2012
Nivavaka mba Hahazo Herimpo Aho
Ôktôbra 2012


Nivavaka mba Hahazo Herimpo Aho

Fy Tianarivelo, Madagasikara

Mpikamban’ ny Fiangonana ny ray aman-dreniko, saingy tsy dia mazoto izy ireo. Lasa miteraka disadisa izany indraindray satria izy ireo dia mihevitra fa ny fotoana natokana ho an’ ny fianakaviana no mandeha alohan’ ny zavatra hafa rehetra—alohan’ ny fandehanana miangona, fanatanterahana ny antsoko, ary ny fanaovana zavatra hafa.

Noho izaho mpitarika ao amin’ ny Kilonga sy mpikambana ao amin’ ny amboarampeon’ ny paroasiko dia indraindray mifanindry amin’ ny andraikitro eo amin’ ny fianakaviako izany. Indray andro rehefa niomana ny handeha hanatrika ny fampitana ny fihaonamben’ ny Fiangonana tany amin’ ny trano fivorianay ao Antananarivo aho, dia nampahatsiahy ahy ny ray aman-dreniko fa hanam-bahiny izahay.

“Tsy maintsy misafidy ianao, na ny fianakavianao na ny Fiangonana,” hoy ny reniko tamiko. “Na ianao miaraka mijanona aminay eto dia tsy mijery ny fihaonambe na ianao mandeha mijery ny fihaonambe ary hahazo sazy.”

Nanapa-kevitra ny tsy hifandritra tamin’ ny reniko aho. Fa kosa naka fotoana kely nangatahana ny Ray any an-danitra mba hanome ahy herimpo sy tanjaka. Nangataka azy koa aho mba hanampy ahy hahafantatra ny tokony hatao. Tokony hijanona ato an-trano miaraka amin’ ny fianakaviako ve aho sa handeha ho any am-piangonana hihaino ny feon’ ny mpaminany?

Raha vao vita ny vavaka nataoko dia afaka nahatsapa ny Fanahy Masina aho. Afaka nahatsapa ny Fanahy aho izay namporisika ahy hiteny tamin’ ny reniko fa tena zava-dehibe ho ahy ny mandeha any sy mihaino ny mpaminany. Nahatsapa aho fa tokony hiteny aminy hoe hahazo torohevitra tsara aho tsy ho an’ ny fiainako ankehitriny fotsiny fa ho an’ ny hoaviko koa.

Afaka manao zavatra mahagaga Andriamanitra ary nanalefaka ny fon’ ny ray aman-dreniko izy mba hamela ahy handeha hijery ny fihaonamben’ ny Fiangonana ka tsy hanasazy ahy. Zavatra niainana niavaka teo amin’ ny fiainako izany. Izany dia nanamafy tamiko ny fahamarinan’ ilay soratra masina milaza hoe: “Amin’ ny herin’ ny Fanahy masina dia azon[tsika] fantarina ny fahamarinan’ ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5).

Fantatro fa raha mampifototra ny zavatra ataontsika amin’ ireo fitsipiky ny filazantsara isika ary mihaino ny Fanahy dia afaka ny ho faly foana amin’ ireo safidy ataontsika. Izany zavatra niainana izany dia nanamafy orina ny fijoroako ho vavolombelona fa eo Andriamanitra ho antsika ary manampy antsika eo amin’ ny fiainantsika ny Fanahy Masina.