2012
Mitondra Fifaliana ny Famelan-keloka
Ôktôbra 2012


Ho an’ ny Ankizy

Mitondra Fifaliana ny Famelan-keloka

Ny Filoha Uchtdorf dia mampianatra fa tokony hamela ireo olona ao amin’ ny fianakaviantsika isika. Jereo ny fiantraikan’ ny safidy nataon’ i Joseph sy i Anna teo amin’ ny fianakaviany.

Niaraka nilalao i Joseph sy ny zandriny vavikely Anna. Nalain’ i Anna teny aminy ny kilalaon’ i Joseph. Inona no tokony hataon’ i Joseph?

Tezitra tamin’ i Anna i Joseph. Nitomany i Anna. Nobedesin’ ny reniny i Joseph satria niady tamin’ ny anabaviny. Nanenina i Joseph noho izy nanao safidy ratsy.

Namela an’ i Anna i Joseph ary nitady kilalao hafa nolalaovina. Niara-nilalao tamim-pifaliana izy ireo. Faly ny renin’ izy ireo fa naneho hatsaram-panahy tamin’ ny anabaviny i Joseph ary nihazona ny filaminana teo amin’ ny fianakaviana. Nahatsapa ho faly i Joseph noho ny fisafidianany mba hamela.

Taty aoriana dia nila nanampy ny reniny mba hanomana ny sakafo hariva i Joseph sy i Anna. Tsy nanampy i Joseph. Inona no tokony hataon’ i Anna?

Nitaraina tamin-dreniny i Anna. Nimenomenona i Anna fa hoe izy irery no manao ny asa. Nandritra ny fotoam-pisakafoanana dia samy tsy faly ny tsirairay noho ilay fifandirana.

Namela an’ i Joseph i Anna ary nanampy teo amin’ ny fanaovana sakafo hariva. Nankasitraka ny fanampian’ i Anna ny reniny. Nankafizin’ ny fianakaviana ny fiarahana nandritra ny sakafo hariva. Nahazo aina i Anna fa nisafidy ny hamela.

Inona no fiantraikany entin’ ny safidinao mba hamela eo amin’ ny fifalian’ ny fianakavianao?

Sary nataon’ i Casey Nelson