2012
Fanontaniana sy Valiny
Ôktôbra 2012


Fanontaniana & Valiny

“Inona no dikan’ ny hoe manaja ny fisoronan’ Andriamanitra?”

Ny fisoronana dia ilay hery izay entin’ ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy manatanteraka ny Asany. Hery faran’ izay lehibe indrindra eto an-tany izany. Amin’ ny alalan’ ny fisoronana no hanatanterahana ôrdônansy, hanomezana tsodrano, hanatanterahana ny asa atao any amin’ ny tempoly, hitoriana ny filazantsara ary hanatontosana fahagagana.

Solontenan’ ny Mpamonjy ireo mpihazona ny fisoronana, noho izany dia manaja ny fisoronana izy ireo amin’ ny alalan’ ny fanaovana izay zavatra mety ho nataon’ ny Mpamonjy raha toa Izy tety. Manaja ny fisoronana izy ireo amin’ ny alalan’ ny fananana fiainana mendrika izany. Manaja ny fisoronana izy ireo amin’ ny alalan’ ny fiakanjony sy ny zavatra ataony, ny fiteniny, ny asa fanompoany ary ny eritreriny koa aza.

Ny zatovovavy koa dia afaka manaja ny fisoronana amin’ ny alalan’ ny fitandremana ny fanekempihavanana nataony tamin’ ny batisa ary amin’ ny alalan’ ny fandraisana anjara amim-panajana ao anatin’ ireo ôrdônansin’ ny fisoronana toy ny fanasan’ ny Tompo na ny asa atao any amin’ ny tempoly. Afaka manohana ny rainy, ny anadahiny ary ireo mpihazona ny fisoronana hafa izy ireo eo amin’ ny fitandremana ny didy sy ny fananana fiainana mendrika ny hanatanteraka ireo andraikiny ao amin’ ny fisoronana.

Afaka manaja ny fisoronana daholo isika amin’ ny alalan’ ny fanatanterahana amim-pahatokiana ny antsontsika, amin’ ny alalan’ ny fanajana ireo izay mihazona ny fisoronana, amin’ ny alalan’ ny fanajana ny asa izay tontosain’ izany ary amin’ ny alalan’ ny fanajana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana izay hanampiany antsika ny fandraisana azy.

Miasà Toy ny Solontenan’ Andriamanitra

Rehefa manomboka mahatakatra isika fa tena zava-dehibe ny nanomezan’ Andriamanitra antsika izany fanomezana izany, dia ho lasa mora amintsika ny manaja ny fisoronana: manaova asa amim-pankasitrahana ary hajao ilay hery izay nomena anao. Manontania tena hoe: “Raha toa ka mahafantatra ny olona rehetra manodidina ahy fa mihazona ny herin’ Andriamanitra aho, dia hieritreritra bebe kokoa Azy ve izy ireo sa zara raha hieritreritra Azy?” Izany no atao hoe manaja ny fisoronana—mahatsapa fa solontenan’ Andriamanitra ianao ary manao izay tsara vitanao mba hanao zavatra amin’ ny fomba izay maneho fanajana ny fitokisana napetraka teo aminao.

Mason R., 19 taona, Colorado, Etazonia

Aoka Ianao ho Tsara Toetra

Amin’ ny maha-zatovovavy ahy dia afaka miteny aho hoe tsy mila manaja ny fisoronana. Saingy tena mila manaja izany ny zatovovavy rehetra. Manaja ny fisoronana isika amin’ ny alalan’ ny fanehoana hatsaran-toetra. Manaja ny fisoronana isika amin’ ny alalan’ ny fanampiana ny zatovolahy hanana eritreritra madio. Manao akanjo maotina isika ary mampiasa fiteny madio. Amin’ ny alalan’ ny fanaovana izany dia manampy ireo zatovolahy isika mba hanaja ny fisoronana. Noho izany dia manaja ny fisoronana koa isika.

Marisa B., 14 taona, Arizona, Etazonia

Ataovy ny Adidinao amin’ Andriamanitra

Ny fomba voalohany hanajana ny fisoronana raha araka ny hevitro dia ny fanaovana ireo zavatra izay mety ho nataon’ ny Mpamonjy Tenany raha toa Izy ka tety an-tany satria solontenan’ i Jesoa Kristy isika. Midika izany fa isika dia manatanteraka ireo fanoloran-tena sy andraikitra, ary fampanantenana izay nataontsika tamin’ Andriamanitra rehefa notendrena ho ao amin’ ny fisoronana isika. Amin’ ny alalan’ ny fanajana ny fisoronana dia manaraka ilay didiny isika mba “[h]itsangana ary [ha]mirapiratra mba hahatonga ny fahazavan[tsika] ho faneva ho an’ ireo firenena” (F&F 115:5). Manampy ny hafa isika mba hahafantatra fa misy mpanompon’ Andriamanitra nomem-pahefana maro eto an-tany.

Bismarck B., 18 taona, Santo Domingo, Répiblique Dominicaine

Manehoa Fanajana ny Fisoronana

Izaho dia mihevitra fa ny hoe manome voninahitra ny fisoronana dia ny fananana fanajana sy fahatokiana eo amin’ ny fampiasana ny fisoronana. Rehefa manana mpikambana ao amin’ ny Fisoronana Aharôna izay manaja ny fisoronana sy ny fanasan’ ny Tompo ianao toy ny anananay an’ izany koa ao amin’ ny paroasinay dia afaka miaina karazan-javatra lehibe eo amin’ ny fizarana sy fanomanana ny fanasan’ ny Tompo. Manao lobaka fotsy miaraka amin’ ny karavato avokoa izahay. Fantatray fa misy fiantraikany lehibe eo amin’ ny paroasy izany ary nisy fiantraikany teo amiko. Fantatro fa ny fihazonana ny fisoronana no hany zavatra tsara indrindra niseho teo amin’ ny fiainako hatramin’ izay.

Hansen B., 15 taona, Texas, Etazonia

Aza Mampandefitra ny Fitsipikao

Ny hoe manaja ny fisoronana koa dia midika hoe tsy mametraka ny tenanao ao anatin’ ny toe-javatra izay fantatrao fa mety hampandeferanao ny fitsipikao. Rehefa nianatra ny Testamenta Taloha izahay tao amin’ ny seminera dia nahita tao amin’ ny Genesisy 39 ny ohatra nasehon’ i Josefa tany Egypta izay nanaja ny fisoronany tamin’ ny alalan’ ny fanalavirany an’ ireo fanangolena nataon’ ny vadin’ i Potifara.

Ny fomba iray hanampian’ ny zatovovavy anay hanaja ny fisoronana dia ny manaraka ireo fitsipika ao amin’ ny Jeunes Soyez Forts ary manao akanjo maotina.

Joseph B., 16 taona, Texas, Etazonia

Tohano ny Fisoronana

Ny hoe manaja ny fisoronana ho ahy dia midika hoe manaja sy manohana ilay fanomezana izay nomen’ ny Tompo azy ireo ny zatovolahy. Rehefa mahita zatovolahy iray manaja ny fisoronana aho dia mahatsapa fiadanana bebe kokoa ary manaja bebe kokoa izany zatovolahy izany. Nomen’ ny Ray any an-danitra ny fisoronana izy ka dia mahatsapa aho fa ny adidin’ ny zatovolahy dia tsy hoe mihazona izany fotsiny fa manohana an’ izany koa.

Melinda B., 16 taona, Washington, Etazonia

Tsarovy ny Mpamonjy

Ny fisoronana no hany herin’ Andriamanitra marina eto an-tany ary mampiseho antsika ny lalana hiverenana any Aminy. Rehefa mieritreritra ny fanajana ny fisoronana isika dia mieritreritra ny fanarahana ireo fampianaran’ ny Filoha Thomas S. Monson ary ireo Apôstôly hafa. Ny fomba tsara indrindra hanajana ny fisoronana dia ny manao ireo zavatra izay nampianarina antsika izay manome fahafahana antsika mba hahatsiaro ny Mpamonjy. Rehefa mahatsiaro Azy isika dia hiaraka amintsika ny Fanahiny. Ny fananana ny Fanahy dia manome fahafahana antsika mba hifikitra amin’ ny tanjona sy ho ohatra eo amin’ ny fitsipiky ny filazantsara.

Kilasin’ ny Sekoly Alahady: Kylie E., Jaiten B., Joseph E., Alexandra R., Kaylie V., Alisha F., and Haylee W. (tsy misy sary); Idaho, Etazonia