny heriny ary ny fitiavany.

Ampio ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy

Tsy misy zavatra hafa ataonao amin’ny maha-mpampianatra anao izay hitahy bebe kokoa ireo mpianatra noho ny fanampiana azy ireo hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Krsity ary hahatsapa ny fitiavan’ Izy Ireo (jereo ny Jaona 17:3). Mieritrereta zavatra niainana izay nanampy anao ho lasa nahafantatra sy nitia ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy. Inona no efa nataonao mba hianarana momba ny toetran’ Izy Ireo sy ny herin’ Izy Ireo ary ny fitiavan’ Izy Ireo? Ahoana no fomba nitondran’ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy ny an’i Jesoa Kristy fifaliana ho anao? Eritrereto avy eo ny zavatra azon’ny fitiavan’ Izy Ireo sy ny herin’ Izy Ireo atao ho an’ny olona tsirairay ampianarinao. (Jereo ny Almà 26:21; Etera 12:6.)

Ny tanjontsika faratampony eo amin’ity fiainana ity dia ny hitovy kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra sy hiverina any Aminy. Amin’ny alalan’ny fanatonantsika an’i Jesoa Kristy no fomba hanatanterahantsika izany tanjona izany (jereo ny Jaona 14:6). Izany no antony nampianaran’ny mpaminany Nefia hoe: “Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy [isika]” (2 Nefia 25:26).

Ny zanak’ Andriamanitra rehetra dia mila ilay hazavana sy fahamarinana izay avy amin’ny Mpamonjy ary afaka misafidy ny handray andraikitra eo anatrehan’izany. Ny atao hoe mpampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny manampy ny hafa mba hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarany sy ny heriny manavotra ary ny fitiavany tonga lafatra. Eritrereto ny fomba ahafahan’ireto hevitra manaraka ireto manampy anao hitaona ny hafa hahafantatra kokoa an’i Jesoa Kristy sy hanaraka Azy.

Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ny fiainan’izy ireo

Tsara ny mahafantatra momba ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny heriny ary ny famindram-pony, saingy ilaintsika koa ny miaina izany. Ny fahitana ny fomba nitahiany sy nanasitranany ny olona tao amin’ny soratra masina dia manampy antsika hanana finoana bebe kokoa fa afaka mitahy sy manasitrana antsika Izy. Ohatra, tsy feno ny fianarana momba ireo zavatra niainan’i Daniela raha toa ka tsy mitaona antsika mba hatoky ny Tompo izany rehefa miatrika ilay lavaky ny lionantsika manokana isika ara-panoharana.

Rehefa manampy ny mpianatra hamantatra ny “halehiben’ny famindram-pon’ny” Tompo isika (1 Nefia 1:20), na ao anatin’ny soratra masina izany na eo amin’ny zavatra iainan’izy ireo manokana, dia hahatsapa sy hahafantatra izy ireo fa miaraka amin’izy ireo ny Tompo ary mijoro eo anilan’izy ireo amim-pitiavana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6). Hahita sy hahatsapa ny fisian’ny fitiavan’ny Tompo sy ny famindram-pony marina izy ireo eo amin’ireo zavatra ilain’izy ireo sy ireo toe-javatra iainan’izy ireo manokana.

Sary
I Jesoa manolotra ny Toriteny teo An-tendrombohitra

Afaka manampy ny mpianatra hiaina ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny heriny ary ny famindram-pony ny mpampianatra.

Ampio ny mpikambana hanamafy orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Ny tanjon’ny fampianarana sy ny fianarana momba an’i Jesoa Kristy dia ny hanampy ny olona tsirairay hanakaiky kokoa Azy sy ny Raintsika any An-danitra. Ampio ny olona ampianarinao mba tsy hanadino velively izany tanjona izany. Amporisiho izy ireo mba hanamafy orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina, ny fibebahana tsy tapaka, ny firesahana amin’ny Ray ao anatin’ny vavaka ary ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka. Ampianaro ny mpianatra amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra fa mamatotra antsika amin’ Izy Ireo ny fanaovana sy ny fitandremana ny fanekempihavanana. Ampio izy ireo hahafantatra fa tena sarobidy sy tian’ Izy Ireo isika. Ampatanjaho ilay finoan’izy ireo fa i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ilay Sorompanavotany tonga lafatra, no hany lalana ahafahana miverina any amin’ny Raintsika. Omeo fahafahana ny mpianatra mba hahazo tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina “izay vavolombelona manambara ny amin’ny Ray sy ny Zanaka” (Mosesy 5:9).

Ampio ny mpianatra hinia hiezaka ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy

Amin’ny farany, ny fianarantsika momba an’i Jesoa Kristy dia mitaona antsika ho lasa tahaka Azy kokoa. Saingy tsy hitranga ny fahatongavana tahaka Azy raha tsy manao asa amim-pinoana isika, ao am-pianarana sy any ivelan’ny fianarana, ka minia manao safidy ny hanaraka ny ohatra nasehony sy handray ny fahasoavany. Ampio ny mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina mba hitadiavana ireo fomba ahafahan’izy ireo ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa. Manolora fitarihana sy fanohanana rehefa ataon’ny mpianatra ho ezaka mandritra ny androm-piainana ny fahatongavana tahaka Azy.

Nampianatra i Jakôba fa “ny zavatra rehetra izay efa nomen’ Andriamanitra ny olona hatry ny fiandohan’izao tontolo izao” dia afaka mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy (2 Nefia 11:4). Afaka ny ho iray amin’ireo zavatra ireo ny fampianaranao. Apetraho ho ivon’ny fampianarana sy ny traikefa amin’ny fianarana i Jesoa Kristy. Rehefa “miresaka an’i Kristy, … mifaly amin’i Kristy, … mitory an’i Kristy” isika (2 Nefia 25:26), ny Fanahy Masina dia afaka mamboly tenivavolombelona lalina ao an-tsain’ny olona tsirairay sy ny fony momba ny Mpamonjy. Rehefa manampy ireo mpianatra ianao ho lasa mahafantatra manokana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia azo antoka kokoa fa hitodika any amin’ Izy Ireo izy ireo mba hahazo fanampiana sy fanantenana ary fanasitranana mandritra ny fiainany.