Seminera sy Institiota
Mampianara mikasika an’i Jesoa Kristy na inona na inona ampianarinao


“Mampianara mikasika an’i Jesoa Kristy na inona na inona ampianarinao,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022)

“Mampianara mikasika an’i Jesoa Kristy na inona na inona ampianarinao,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Sary
I Jesoa Kristy sy ny mpianany nandritra ny Fanasana Farany

Fiadanana no omeko anareo, nataon’i Walter Rane

Mampianara mikasika an’i Jesoa Kristy na inona na inona ampianarinao

Maro ireo zavatra ampianarina avy ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: fitsipika, didy, faminaniana, ary tantara avy ao amin’ny soratra masina. Saingy ireo rehetra ireo dia rantsana avy amin’ny hazo iray ihany satria manana tanjona iray izy rehetra: hanampy ny olona rehetra hanatona an’i Kristy ary hatao tanteraka ao Aminy (jereo ny Jarôma 1:11; Môrônia 10:32). Noho izany na inona na inona ampianarinao dia tsarovy fa tena mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ianao sy ny fomba hahatongavana tahaka Azy. Ny Fanahy Masina dia afaka manampy anao hahay hamantatra ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy sy ny heriny manavotra ao anatin’ny fitsipiky ny filazantsara tsirairay sy ny didy tsirairay ary ny fampianaran’ny mpaminany tsirairay (jereo ny Jakôba 7:10–11).

Mampianatra momba ny fanaovana sorona na ny fahafoizan-tena ve ianao? Hevero ny hamakafaka miaraka amin’ireo mpianatra ny fomba hampitodihan’ny fanaovana sorona na ny fahafoizan-tena ny fanahintsika mankany amin’ilay “sorona lehibe sady farany” an’ny Mpamonjy (Almà 34:10). Mampianatra momba ny firaisan-kina ve ianao? Hevero ny hifanakalo hevitra momba ny firaisan-kina notanterahin’i Jesoa Kristy niaraka tamin’ny Rainy sy ny fanasany antsika mba ho iray ao amin’ Izy Ireo (jereo ny Jaona 17). Raiso ho toy ny fahafahana azo araraotina mba hampianarana sy hianarana momba an’i Jesoa Kristy ny lohahevitry ny filazantsara rehetra.

Manolotra izany fahafahana azo araraotina izany koa ny didy rehetra. Aza mifantoka fotsiny amin’ireo lalàn’ny filazantsara fa mianara koa mikasika ilay Mpanome ny Lalàna. Rehefa miresaka momba ny Tenin’ny Fahendrena ianao ka mijanona eo amin’ireo zavatra azo atao sy tsy azo atao eo amin’ny fiainana ara-pahasalamana, dia mamoy ilay fahafahana misaintsaina hoe tena miahy antsika lalina tokoa i Jesoa Kristy, eo amin’izay mahasoa antsika ara-panahy sy ara-batana, matoa nanome antsika io lalàna io. Mifantoha amin’ilay hoe tena vonona sy tsindrin-daona hanome antsika ny heriny ny Mpamonjy mba hanampiana antsika hiaina ireo lalàny. Ny didy rehetra omeny antsika dia manambara zavatra momba ny ao an-tsainy sy ny sitrapony ary ny ao am-pony. Mahazoa fifaliana ao anatin’ny fiarahana mitady izany!

Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy

Afaka mametraka an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fampianarantsika sy ny fianarantsika isika amin’ny alalan’ny fanekena sy ny fanantitranterana fa Izy no ohatra tonga lafatra maneho ireo fitsipiky ny filazantsara rehetra. Amin’ny maha-mpianatra antsika dia tsy manaraka fitsipika fotsiny isika fa manaraka an’i Jesoa Kristy. Rehefa mifantoka amin’ny ohatra tonga lafatra nasehon’ny Mpamonjy isika dia hijoro ho vavolombelona momba Azy ny Fanahy Masina ary hitaona antsika hanaraka Azy.

Eritrereto kely hoe mampianatra ilay fitsipiky ny faharetana hatramin’ny farany ianao. Ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny maha-ohatra eo amin’ny fanehoana faharetana hatramin’ny farany ny Mpamonjy dia afaka mitondra fahatsapana fanajana tena tsara ho Azy. Inona no zavatra mety ianaran’ireo izay ampianarinao sy tsapan’izy ireo avy amin’ilay ohatra nasehony?

Sary
Ny Mpamonjy manasitrana lehilahy iray mandry eo amin’ny tany

Naneho ohatra tonga lafatra ho antsika rehetra i Jesoa. Nositraniny avokoa izy rehetra, nataon’i Michael Malm

Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra nananany

Manana anarana fiantsoana Azy maro i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina. Ny tsirairay avy amin’izy ireo dia maneho ny anjara asany ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra sy mampianatra antsika mikasika ireo toetrany amin’ny maha-Andriamanitra Azy. Azonao heverina ny hiaraka hamakafaka amin’ny mpianatra ny zavatra ampianarin’ireo anarana fiantsoana ireo antsika momba an’i Jesoa Kristy, toy ny hoe Zanak’ondrin’ Andriamanitra, Mpisolovava, Mpanefa ny [finoantsika], ary Fahazavan’izao tontolo izao. Ary koa rehefa manampy ny mpianatra mba hahafantatra kokoa ny momba ny Mpamonjy ianao, dia aza mijanona eo amin’ny zavatra nolazainy sy nataony fa halalino hoe iza Izy ary inona no anjara asa tiany hosahanina eo amin’ny fiainantsika. Rehefa miaraka mianatra mikasika ireo toetran’ny Mpamonjy ianareo dia hampitombo ny fahatakaranareo ny momba Azy sy ny fitiavanareo Azy ny Fanahy Masina.

Karohy ireo tandindona mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy

“Ny zava-drehetra,” hoy ny nambaran’ny Tompo, “dia nohariana sy natao mba ho vavolombelona manambara ahy” (Mosesy 6:63; jereo koa ny 2 Nefia 11:4). Miaraka amin’izany ao an-tsaina dia afaka mianatra mahita tandindona maro ao amin’ny soratra masina isika izay mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Ireo tandindona ireo dia ahitana zavatra toy ny mofo, rano ary hazavana. Rehefa takatsika ny fifandraisan’ireo zavatra ireo amin’ny Mpamonjy dia afaka mampianatra antsika mikasika ny heriny sy ireo toetrany izy ireo. Afaka mahita zavatra mifandrindra amin’ny fiainan’ny Mpamonjy aza isika eo amin’ny fiainan’ireo mpaminany ary eo amin’ny fiainan’ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky ao amin’ny soratra masina. Ny fitadiavana tandindona dia manambara fahamarinana momba ny Mpamonjy any amin’ireo toerana izay mety tsy tsikaritrao raha tsy noho izany.