2012
Ilay Toerana Tokony Hisy Ahy
Ôktôbra 2012


Ilay Toerana Tokony Hisy Ahy

Dorota Musiał, Pologne

Talohan’ ny naha-mpikamban’ ny Fiangonana ahy dia feno fahoriana ny fiainako. Taorian’ ny nisarahan’ ny ray aman-dreniko fony aho fito taona, dia nigadra ny raiko. Mpisotro toaka be ny reniko ary namoy ny zava-drehetra izay nanan-danja taminy. Nalefa nipetraka tany amin’ ny fianakaviana mpandray ankizy aho.

Noho ireo zavatra ireo dia lasa lehibe haingana kokoa noho ny ankamaroan’ ireo izay mitovy taona tamiko aho. Tsy mba tena nahatsapa velively aho hoe afaka nahita ny toerana tokony hisy ahy ary noho izany dia nanana toetra mpikomy foana. Fony aho tena mbola ankizy dia nanomboka nifoka sigara sy nanao zavatra hafa izay takatro ankehitriny fa mifanohitra amin’ ny Tenin’ ny Fahendrena. Azoko antoka fa natao ho tsy hahomby aho eo amin’ ny fiainana.

Ny zavatra iray nahitako fifaliana dia tao anatin’ ny fanampiana olona—na izany manadio miaraka amin’ izy ireo na mihaino ny tantaram-piainany. Naniry mafy aho ny mba hahafantaran’ ny olona fa afaka miantehitra amiko izy ireo. Indray taona izay nandeha nanao fialan-tsasatra aho ary nihaona tamin’ ny vehivavy iray efa lehibe ka dia nanapa-kevitra ny hanompo amin’ ny alalan’ ny fihainoako azy. Kristiana izy ary nanomboka niresaka momba ny finoana tamiko.

Tsy mba tena nino an’ Andriamanitra velively aho. Nisy fotoana rehefa nieritreritra aho fa mety misy Izy, dia nanome tsiny Azy aho noho ireo zavatra sarotra niainako. Saingy rehefa nanomboka namaritra tamiko ny lanjan’ ny fananana finoana an’ Andriamanitra ity vehivavy ity, dia hitako fa lasa eritreritra aho. Talohan’ ny nandehanako dia nilaza zavatra izay tena nahaliana izy: “Manaraka ny didin’ Andriamanitra ny Môrmôna.”

Mbola tsy nahare mikasika ny Môrmôna velively aho, ka dia nandeha nody sy nampiasa internet ary nanao fikarohana. Tonga teo amin’ ny Mormon.org aho ary nanafatra tahadika irain’ ny Bokin’ i Môrmôna izay maimaim-poana. Naterin’ ny misiônera izany andro vitsivitsy taty aoriana.

Tsy natoky aho afaka manomboka mino an’ Andriamanitra, saingy ny misiônera dia nanampy ahy hahita fa tsy hoe afaka mino Azy fotisny aho fa afaka mahafantatra Azy koa. Rehefa nanomboka nivavaka sy nandalina ny Bokin’ i Môrmôna aho, dia nahita ny tenako tao anatin’ ny dia mahafinaritra iray izay mitondra any amin’ ny fitadiavana fifaliana. Niala sigara aho. Natsahatro ny fanomezan-tsiny an’ Andriamanitra ary nanomboka nisaotra Azy aho noho ireo zavatra tsara teo amin’ ny fiainako. Lasa nahafantatra aho fa ny Zanakalahiny dia nijaly ho an’ ny fahotako sy ny fanaintainana rehefa nihatra tamiko hatrizay. Natao batisa tao amin’ ny Fiangonana aho tamin’ ny 28 Ôktôbra 2007.

Raha tsy niaina manokana mihitsy an’ ilay fiovana avy eo amin’ ny hadisoam-panantenana nankany amin’ ny fifaliana aho, dia tsy ho nino aho hoe ho tanteraka izany. Ankehitriny dia tiako ny antsoko ao amin’ ny Kilonga ary feno fankasitrahana aho noho ny fananako fahafahana manampy amin’ ny famolavolana tetik’ asa fanompoana iray mandritra ny fihaonamben’ ny tanora tokan-tena ao Pologne. Ny fananana fahafahana nanampy tsy tapaka ny hafa tamin’ ny alalan’ ny asa fanompoana tao amin’ ny Fiangonana dia nampitombo ilay fifaliana izay hitako tao amin’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Ny zavatra rehetra ataoko ankehitriny dia ataoko amin’ ny fitiavana madio noho i Jesoa Kristy. Izaho dia mino fa tsara ny fiainana ary na dia amin’ ny fotoana ananantsika olana aza, rehefa manaraka ny Mpamonjy isika dia tsy ho very.

Marina ny an’ ilay vehivavy nihaona tamiko: ny fananana finoana an’ Andriamanitra dia zava-dehibe. Tsy mahita ny toerantsika eto amin’ ity izao tontolo izao ity isika raha tsy mahafantatra Azy. Feno fankasitrahana aho noho ny fananako toerana tao amin’ ilay tokony hisy ahy ihany tamin’ ny farany.