Seminera sy Institiota
Tiavo ireo izay ampianarinao


“Tiavo ireo izay ampianarinao,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022)

“Tiavo ireo izay ampianarinao,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Sary
I Jesoa miresaka amin’ny vehivavy iray eo amin’ny fantsakana

Miaraka amin’ny Mpamonjy izay ohatra ho antsika dia lasa antony mandrisika ny fampianarantsika ny fitiavana.

Tiavo ireo izay ampianarinao

Ny zavatra rehetra nataon’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia natosiky ny fitiavana. Rehefa miezaka ny ho mpanara-dia marina an’i Kristy isika dia afaka ny ho feno an’izany fitiavana izany koa (jereo ny Jaona 13:34–35; Môrônia 7:47–48; 8:26). Rehefa ao am-pontsika ny fitiavan’ny Mpamonjy, dia mitady izay fomba rehetra azo atao isika mba hanampiana ny hafa hianatra momba an’i Kristy sy hanatona Azy. Lasa antony mandrisika ny fampianarantsika ny fitiavana.

Mba hitiavana ireo izay ampianarinao

  • Jereo amin’ny fomba hijeren’ Andriamanitra azy ireo ireo mpianatra.

  • Katsaho ny hahafantatra azy ireo. Takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo.

  • Mivavaha ho azy ireo amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo.

  • Mamoròna tontolo azo antoka izay hanajana ny rehetra sy hahafantaran’izy ireo fa sarobidy ny anjara biriky entin’izy ireo.

  • Mitadiava fomba tsara hanehoana ny fitiavanao.

Hitan’ny Mpamonjy tao amin’ny olona tsirairay nampianariny ny fahafahana ho tonga tahaka an’ Andriamanitra

Ny ankamaroan’ny olona tany Jeriko dia nieritreritra fa nahafantatra izay rehetra nilain’izy ireo ho fantarina momba an’i Zakaiosy izy ireo. Mpamory hetra izy, lehiben’ny mpamory hetra raha ny marina, ary nanan-karena. Tena nieritreritra izy ireo fa tsy maintsy olona tsy marin-toetra sy manao kolikoly izy. Saingy nijery ny fon’i Zakaiosy ny Mpamonjy ary nahita “zanak’i Abrahama” izay mendri-kaja (jereo ny Lioka 19:1–10). Ny Mpamonjy dia tsy nijery ny olona araka izay ahitana azy ireo ety ivelany fotsiny fa araka ilay maha-izy azy ireo, ary araka izay mety hahatongavan’izy ireo. Mpitarika ny Fiangonany any aoriana no hitany tao anatin’ireo mpanjono tsy dia ampy fahalalana loatra toa an’i Simona, Andrea ary i Jakoba sy i Jaona. “Fanaka voafidy,” izay hitory ny filazantsarany eo anatrehan’ireo mpanjaka sy firenena no hitany tao amin’i Saoly izay mpanenjika natahorana (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:10–15). Ary zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra izay manana hery tsy manam-petra hanatotosan-javatra no hitan’ny Mpamonjy ao aminao sy ao amin’ny olona tsirairay ampianarinao.

Eo anivon’ireo olona ampianarinao dia tena hahita olona sasany izay toa mahatoky sy niova fo ianao ary olona hafa izay toa tsy liana na mikomy mihitsy aza. Mitandrema mba tsy hanana fomba fihevitra mifototra amin’ny zavatra hitanao fotsiny. Afaka manampy anao ny Fanahy Masina hahita ny zavatra hitan’ny Mpamonjy ao anatin’ny olona tsirairay, ary afaka manampy anao hanomboka hitia azy ireo amin’ny fomba hitiavany azy ireo.

Fanontaniana hosaintsainina: Eritrereto ny olona tsirairay ampianarinao ary saintsaino ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy momba azy tsirairay. Inona no mety hitan’ Izy Ireo ao aminy? Inona no ho fiantraikan’ireo eritreritra ireo eo amin’ny fomba hampianaranao io olona io?

Avy ao amin’ny soratra masina: 1 Samoela 16:7; Salamo 8:4–5; Romana 8:16–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–14

Fantatry ny Mpamonjy isika ary takany ireo toe-javatra iainantsika sy ny zavatra ilaintsika ary ny tanjatsika

Tsy nankeo amin’ny fantsakana mba hihaino hafatra momba ny filazantsara ilay vehivavy Samaritana. Tonga mba hantsaka rano izy. Saingy hitan’ny Mpamonjy fa mihoatra ny hetaheta ara-batana ilay hetaheta ilainy. Fantany fa nanana lasa nifamahofaho izay nahitana fiarahana nikorontandrotana tamin’olona izy. Noho izany dia nalain’i Jesoa ilay zavatra nilainy ara-batana izay tonga dia nahasarika azy, dia ny rano mahavelona izany, ka nampifandraisiny tamin’ilay zavatra lalina ara-panahy ilainy dia ny “rano velona” ary ny “fiainana mandrakizay.” Tany amin’ny fiafaran’ny fifampiresahan’izy ireo dia nanana fijoroana ho vavolombelona manokana ilay vehivavy fa i Jesoa no Kristy, izay tamin’ny ampahany dia azony tamin’ny fahalalan’i Jesoa tanteraka ny momba azy. “Nilaza tamiko ny nataoko rehetra [Izy],” hoy izy. “Izao angaha no Kristy?” (jereo ny Jaona 4:6–29).

Tafiditra ao anatin’ny maha-mpianatra tahaka an’i Kristy ny famantarana ny olona ampianarinao sy ny fiezahana manakatra ny zavatra ao am-pon’izy ireo. Afaka maneho fahalianana momba ny fiainan’izy ireo ianao ary maneho fangorahana. Afaka mitady fomba hahatakarana ny mombamomba azy ireo, ny talentan’izy ireo sy ny zavatra mahaliana azy ireo ary ny zavatra ilain’izy ireo ianao. Afaka mikaroka ny fomba ahafahany tena mianatra tsara ianao. Afaka mametraka fanontaniana sy mihaino tsara ary mandinika ianao. Fa ny manan-danja indrindra, dia afaka mivavaka ianao mba hahazo ilay fahatakarana izay ny Fanahy ihany no afaka manome azy. Arakaraka ny hahafantaranao tsara ny olona iray no ahafahanao manampy kokoa azy hahita ny lanjan’ny tena manokana sy hahazo hery ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha vao takatrao ny hetahetan’ny olona iray dia afaka mampianatra anao ny fomba hanampiana amin’ny fanalana izany hetaheta izany amin’ny alalan’ny rano velon’ny Mpamonjy ny Fanahy.

Fanontaniana hosaintsainina: Inona no zavatra efa fantatrao momba ireo olona ampianarinao? Inona no zavatra manan-danja amin’izy ireo? Inona avy ny tanjak’izy ireo? Inona avy ny zavatra manahirana azy ireo? Inona no azonao atao mba hahatakarana tsara kokoa ny mahazo azy ireo?

Avy ao amin’ny soratra masina: Salamo 139:1–5; Matio 6:25–32; Marka 10:17–21; Jaona 10:14; 3 Nefia 17:1–9

Nivavaka ho an’ireo izay nampianariny ny Mpamonjy

Alaivo sary an-tsaina hoe inona no tsapan’i Simona Petera rehefa henony ny Mpamonjy niteny taminy hoe: “Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nifofo nitady anareo, … nefa Izaho nangataka ho anao mba tsy ho levona ny finoanao” (Lioka 22:31–32). Inona no mety ho fiantraikany teo aminao raha nahafantatra ianao fa nivavaka tamin’ny Ray ho anao i Jesoa Kristy? Ny vahoaka tany Amerika fahiny dia niaina toe-javatra tahaka izany ary nofaritan’izy ireo tahaka izao izany: “Tsy misy afaka misaintsaina ny fifaliana izay nameno ny fanahinay tamin’ny fotoana nandrenesanay Azy nivavaka tamin’ny Ray ho anay” (3 Nefia 17:17).

Azonao atao koa ny mieritreritra ny zavatra mitranga ao anatinao rehefa mivavaka ho an’olona iray tsy tapaka ianao ary manonona ny anarany. Inona no fiantraikan’ireo vavaka ataonao eo amin’ny zavatra tsapanao momba an’izany olona izany? Inona no fiantraikan’izany eo amin’ireo fandraisana andraikitra ataonao? Azo antoka fa maheno sy mamaly ireo vavaka amin-kitsim-po ataon’ny mpampianatra iray maniry ny hanampy mpianatra iray ny Raintsika any An-danitra. Ary matetika ny fomba iray hamaliany ireo vavaka ireo dia amin’ny alalan’ny fikasihana ny fon’ilay mpampianatra sy ny fanentanana ny fanahiny mba hanao na hilaza zavatra izay hanampy ilay mpianatra hahatsapa ny fitiavany.

Fanontaniana hosaintsainina: Rehefa mieritreritra mikasika ireo olona ampianarinao ianao dia moa ve misy olona tsapanao fa mila manokana ny fitondranao am-bavaka azy? Inona no zavatra hanentanan’ny Fanahy anao mba hivavahana ho azy? Inona avy ireo fitahiana izay mety ho tonga rehefa manasa ireo mpianatra hifampivavaka ianao?

Avy ao amin’ny soratra masina: Jaona 17; Almà 31:24–36; 3 Nefia 18:15–24; 19:19–23, 27–34

Nataon’ny Mpamonjy izay hahatsapan’ny rehetra ho voahaja sy manana ny lanjany

Ny toe-tsaina tamin’ny ankapobeny nananan’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesoa dia ny hoe tokony halavirina ireo mpanota. Noho izany antony izany dia taitra mafy ireo mpitarika ireo rehefa nahita an’i Jesoa nifanerasera tamin’ireo mpanota. Ahoana no maha-mpitarika ara-pinoana ny olona iray izay nifanerasera tamina olona toy izany?

Mazava ho azy fa nanana fomba fijery hafa i Jesoa. Nikatsaka ny hanasitrana ireo izay marary ara-panahy Izy (jereo ny Marka 2:15–17; Lioka 4:17–18). Nanolo-tanana tsy tapaka an’ireo izay tsy mitovy amin’ireo olona manodidina azy ireo Izy na nanana lasa nifamahofaho ary nifanerasera tamin’ireo izay nanota Izy. Nidera ny finoana nananan’ny miaramila Romana iray Izy (jereo ny Matio 8:5–13). Niantso mpamory hetra iray tsy matoky olona ho lasa iray amin’ireo mpianany azo itokisana izy (jereo ny Marka 2:14). Rehefa nampangaina fa nijangajanga ny vehivavy iray dia nataony izay nahatsapan’ilay vehivavy ho voaro ary notaominy mba hibebaka sy hiaina fiainana tsara kokoa izy (jereo ny Jaona 8:1–11).

Mbola nanao zavatra mihoatra izany anefa i Jesoa. Namboly izany toetra maneho fanekena ny hafa sy maneho fitiavana izany teo anivon’ny mpanara-dia Azy Izy. Azo antoka fa tao am-pon’ireo Apôstôliny izany rehefa tonga ilay fotoana hitondran’izy ireo ny filazantsara any amin’ny olona rehetra. Hita taratra ao anatin’ny teny nambaran’i Paoly izany hoe: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 10:34).

Mety tena azo antoka fa saika ny olona rehetra asaina ampianarinao dia sahirana amin’ny lafiny iray eo amin’ny fahazoana fahatsapana ho voahaja sy ho omena lanja. Amin’ny alalan’ny fomba entinao mitia sy manaja azy ireo no ahafahanao mampita fa tsy hoe raisina an-tanan-droa fotsiny izy ireo fa ilaina koa. Afaka manolo-tanana an’ireo izay tsy manatrika na manana fahasahiranana na toa tsy liana ianao, ka manam-paharetana raha somary miadana ny fivoarana. Afaka manampy ny olona rehetra hahatsapa ho voaro sy ho mahazo aina ianao rehefa mizara ny olan’izy ireo amin’ireo namana mpino. Ary afaka manao zavatra mihoatra noho izany ianao. Afaka mitaona ny mpianatrao rehetra ianao mba hanampy anao hamorona tontolo iray izay hampianarana ny fotopampianarana ao anatin’ny toe-tsaina feno fanajana sy fiombonana ary fitiavana.

Fanontaniana hosaintsainina: Inona no manampy ny olona iray hahatsapa ho voahaja sy manana ny lanjany? Inona no manosika ny olona iray haneho fanajana sy hanome lanja ny hafa? Rehefa mieritreritra ombam-bavaka ny olona ampianarinao ianao, dia inona no zavatra tsapanao fa tokony hataonao mba hahafahan’izy rehetra mahatsapa fa raisina an-tanan-droa sy ilaina izy ireo?

Avy ao amin’ny soratra masina: Jaona 4; 2 Nefia 26:27–28, 33; Almà 1:26; 3 Nefia 18:22–25

Sary
raim-pianakaviana mampianatra zanaka

Afaka manampy an’ireo izay ampianariny mba hahatsapa ho tiana ny mpampianatra.

Naneho ny fitiavany an’ireo izay nampianariny ny Mpamonjy

Tany amin’ny fiafaran’ilay andro fampianarana sy fanompoana teo anivon’ny Nefita izay tena nahafinaritra sy nampahery, dia hitan’i Jesoa fa nila nandeha Izy. Nisy olona hafa nilainy novangina. “Koa modia any an-tranonareo,” hoy Izy, “ary omany ny sainareo ho amin’ny ampitso.” Saingy nipetraka teo “tao amin’ny ranomaso” ireo olona ka ny fijerin’izy ireo dia “nifantoka Taminy miova tsy ny te hangataka Azy mba hijanona maharitraritra miaraka aminy.” Rehefa takatr’i Jesoa ny zavatra izay nilain’izy ireo nefa tsy nambaran’izy ireo ary “feno fangorahana” tamin’izy ireo Izy, dia nijanona naharitraritra kely Izy (3 Nefia 17:3, 5–6). Nositraniny ny marary sy ny ory teo anivon’izy ireo. Nandohalika ary nivavaka niaraka tamin’izy ireo Izy. Niara-nitomany sy nifaly tamin’izy ireo Izy.

Hevero ny handalina ombam-bavaka ny tenin’ny Mpamonjy sy ireo zavatra nataony ao amin’ny 3 Nefia 17. Saintsaino ny fitiavana nasehony an’ireo izay nampianariny. Tadiavo any amin’ireo toerana hafa ao amin’ny soratra masina ireo fanehoana fitiavana nataony. Dia eritrereto avy eo ireo olona ampianarinao. Ahoana no fomba hanehoanao fitiavana araka ny tokony ho izy azy ireo? Avelao ny Fanahy hitarika anao. Raha hitanao fa sarotra ny mahatsapa sy maneho fitiavana an’ireo izay ampianarinao, dia atombohy amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra izany. Avy eo dia “mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany [fitiavana madion’i Kristy] izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy Zanany” (Môrônia 7:48). Ary tsarovy fa ny ahiahy anananao mikasika ny fampianarana lesona iray dia tsy tokony hanakana anao velively haneho fitiavana amin’ny alalan’ny teny sy ny zavatra ataonao. Matetika ny fomba fandraisanao ny olona dia manan-danja tahaka ny zavatra ampianarinao azy ireo ihany koa.

Fanontaniana hosaintsainina: Ahoana no fomba nanampian’ny Mpamonjy anao mba hahafantatra ny fitiavany anao? Ahoana no fomba nanampian’ny ray na reny iray, na mpampianatra hafa anao mba hahatsapa ny fitiavany? Moa ve fantatry ny olona ampianarinao fa tianao izy ireo? Moa ve fantatr’izy ireo fa tia azy ireo ny Mpamonjy?

Avy ao amin’ny soratra masina: Marka 6:31–42; Jaona 13:3–16, 34–35; 15:12–13; 1 Korintiana 13:1–7; 1 Jaona 4:7–11

Fomba vitsivitsy ahafahanao mampihatra ny zavatra ianaranao

  • Raha mampianatra kilasy iray ianao dia fantaro ny anaran’ireo mpianatra ary ampiasao izany rehefa mampianatra ianao.

  • Manehoa fankasitrahana rehefa mandray anjara ny mpianatra.

  • Mifandraisa amin’ireo mpianatra mialoha ny fampianaranao sy aorian’izany.

  • Ampio ny mpianatra hamorona tontolo ahatsapana fifankatiavana sy fifanajana.

  • Mihainoa tsara rehefa mampianatra ianao sy rehefa amin’ny fotoana hafa.

  • Manaova asa fanompoana ho an’ireo izay ampianarinao.

  • Mivonòna mba hanova ireo drafitry ny fampianaranao mba hanokanana fotoana bebe kokoa ho an’ireo fitsipika izay manan-danja ho an’ireo izay ampianarinao.