Seminera sy Institiota
Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana


“Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022)

“Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Sary
I Jesoa misintona an’i Petera avy ao anaty rano nasamboaravoaran’ny tafiotra

Finisher of Faith (Mpanefa ny finoana), nataon’i J. Alan Barrett

Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

Mety ho tena nahatalanjona ny nijery ny Mpamonjy nandeha teo ambonin’ny rano. Tsy ampy anefa izany ho an’i Petera. Naniry ny hanao izay nataon’ny Mpamonjy izy, ny ho eny amin’izay nisy Azy, ary hiaina izany zavatra izany mihitsy. “Asaovy manatona Anao eny ambonin’ny rano aho,” hoy izy. Namaly tamin’ny fanasana tsotra ny Mpamonjy hoe: “Manatona.” Niaraka tamin’izay dia nitsambikina niala tao amin’ilay sambo izay nahitana fiarovana i Petera ka nampiseho antsika fa ny maha-mpianatry ny Tompo dia tsy hoe zavatra iainana tsy mitaky fanaovana asa (jereo ny Matio 14:24–33). Mitaky finoana an’i Kristy sy ezaka atao am-pahavitrihana izany. Nefa mitondra ilay valisoa lehibe koa izany, dia ny fiarahana mandeha amin’ny Mpamonjy.

“Manatona.” “Avia fa ho hitanareo.” “Avia, manaraha Ahy.” “Mandehana ianao, ka manaova toy izany koa” (Matio 14:29; Jaona 1:39; Lioka 18:22; 10:37). Hatrany am-piandohan’ny asa fanompoany dia nanasa ny mpanara-dia Azy ny Mpamonjy mba hiaina mivantana ireo fahamarinana sy ny hery ary ny fitiavana izay atolony. Nataony izany satria izany mihitsy no atao hoe fianarana. Tsy fihainoana na famakiana fotsiny izany fa fiovana sy fibebahana ary fivoarana koa. Araka ny tenin’ny Mpamonjy, ny fianarana dia mitranga amin’ny alalan’ny “fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118; nampiana fanamafisana). Ary ny finoana dia ahitana ny fihetsehantsika ho azy, fa tsy etsehina fotsiny (jereo ny 2 Nefia 2:26).

Rehefa manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika dia manasa ireo izay ampianarintsika mba hangataka sy hikatsaka ary handondòna, ary hahita avy eo (jereo ny Matio 7:7–8). Ary ny tenantsika dia manaiky izany fanasana izany. Amin’ny alalan’ny finoantsika an’i Kristy sy ny ezaka ataontsika amim-pahavitrihana, dia miaraka mahafantatra manokana ny dikan’izany hoe mandeha miaraka Aminy izany isika.

Mba hanaovana izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

  • dia ampio ireo mpianatra ho tompon’andraikitry ny fianaran’izy ireo.

  • Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro.

  • Asao ny mpianatra hiomana hianatra.

  • Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany.

  • Asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianarany.

Ny Mpamonjy dia nanampy ny hafa ho tompon’andraikitry ny fianaran’izy ireo

Ny fanamboarana sambo izay afaka hiampita ny ranomasimbe soa aman-tsara dia ho asa sarotra ho an’ny rehetra. Ny rahalahin’i Jareda dia “notarihin’ny tanan’ny Tompo lalandava” (Etera 2:6), ka nandray toromarika mikasika ny endrik’ireo sambo sy ny fomba hampidirana rivotra ao anatin’ izany . Saingy inona no tsikaritrao tamin’ny valintenin’ny Tompo rehefa nanontany mikasika ny fomba hahazoana hazavana ao anatin’ilay sambo ny rahalahin’i Jareda? (jereo ny Etera 2:22–25). Ahoana no naha-voatahy ny rahalahin’i Jareda tamin’ny alalan’ilay fanasana hampihatra ny finoany tamin’ny alalan’izany fomba izany? (jereo ny Etera 3:1–16).

Mety hoe mora kokoa ny milaza fotsiny amin’ny mpianatra ireo zavatra rehetra eritreretinao fa tokony ho fantatr’izy ireo. Kanefa, ny Loholona David A. Bednar dia nanoro hevitra hoe: “Tsy tokony hoe —Inona no holazaiko azy ireo?— no zavatra kasaintsika.” Fa ny fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika kosa dia ny hoe —Inona no zavatra azoko angatahina amin’izy ireo mba hataon’izy ireo? Inona avy ireo fanontaniana tsara azoko apetraka izay hanomboka hanasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainan’izy ireo, raha vonona ny hamaly izy ireo?—” (takariva iarahana amina Manampahefana Ambony, 7 feb. 2020, broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Diniho ny fomba ahafahanao manasa ny mpianatra ho tompon’andraikitry ny fianaran’izy ireo. Ohatra, azonao atao ny manasa azy ireo mba hametraka ireo fanontaniany manokana, hikaroka ny valiny, hisaintsaina, ary hizara na hirakitra ny eritreriny sy ny zavatra tsapany. Rehefa manao izany izy ireo dia hampatanjaka ny finoany izy ireo, hahita fahamarinana ao anatin’ny tenin’ Andriamanitra, ary hiaina manokana ireo fahamarinana ireo. Rehefa tompon’andraikitry ny fianarantsika manokana isika dia afaka miteny tahaka an’i Joseph Smith hoe, “Ny tenako manokana dia nianatra” (Joseph Smith—Tantara 1:20).

Fanontaniana hosaintsainina: Nahoana no zava-dehibe ho an’ny mpianatra ny mavitrika eo amin’ny fianarany fa tsy hoe miraviravy tanana? Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo mba ho tompon’andraikitry ny fianarany? Ahoana no nanampian’ny mpampianatra anao mba hanao izany? Inona no ohatra avy ao amin’ny soratra masina ao an-tsainao izay ahitana ny fanasana ny olona hianatra ho an’ny tenany manokana? Inona no fiantraikan’ireo ohatra ireo eo amin’ny fomba fampianaranao?

Avy amin’ny soratra masina: 1 Nefia 11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–8; 58:26–28; 88:118–125; Joseph Smith—Tantara 1:11–20

Ny Mpamonjy dia namporisika ny hafa ho lasa mahafantatra Azy amin’ny alalan’ny fandalinana ny teniny

Rehefa tonga ny fotoana nanorenan’ny Mpamonjy tamin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonany amin’ny andro farany, dia nilaza tamin’ny mpanompony izy hoe: “[Miantehera] amin’ny zavatra izay voasoratra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:3). Marina tokoa fa ny Bokin’i Môrmôna izay efa saika vitan’izy ireo ny fandikana azy, dia mirakitra torolalana tena manampy amin’ilay asa, ka tafiditra ao anatin’izany ny fomba fanaovana batisa, ny fomba fitantanana ny fanasan’ny Tompo, ary ireo antsipirian-javatra manan-danja hafa. Saingy ny Mpamonjy koa dia naniry ny hahitan’ireo mpanompony ao amin’ireo fanambarany ny fahafahana hihaino Azy sy hahafantatra Azy lalindalina kokoa. Ao amin’io fanambarana io ihany dia nilaza tamin’izy ireo Izy hoe: “Satria ny feoko no miteny ireto [teny ireto] aminareo; … Koa afaka mijoro ho vavolombelona ianareo fa efa nahare ny feoko sy mahafantatra ny teniko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:35–36).

Eritereto ireo olona izay ampianarinao. Ahoana ny fahitan’izy ireo ny fandalinana soratra masina? Raha ny mahakasika izany dia ahoana no fahitanao izany? Moa ve mifono zavatra mihoatra noho ilay hoe zavatra tsy maintsy atao isan’andro izany? Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia moa ve ianao mahatsapa ny firesahan’ny Mpamonjy mivantana aminao? Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Aiza no azontsika aleha raha hihaino Azy? Afaka mitodika any amin’ny soratra masina isika. … Ny filomanosana isan’andro ao amin’ny tenin’ Andriamanitra dia zava-dehibe ho an’ny fiavotana ara-panahy, indrindra fa ao amin’izao andro hisian’ny fiovana sarotra tsy mitsaha-mitombo izao. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isan’andro isika, dia ny tenin’i Kristy no hanambara amintsika ny fomba hiatrehana ireo zava-tsarotra izay tsy noheverintsika mihitsy ho atrehana” (“Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89). Rehefa mampianatra ianao dia amporisiho ny mpianatra handalina ny soratra masina miaraka amin’ny tanjona hitady ny Mpamonjy. Tsy hoe hitady andinin-tsoratra masina na zava-misy momba Azy fotsiny fa hitady Azy mihitsy. Ny fihainoana ny feon’ny Tompo isan’andro ao amin’ny soratra masina dia fototra iorenan’ny fianarana ny filazantsara amim-pahavitrihana sy amim-pahaleovan-tena izay atao mandritra ny fiainana.

Fanontaniana hosaintsainina: Diniho ireo fahazaranao manokana eo amin’ny fandalinana soratra masina. Nanamafy ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra tamin’ny fomba ahoana ny fandalinana ny teniny? Inona no azonao atao mba hanatsarana ny fandalinanao? Ahoana no hanentananao ny hafa mba handalina ny tenin’ Andriamanitra amim-pahavitrihana sy tsy tapaka? Inona no fitahiana ho azon’izy ireo rehefa manao izany izy ireo?

Avy amin’ny soratra masina: Josoa 1:8; 2 Timoty 3:15–17; 2 Nefia 32:3; Jakôba 2:8; 4:6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:16

Ny Mpamonjy dia nanasa ny hafa hiomana hianatra

Na ny voa tsara indrindra aza dia tsy afaka maniry eo amin’ny tany mafy, na feno vato, na feno tsilo. Toy izany koa, na ny fotopampianarana faran’izay sarobidy sy mampitombo finoana indrindra aza dia mety tsy afaka hanova ny fo izay tsy vonona ny handray izany. Izany dia ampahany ao amin’ny hafatra fonosin’ilay fanoharana nomen’ny Mpamonjy mikasika ilay mpamafy voa sy ny voa ary ireo karazan-tany samihafa. Ao amin’ny “tany tsara”, dia ilay fo izay nalefahana sy nodiovina tamin’ireo vato sy tsilo ara-panahy, ny tenin’ Andriamanitra no hamoa voa mahavelona (jereo ny Matio 13:1–9, 18–23).

Manan-danja ny fiomanana ara-panahy, ho anao sy ho an’ny olona izay ampianarinao. Ahoana ary izany no hanampiantsika ny fontsika mba hahafahan’izy ireo ho “tany tsara” ho an’ny tenin’ Andriamanitra? Diniho ireto fitsipiky ny fiomanana manaraka ireto, izay azonao ampiharina eo amin’ny fiainanao sy amporisihana ny hafa izay ampianarinao mba hiainany. Mivavaha mba hahafantarana izay tian’ny Tompo hianaranao. Manàna fiainana izay manasa ny fanatrehany eo amin’ny fiainanao. Mibebaha isan’andro. Kolokoloy ny fanirianao hianatra amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana amin-kitsim-po. Halalino ny tenin’ Andriamanitra miaraka amin’ny finoana fa hitarika anao hahazo valim-panontaniana Izy. Sokafy amin’izay mety hampianariny anao ny fonao.

Rehefa miomana amin’ny alalan’izany fomba izany ny mpianatra dia hanana maso sy sofina ara-panahy hahita sy hihaino ny zavatra izay tian’ny Tompo ho fantatr’izy ireo izy ireo (jereo ny Matio 13:16).

Fanontaniana hosaintsainina: Inona no ataonao manokana mba hanomananao ny tenanao hianatra? Inona no fiantraikan’ny fiomananao eo amin’ny fomba fahitanao sy fihainoanao ary fahatakaranao ny tenin’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahanao mitaona ny hafa mba hiomana hianatra? Inona no mety ho fiovana aterak’izany eo amin’ny fomba fandraisan’izy ireo ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara?

Avy amin’ny soratra masina: Enôsa 1:1–8; Almà 16:16–17; 32:6, 27–43; 3 Nefia 17:3

Sary
ankizy mamaky soratra masina ao an-dakilasy

Mahazo tombontsoa avy amin’ireo fahafahana mifampizara ny zavatra ianarany ny mpianatra.

Ny Mpamonjy dia namporisika ny hafa hizara ireo fahamarinana nianaran’izy ireo

“Miadam-piteny aho,” hoy ny fitarainan’i Enôka rehefa niantso azy mba hitory ny filazantsara ny Tompo. Saingy ny fahaizana mandaha-teny dia tsy zavatra takina velively amin’ny mpanompon’ Andriamanitra. Fa ny Tompo dia nampanantena an’i Enôka fa raha manana finoana ampy mba hanokafana ny vavany izy dia ho avy ny teny. “Homeko izay holazainao,” hoy Izy (Mosesy 6:31–32). Nampihatra ny finoany i Enôka, ary ny Tompo dia tena niresaka tokoa tamin’ny alalany, tamin’ny teny tena mahery vaika ka nahatonga ny vahoaka nangovitra (jereo ny Mosesy 6:47). Raha ny marina dia nahatonga ny tany hihovitra mihitsy izany. Nandositra ny tendrombohitra, nivily lalana ny renirano, ary natahotra ny vahoakan’ Andriamanitra ireo firenena, “fa nahery izaitsizy ny tenin’i Enoka, ary lehibe tokoa ny herin’ny fiteny izay efa nomen’ Andriamanitra azy” (Mosesy 7:13).

Tian’ny Tompo isika rehetra, fa tsy ny mpaminaniny fotsiny, mba hanana ny hery hilaza ny teniny. Tiany hanana izany isika rehetra, ka tafiditra ao anatin’izany ireo olona izay ampianarinao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:20–21). Mety tsy hanakisaka tendrombohitra ny tenintsika na hanova ny lalan’ny renirano, saingy afaka manampy mba hanova fo izany. Izany no maha-zava-dehibe tokoa ny fanomezana ireo mpianatra fahafahana hifampizara izay zavatra ianarany momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Ny fanaovana izany dia hanampy azy ireo hampihatra amin’ny tenany ny fahamarinana izay ampianarina azy ireo ary haneho izany. Izany koa dia hanampy azy ireo hanana fahatokian-tena eo amin’ny fahaizany mizara fahamarinana any amin’ny sehatra hafa.

Fanontaniana hosaintsainina: Mieritrereta fotoana iray niresahanao momba ny fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara tamin’olona iray. Inona no nianaranao avy amin’ilay zavatra niainana? Oviana ianao no feno fankasitrahana fa nisy olona iray nanana fahasahiana nizara ny eritreriny sy ny zavatra inoany? Ahoana no hahafahan’ny olona ampianarinao hahazo tombontsoa avy amin’ireo fahafahana miresaka momba ireo zavatra izay ianarany? Inona avy ireo fahafahana azo araraotina azonao atolotra ho azy ireo?

Avy amin’ny soratra masina: Almà 17:2–3; Môrônia 6:4–6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85; 88:122; 100:5–8

Ny Mpamonjy dia nanasa ny hafa hiaina ny zavatra nampianariny

“Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo.” “Tiava ny fahavalonareo.” “Mangataha, dia homena hianareo.” “Midira amin’ny vavahady ety ianareo.” (Matio 5:16, 44; 7:7, 13.) Ny sasany tamin’ny fanasana tena mafonja sy tsy hay hadinoana natolotry ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany tety an-tany dia nambara rehefa nampianatra ny mpianany teo amin’ny sisin-tendrombohitra iray teo ambonin’ny Ranomasina Galilia Izy. Ny tanjon’ny Mpamonjy dia ny hanova fiainana, izay nataony nazava tsara tao anatin’ny fanasany farany: “Na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy” (Matio 7:24; nampiana fanamafisana).

Tonga eo amin’ny fiainan’ny olona rehetra ny orana mikija, ny tondra-drano ary ny rivo-mahery. Ny fianarana momba ny filazantsara dia tsy ampy hanoheran’ny mpianatra ireo fitsapana rehetra izay hatrehan’izy ireo. Izany no antony tsy tokony hisalasalantsika mba hanasa ny mpianatra handinika ny fomba ahafahany miaina ny zavatra izay ianarany. Ho fanajana ny fahafahana misafidin’ny hafa dia atao amin’ny ankapobeny ny ankamaroan’ny fanasana atolotsika: “Inona no zavatra tsapanao fa tokony hataonao?” Indraindray anefa dia mety ilaina faritana tsara kokoa ny fanasana atolotsika: “Misafidiana toetran’ny Mpamonjy iray izay tianao hanaovana ezaka ny fananana azy.” Rehefa manome fahafahana an’ireo mpianatra mba haheno sy hamantatra ary hizara ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina ianao, dia hampianatra azy ireo izay asa manokana ilaina mba hataon’izy ireo Izy. Ampio ny mpianatra handinika ireo fitahiana izay ho tonga rehefa mandray andraikitra manoloana ny zavatra ianarany izy ireo, ary amporisiho izy ireo mba hanana fikirizana na dia mihasarotra aza izany. Ny fiainana fahamarinana no lalana haingana indrindra mitondra any amin’ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ary fiovam-po lehibe kokoa. Araka ny voalazan’ny Mpamonjy, ny fiainana ny fotopampianaran’ny Ray no lalana ho antsika rehetra mba tena hahafantarana fa marina ilay fotopampianarana (jereo ny Jaona 7:17).

Fanontaniana hosaintsainina: Oviana ianao no voataona handray andraikitra noho ny fanasana natolotry ny olona iray? Inona no niova teo amin’ny fiainanao, vokatr’izany? Jereo ireo fanasana nomena tao amin’ny soratra masina sy avy amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Inona no zavatra ianaranao ka afaka manampy anao rehefa manasa ny hafa mba handray andraikitra ianao? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manara-maso ny fizotry ny fanasana natolotrao?

Avy amin’ny soratra masina: Lioka 10:36–37; Jaona 7:17; Jakoba 1:22; Môzià 4:9–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:8–10; 82:10

Fomba vitsivitsy ahafahanao mampihatra ny zavatra ianaranao

  • Angataho ny mpianatra ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara zavatra nampianarin’ny Fanahy Masina azy ireo, toy ny hevi-baovao avy amin’ny andinin-tsoratra masina iray.

  • Omeo fahafahana ny mpianatra hampianatra sombny amin’ny lesona iray.

  • Amporisiho ny mpianatra handinika horonan-tsary, na soratra masina, na hafatra iray alohan’ny hihaonanareo.

  • Tohero ny fahazarana hamaly ny fanontaniana rehetra. Ampandraiso anjara amin’ny fitadiavana valiny ny hafa.

  • Mialoha ny hizarana hevi-baovao momba ny soratra masina iray dia angataho ny mpianatra hizara ny azy ireo manokana.

  • Mametraha fanontaniana izay hamporisika ny mpianatra hitady valiny ao amin’ny tenin’ Andriamanitra.

  • Asao ny mpianatra hametraka ny fanontaniany manokana momba izay ianarany.

  • Omeo fotoana ny mpianatra rehetra hisaintsainana fanontaniana iray alohan’ny hangatahana azy ireo mba hizara valiny.

  • Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona vitsivitsy mba hanaovana fifanakalozan-kevitra, araka izay mampety izany.

  • Lazao mazava tsara ny zavatra andrasana mba hanampiana ny mpianatra hivoatra.

  • Manolora fanasana izay hamporisika ny mpianatra mba hivoatra nefa tsy atao mavesatra loatra izany. Manaova fanaraha-maso ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainany manokana.

  • Ampio ny mpianatra hianatra avy amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny:

    • Fanisiana marika ireo andinin-tsoratra masina manan-danja, raha toa ka tian’izy ireo izany.

    • Fanasana mba hahazo fanambarana amin’ny alalan’ny fisaintsainana sy ny vavaka.

    • Fanoratana ireo fahatsapana ara-panahy.

    • Fanoratana ao anatin’ny diary fandalinana.

    • Fametrahana tanjona mba hampihatra izay zavatra ianarana.