Seminera sy Institiota
Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany


“Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022)

“Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ry rahalahy sy anabavy malala,

Tena tombontsoa lehibe ho anareo ny fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy! Na manana antso manokana hampianatra ianao na tsia, dia mpampianatra ianao. Amin’ny maha-mpianatr’ilay Tompo Mpampianatra anao, dia i Jesoa Kristy izany, ianao dia manana fahafahana hizara ny fahazavany na aiza na aiza alehanao: ao an-tokantrano, any am-piangonana, rehefa manompo ny hafa, ary eo anivon’ireo namanao. Adidy masina ny mampianatra ny filazantsara. Ampahany manan-danja ao anatin’ny asan’ny Tompo izany, ary tena mahomby rehefa ataontsika araka ny fombany.

Manasa anao izahay hianatra kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba nampianarany ny filazantsara. Halalino ombam-bavaka ny teniny, sy ny zavatra nataony, ary ny toetrany, dia miezaha manaraka Azy akaiky kokoa. Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia afaka ny ho mpitari-dalana anao.

Ny Fiadidiana Voalohany